Tantara mikasika ny Kazakh
Hiangana manoloana ny fanafihan'ny governemanta any Azia Afovoany ve ny tambajotran-jiolahy mahery vaika?
Mihemotra ireo vondrona mpanao heloka bevava voarindra ao amin'ny faritra, saingy mbola mihatra ny fanontaniana raha hahomby amin'ny fanafoanana ny herin'izy ireo ny fanafihana ataon'ny governemanta.
Misy mitanila ve ny “OpenAI” ? Izahay no nisolo tena anareo nanamarina izany
Notrandrahan'ny Global Voices ny fomba nataon'ny AI iray mpamokatra sary namoronana sary avy amina fiteny samihafa. Fehezanteny iray no notendrenay tamina fiteny sivy samihafa ary nahazoana valiny tena samihafa.
Miaraka amin'ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia amin'i Okraina izay toa tsy mbola ato ho ato no hitsahatra, mirohotra manodidina ny fiteniny ny Kazakhs
Tranga mahaliana fa toa ny adin'i Poutine ao Okraina no nahatonga ireo Kazakhs marobe hanaiky ny fiteny Kazakhs ary, amin'ireo tranga sasany, hanomboka hianatra izany indray.
Hira niresaka an’i Nur-Sultan tamin'ny taona 2019 toy ny fanehoan-kevitra vaovao mitranga janoary 2022
Mamaritra amin'ny vazivazy ara-paminaniana ny herisetra nampihovitrovitra an'i Kazakhstan tamin'ny volana Janoary 2022 ary miresaka momba ny toe-tsain'ny Kazakh maro ilay hira nivoaka telo taona lasa izay.
Iray andro dia rava ny anganom-pahamarinan-toeran'i Kazakhstan, mitaintaina ny mpifanolo-bodirindrina aminy
Andro iray, nandroaka ny governemantany i Kazakhstan, nanakatona ny aterineto, ary nametraka tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina tao amin'ny firenena. Nanimba sy niditra an-keriny tao amin'ny tranoben'ny governemanta ny vahoaka ary koa tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Almaty mihitsy aza.
Mety tsara ho an'ny mozika rap ny fiteny Kazakh: Antsafa nifanaovana tamin'ilay mpaneho hevitra ara-kolontsaina Yevgeniya Plakhina
Hiraina amin'ny Kazakh mifangaro Rosiana, lalaovina amin'ny zavamaneno mpifindrafindra monina nentim-paharazana sy ny zavamaneno vaovao, anolotra tontolo mampientanentana sy amin'ny tontolo manankarena ny mozika hafa misy ankehitriny avy any Kazakhstan.
Bilaogera voaheloka higadra noho ny fanamarihana ny politikan'ny teny ao Kazakhstan ho “tsy tia Rosiana”
Araka ny voalazan'i Taichibekov, “nikaroka ireo olona Rosiana izay manohana ny fanakanana ny fahitalavitra Rosiana, mandràra ny fiteny Rosiana, sy ny fanalana azy amin'ny Lalàmpanorenana” ny fanjakana Kazakh."
Taokanton'ny làlana atao hetsipanoherana ao Kazakhstana, lasa mahazatra
Hatramin'ny 2019 nametrahan'i Nazarbayev ny fialàny, nisy hetsika fanoherana vaovao teraka tao Kazakhstana nisafidy ny arabe ho toerana fiadiana. Tamin'ity indray mandeha ity dia trano fampiasan'ny daholobe ao Almaty no lasibatra.
Kazakhstana:Fanafihana vaovao fankahalàna pelaka, nanangona fanohanana an'ireo mpikatroka mafàna fo
Tato anatin'ny telo volana nisesy, in-telo ireo mpikatroka LGBTQ+ no notafihan'ireo hetsika tselatra fankahalana pelaka tany amin'ny tanàna samihafa nanerana an'i Kazhakhstana. Artista iray no nosotasotaina tety anaty tambajotra noho izy nanao sarin'olona roa nifanoroka nefa mitovy fananahana.
Tarika hip-hop iray tsy mitendry afa-tsy zavamaneno nentim-paharazana mba hanorenana kolontsaina Kazakhstani vaovao
Tetikasa andrana ara-mozika iray no miezaka manova ny fomba fijery ratsy atao amin’ny kolontsaina ambanivohitra, amin’ny famokarana hira vaovao mampiasa ireo zavamaneno nentim-paharazana.