Global Voices teny Malagasy » Japoney
Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao
Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana - maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay “forum”  goavana Hatsugen Komachi: Tokony hijanona tsy hiasa ve ny lehilahy rehefa marary ny vadiny?
Tranga
Nivady nandritra ny 8 taona i Rina ary manan-janaka vavy mianatra amin'ny taona fahasivy. Eo an-dalam-pisaraham-panambadiana izy izao ary mitantara ampahany vao haingana tamin'ny fiainam-panambadiany izay niraikitra tao an-tsainy nanomboka tamin'izay.
Fony mbola zaza ny zanany vavy, nihareraka i Rina satria tsy ampy torimaso noho ny tomanin-janany isan-kalina. Nanavy be izy ary tsy afaka nikarakara ny zanany vavy nefa tsy nety nangataka andro tsy iasàna nefa andraisana karama, na hody alohan'ny mahazatra ny vadiny. Diso fanantenana tokoa i Rina satria tsy mba niantso akory aza ingahy rainy. Roa volana vao nihatsara ny fahasalamany ary tsy mety hadinony mihitsy ny tsy nanampian'ny vadiny azy na dia kely akory aza.
Fanontaniana
ここういう状態の場合、会社を休めないまでもせめて定時で帰ってきてほしいというのはわがままでしょうか。
みなさんのご家庭はどうですか？妻が病気の時、夫は会社を休んで子供の世話をしてくれますか？また、会社で「妻が病気だから」と言って休んでいる人をどう思いますか？
Amina tranga toy itony, tia tena ve aho raha mangataka amin'ny vadiko  farafaharatsiny mba hody aloha fa tsy hanao ora ambony ampanga, rehefa tsy nagataka andro tsy iasàna ihany izy? Manao ahoana ny tokantranonareo? Mijanona tsy miasa ve ny vadinareo mba hikarakara ireo ankizy rehefa marary ny vehivavy? Misy lehilahy ve ao amin'ny toeram-piasànareo mijanona tsy miasa satria marary ny vadiny?
Valiny
Avy hatrany dia maro ireo reny efa “za-draharaha” namoaka ny tantaram-piainany nandritra ny fotoana naharariany  nefa mbola tsy maintsy miarina ihany mikarakara tena sy ireo ankizy, fa ny vadin'izy ireo tsy mba manampy - tsy hoe nanantena na nila fanampiana avy aminy koa izy ireo.
‘Manam-bady ary manan-janaka roa' dia niteny:
インフルエンザで寝込んでいるときも、４０度の熱が三日間下がらない時も、一週間３８度から熱が下がらずいた時も夫に休ん で欲しいと思ったことはありませんでした。夫の職種が営業だったので客先と約束があれば休めないのも仕方がないし、客先と急に約束が入ったら帰れないのも 仕方がないので。会社に勤めてお給料を頂いている以上会社に損害を与えるような休暇をとれないのは当たり前。
トピ主様のご主人の業種がわかりませんが当人の体調不良と家族の体調不良はまた別でしょう。夫の風邪を理由に仕事を休む妻というのもありえないと思いますがどう思いますか？
Na dia tao am-pandriana noho ny gripa aza aho, na nanana maripàna 40° nandritra ny telo andro misesy, na 38° mandritra ny herinandro iray manontolo, tsy mbola nandalo tato an-tsaiko mihitsy ny hangataka ny vadiko hijanona ao an-trano. Miasa eo amin'ny sehatra varotra izy ka mila mihaona amin'ireo mpanjifa ary tsy maintsy miasa alina raha misy ny tena tsy maintsy ifanampiana. Rariny amiko raha hoe mandray karama ny olona iray ka tsy afaka maka andro tsy hiasàna mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny orinasa iasany. Tsy dia fantatro loatra ny asan'ny vadinao, fa zavatra roa samy hafa ny hoe izy marary sy ny hoe  olona iray ao an-tokatrano marary. Tsy mino aho hoe misy vehivavy mangataka ny vadiny hampiato ny asany noho izy hoe marary fotsiny. Inona no hevitrao?
Miri dia miteny fa tokony hojerena koa ny toeran- [lazan-]drangahy vadinao.
旦那さんのお仕事の形態にもよると思いますが、急なお休みは周りにとても迷惑をかける事となります。それに自分(妻）の管理が出来ていない事で夫の会社に迷惑をかけるなぞ夫の評価を下げる事と思って居ます。
妻が病気(入院する様な病気以外）夫が会社休むは普通とは思えません。ヘルパーさん頼むとか考えます。
Miankina amin'ny asa ataon'ny vadinao io, nefa ny hiato tampoka amin'ny asa dia matetika miteraka olana maro ho an'ny mpiara-miasa amin'io lehilahy io sy ny mpanjifany. Ny tsy fahampian'ny fikarakarànao (ara-pahasalamàna) ny tenanao dia manimba ny lazan'ny vadinao amin'ny fiterahana olana ho an'ny orinasa iasany.  Tsy eritreretiko ho manara-penitra loatra  ho an'ny lehilahy ny mampiato ny asany satria marary ny vadiny, raha tsy hoe mila fidirana hopitaly angaha. Raha izaho dia aleoko maka mpitsabo mpanampy na mpikarakara manokana.
Mahatsiahy ny zava-niainany nitovitovy tamin'izany i Ranomaso [Teardrop]. Nandeha nisotrosotro niaraka tamin'ny mpiara-miasa aminy ny vadiny nefa izy marary, ka niteraka ady be.
でももっとびっくりしたのはこの話をした時の女性達の反応！「そんなことで・・・。」という反応なんですよね。ウチなんてもっとひどいわよ～って。
妻たちはみんなこういう仕打ちに慣れてしまって、感覚がマヒしてしまっているんだなぁって、悲しく思ったことを覚えています。
でもあれから数年・・・完全に私もマヒしてます。
Ny tena nahazendana ahy [mihoatra lavitra ny hoe nandehanany nisotrosotro] dia ny fihetsik'ireo vehivavy namako! Hoy izy ireo “Izany fotsiny ve no mahatezitra anao? Mbola loza lavitra àry ny ahy!”  Tsaroako ny nieritreritra hoe tena mampalahelo fa lasa zatra amin'izany fanaovana tsinontsinona izany ireto vehivavy ka na ny fisainany aza lasa donto.
Taona vitsivitsy izao no lasa nanomboka tamin'izay… ary maizina (donto)  tanteraka ny fisainako.
Miteny i Kanon fa maneho ny fitiavany amin'ny fomba hafa mihitsy ny vadiny.
夫の会社の激務や夫の社内での立場を思えば「体調悪いから帰ってきて！」とは言えません。私の体調の悪い時に夕飯を外で済ませてきてくれる。駅の自販機でポカリを買ってきてくれる。私にはそれだけで十分に優しい夫です。
Raha eritreretiko ny habetsahan'ny asa ataon'ny vadiko sy ny toerana misy azy ao amin'ny orinasa dia tsy afaka hiteny mihitsy aho hoe “Mba modia aloha fa tsy dia salama loatra aho izany!”. Rehefa marary aho dia any amin'ny trano fisakafoanana izy no mihinan-kanina hariva. Ividianany zava-pisotro mampatanjaka vita anaty boaty eny amin'ny milina mibaiko tena eny amin'ny tobin'ny fiarandalamby aho. Amiko, vady mikarakara izy matoa manao izany.
Miteny i ‘Kengyo-shufu' (mpiasa mpikarakara tokantrano) :
ちゃんと仕事をしたことないから言える言葉だと思います。
ご主人だって休みたいんだと思います。でも休めないんですよ。自分が体調悪くて休むのは周りに風邪をうつしてはいけないとかそういったことではないですか?
簡単に休めないという現在の多くの日本の企業が問題だと思いますが休めないのが現実です。
Ireny dia teny avy amin'ny olona tsy mbola tena niasa. Amiko dia te-hijanona ao an-trano ny vadinao, nefa tsy afa-manoatra.
Olana any amina orinasa Japoney maro ny fahasarotan'ny fakàn'ireo mpiasa andro tsy hiasàna, fa ny marina dia hoe tsy afaka mijanona fotsiny izy.
Mitsetra ny sasany, toa an'i nabe.
リナさんの言うことは正しいです。全然わがままではありません。
私はもちろん休んでいます。 […] 妻が病気になっても働く時代は終わってます。
二人で力を合わせて生活守って時代です
Rina, marina ny teneninao. Tsy fitiavan-tena mihitsy izany! Mijanona tsy miasa aho rehefa marary ny vadiko. […] Efa dila ny vanim-potoana nandaozan'ireo lehilahy ny vadiny marary. Ankehitriny, tokony manambatra hery isika sady miaro ny fidiram-bolantsika.
Gaga amin'ny fahasiahan'ny rehetra i Pochi, ary manontany ankolaka raha miasa 15 hatramin'ny 16 ora isan'andro izy ireo mandavan-taona.
家族がせっぱつまった状態のときに、仕事のほうがどうにか都合がつきそうだったら、少々遅刻して病院につれていくとか、コ ンビニで食料を調達するとか、残業はせずに急いで帰ってくるとかするのは社会人失格？頭から「休めるわけない！！」と決めつけるのは、ストイックな姿を会 社の人に見せたいから？自分の楽しみのために有給をとることもあるでしょう。（有給をとって友人とゴルフにいく上司をなんども見てます）
Raha mitondra olona iray ao anatin'ny fianakaviana ho any amin'ny hopitaly aho ka tara ora vitsivitsy vao tonga, mividy sakafo any amin'ny tranom-barotra ho an'izany, na maika ny hody fa tsy manao ora ambony ampanga rehefa mba misy ny azo anaovana izany, izany ve no hadika  fa tsy tena  ao anatin'ilay fiarahamonina (sosaiety)  aho? Te-hiteny mialoha ve ianao fa “Tsy misy fomba hakako andro tsy hiasàna mihitsy!” satria te-hampiseho amin'ireo mpiara-miasa ianao fa tena mahery fo?
Misy ny olona maka andro tsy fiasàna andraisam-bola noho ny rendrarendra, sa tsy izany? (Efa im-betsaka aho no nahita tale naka andro tsy fiasàna andraisam-bola mba handehanana hilalao ‘golf' miaraka amin'ny namany.)
Tokumei dia miteny fa miankina amin'ny hasarotan'ny aretinao io ary hoy izy  manohy:
結婚生活を快適に過ごすこつは、お互いに相手に期待しないことではないかともうすぐ銀婚式の私は思っています。期待すると裏切られたと思うし、期待しなければ些細な優しさもありがたく感じられます。再婚の際の参考までに
Hankalaza ny faha-25 taonan'ny mariaziko aho atsy ho atsy ary azoko lazaina anao fa ny fomba hananana fiainam-panambadiana mamy dia ny tsy manantena be avy amin'ny ankilany. Raha tsy manantena izany ianao dia hahafaly anao ny hetsika fanehoam-pitiavana faran'ny bitika indrindra. Mba toro-hevitra iny rehefa hiverina hanambady ianao.
Ity ny toro-hevitr'i Echika:
うちの会社の場合、男性が家庭の事情で会社を休むと、上司はあまりよく言いません。なので、私も自分の体調不良と偽って休暇をとり、妻の看病をしました。
Tsy dia nanan-kevitra be amin'ny lehilahy maka andro tsy iasàna ho an'ny olam-pianakaviana ny lehibeko. Ny ataoko dia ny miteny any am-piasàna fa marary aho dia mijanona any an-trano aho mikarakara ny vadiko.
Miteny i ‘Usuaji' fa tsy azony atao izany any amin'ny oriasa iasàny.
でも、文句を言い続けて一生夫婦であり続けることよりも、離婚と言う手段を選んだトピ主さんの勇気は素晴らしいと思います。
Ao anatin'izany rehetra izany, mitehaka ny herim-ponao nifidy ny fisaraham-panambadiana aho, toy izay handany ny andronao sisa amin-drangahy vadinao be taraina.
Manahiran-tsaina izany hoy Nya saingy tsy àry ho takatry ny lehilahy veroka foana izay tadiavin'ireo vehivavy, raha tsy hoe efa voafaritra mialoha angaha.
妻が病気の時、「食事を作るのは難しいだろうから、外食して帰るよ」という夫さん、よくいますよ。高熱で起きられない妻の 食事は??思いつきません。面倒だけど「作れないのでコレコレを買ってきて(何か買ってとまかせると、こってりしたコンビニ弁当とか買ってきてしまう)」
Maro amin'ny lehilahy no hilaza hoe  “Dia efa hisakafo mialohan'ny hodiana aho satria tsy maintsy ho sahirana ianao hahandro sakafo”. Toa tsy ao an-tsain'izy ireo velively ny hoe mba mila mihinana koa anie ilay ramatoa vadiny tsy salama. Mety hahasadaikatra anao nefa tsy maintsy miteny aminy ianao  “Tsy afaka hahandro aho anio ka azafady mba ividiano an'itsy sy iroa ho ahy”. Raha zareo no avelanao hifidy, dia ireny sakafo be menaka tonga dia raisina  sy ny toy izany ireny no ho entiny.
Tsara ny anamarihana fa  Hatsugen Komachi dia tena mitodika betsaka amin'ireo vehivavy na dia ny vehivavy mikarakara tokantrano aza. Ny tena lehibe amin'ity tantara ity dia ny mahita fa ny fanehoan-kevitra avy ao amin'ny Hatena, firaisa-monina mirona betsaka  amin'ny lehilahy, dia tena hafa tanteraka mihitsy, (Eto ambonin'ny tany,  tsy misy asa manan-danja indrindra noho ny fandraisako an-tànana ny fahasalamako sy ny an'ny fianakaviako. 自分、もしくは家族の健康にも優先する仕事なんてこの世に一つもない。) tsy misy hafa amin'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ilay vohikala matihanina SNS LinkedIn (Ilàna solonarana ny fidirana ao: Ataon'ny Bevozona (mpanao afera)  Japoney sorona hatramin'ny ankohonany) saingy mbola tantara ho amin'ny andro hafa indray ny amin'izay.
Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana
Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia.
Tao amin'ny Flickr id: Ushio Shugo
Efa navoitran'ny sekretera jeneralin'ny sampan-draharahan'ny ady amin'ny fahantrana  (反貧困 Han Hinkon) [ja] Makoto Yuasa ny olana mikasika ity fahantrana ity tamin'izao fomba fitenenana manaraka izao[en]:
Hatramin'ny iakaran'ny fiharian-karena niatomboka tamin'ny taompolo 1960 no nametrahan'i Japana ny angano fa sarangan'olona antenantenany avokoa ny Japoney rehetra. Ny  fomba fiasan'ny Japoney, fototr'izany angano izany anefa dia niova noho ny fitomboan'ny asa tsy manara-penitra sy ny singa maro samihafa, ka dia nitombo isa ny Japoney niaina tao anaty fahantrana.
Tsy vaovao mihitsy anefa, raha jerena ny adihevitra any amin'ny bolongana, ny elanelana misy eo amin'ny lafiny fidiram-bola any Japana. Raha vao vaky ny balônina ekonomika tamin'ny fiandohan'ny taompolo 90 dia niseho ny fahalemen'ny rafitra Japoney ary hatramin'izay fotoana izay no nilazan'ny manampahaizana maro fa tsy mbola tafarina ry zareo hatramin'ny fitotongan'ny toe-karena.
Ysaki nanoso-kevitra fa efa nisy hatramin'ny ela ity olana ity saingy maro ny Japoney no nieritreritra azy ho olan'ny hafa.
この記事を最初に見た時に、私は部落問題に近いな、と感じたんです。それは、私たちの隣に確実にその問題があるのに、知らないふりをする。見ない振りをし、無関係を装ってきた。
Rehefa namaky ny vaovao aho, nahatsapa ny olana ho mifanahaka tanteraka amin'ny an'ireo vondrona voavakavaka eto Japana aho.
Nefa tena misy mihitsy ny olana sady efa tena manakaiky dia akaiky antsika na dia odian-tsy hita aza, mandresy lahatra ao anaty ao isika fa tsy misy idirantsika izany.
Miyabi-tale mihevitra fa manana tantara lava ity lohahevitra ity ary tsy maintsy misy ifandraisany amin'ny tsy fihontsonan'ny politika.
驚くべきは、この数字が今年ではなくて数年前のデータでさえすでに7人に1人いるという事実で、リーマンショック以降の世 界恐慌の不景気のあとでは今現在では少なく見ても5人に1人はそれくらいの値になっていると考えられることである。自民政権下では、公式発表的に「日本に 貧困はない」「一億総中流家庭」なんていうキャッチコピーもあったわけだが、現実はまったくそうでないということが改めて浮き彫りにされたわけである。
Ny manaitra dia ny filazan'ny antontan'isa roa taona lasa izay fa olona iray amin'ny fito no miaina ao anaty fahantrana. Dia mbola misy ny sasany mihevitra izany ho mbola tsara ihany satria nisy ny fitotongana lalina nianjady tamin'izao tontolo izao noho ny fintraikan'ny nahabankirompotra ny Lehman Brothers, mba ny iray amin'ny olona dimy ihany aza no mahantra.
Nandritra ny fitondran'ny LPD, no nampisaina ny fomba fiteny toy ny ‘Tsy misy fahantrana eto Japana' sy ny ‘mitotaly zato tapitrisa ny ankohonana ao amin'ny saranga antenantenany' saingy miharihary indray fa lavitry ny marina izany.
Flickr id: caribb
Misy kosa ireo misafidy ny hijery amin'ny lafiny hafa.
Ukkii ohatra manantena fa hamerina any amin'ny fahatanjahan'ny fanahy nampalaza ny mponina Japoney indray izao fotoana maizina andalovana eo amin'ny tantaran'i Japana eo amin'ny lafiny sosialy sy toe-karena izao.
し・か・し
国の景気が良くなるまでこのままでいいのだろうか
貧しかった戦後の日本国民は、みな必死で頑張ってここまでよくなってきています
あの時代のハングリー精神があればきっと国を変えれなくとも企業の生き残りは可能だと思います
私は一社員でありますが社長のような視点で物事を考えていくことを目標としています
視野を広げればいろんなことに発見や改善が見えてくるからです
ハングリー精神なんて言葉、現代では死語なのかもしれませんが
僕はこの言葉を提唱していきたいと思います
SAINGY
Avela handeha tahaka izao fotsiny ve izy ity mandrapahazoan'ny toe-karen'ny firenena aina indray?
Fony nahantra ny Japoney taorian'ny ady, dia niezaka nanao ny tsara indrindra araka izay tratry ny ainy tsy nisy fisalasalana mba hanatsara ny toe-draharaha tahaka ny iainantsika amin'izao fotoana izao.
Raha mba manana ny HETAHETAM-PANAHY tahaka ny tamin'izany fotoana izany isika dia matoky aho fa na dia tsy mahaova ny firenena ao anatin'ny indray mipi-maso aza, dia mbola azo heverina hatrany ny hampatanjaka ny orinasantsika sy haha-tsy mena-mitaha azy anaty fifaninanana.
mpiasa tsotra aho saingy miezaka ny hanana fomba fijerina PDG satria raha mitsinjo lavitra isika, maro ny zava-karohina sy ezaka mbola tratrarina, izay azo ampiharina amin'ny zavatra maro.
Efa adino angamba izany andian-teny hoe ‘hetahetam-panahy' izany saingy mbola tiako apetraka indray.
Scilla Alecci
Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday
Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao amin'ny andininy faha-33n'ny  “Lalàna mikasika kilonga eto Ishikawa” [ja, pdf] fa “Tsy maintsy miezaka ny hanakana ny kilonga any amin'ny fanabeazana fototra, ambaratonga faharoa fototra, ary any amin'ny fanampim-pianarana tsy hampiasa finday ny mpiambina afa-tsy amin'ny fampilazana mialoha loza ho avy, na heloka bevava mety hitranga na antony hafa manokana.” Hihatra ity lalàna vaovao ity manomboka ny voalohan'ny Janoary 2010.
Misalasala ny amin'ny hahatontosa ny fampiharana ity fitsipika ity i Chuei ao amin'ny Mainichi Blog .
これによって、「子供の携帯電話を解約しよう」とか考える親は余りいないだろうね。大体、携帯電話でもパソコンでもウェブ閲覧やＥメールができるのに、何で携帯電話だけ規制なんだろうね？携帯電話の通話機能がいけないとも思えない。
家庭用の火災報知器を設置する義務も、罰則が特にないために設置が進んでいないようだし、この条例が施行された所で効果のほどは知れているだろう。 多分今後携帯電話が絡んだ小中学生の事件が発生した時の県の言い逃れ（学校に責任なし）とか、そういうことに利用されそうな条例だ。
Mahasahy manao fanamby aho fa tsy hisy ray aman-dreny hanafoana ny fananan'ny ankizy finday noho io. Nahoana no asiana lalàna amin'ny antso finday nefa efa afa-mandefa mailaka sy miserasera na amin'ny finday na amin'ny solosaina? Sarotra ny mino fa noho ny resaka antso am-pinday no anton'ity lalàna ity. Tsy manantena loatra ny hisian'ny vokatra amin'io lalàna io tahaka ny tamin'ny fanerena hametrahana fanairana fahamaizana ny trano aho satria tsy misy ny fanasaziana manokana na onitra aloa. Angamba azo ampiasaina ity lalàna ity indray andro any raha misy toe-draharaha mifandraika amin'ny  finday sy sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa fototra izay  ahafahan'ny prefektiora miala andraikitra, (i.e. tsy misy andraikitry ny sekoly).
Manolo-kevitra i Usagi Inu ao amin'ny Manya Hompo fa ny fampiasana finday mametraka fahana mialoha no vahaolana.
私が思うには、ネットに繋がらないプリペイドの携帯電話を持たせたらいいと思います。プリペイド携帯は決められた度数を越えて使う事ができないため、使いすぎを防止するにはいいと思います。
しかし、不景気の時勢に親が子どもの携帯電話の料金を払うなんて時代が変わりました。自分が子どもの頃は携帯もなく、親に連絡する時は小銭を持ち歩いて公 衆電話を探していましたけど、今では公衆電話を探すのに苦労するから、子どもに携帯電話を持たせるのも仕方ないのでしょうか。
Mieritreritra aho fa ny fanaovana tolotra finday ampidirana fahana mialoha tsy misy fidirana aterineto no vahaolana. Rehefa tsy afa-mihoatra ny fetran'ny fampiasana azy ianao dia ahafahana misoroka ny fampiasana azy tafahoatra izay. Na izany aza efa miova ny toetr'andro ka sarotra ho an'ny ray aman-dreny ny handoa vola ny findain'ny ankizy mandritra ny fitotongan'ny toe-karena. Tsy nisy finday nandritra ny fahazazako. Tsy maintsy nitady sofindavitra andoavam-bola aho rehefa te-hantso ny ray aman-dreniko. Ankehitriny, sarotra ny ahitana ny misy sofindavitra andoavam-bola ka tsy azo ialàna ny manome finday ny kilonga.
Malahelo noho ity lalàna ity ny Mpikambana mifindrafindra misolovava #1 ny SATT izay manome tolotra kojakojam-pianarana an-tserasera.
持つこと自体を禁止してしまうと、たとえば「公教育の中にケータイを取り入れる」といった試み自体ができなくなってしまいます。
Raha rarànao hatramin'ny fananana finday, dia mamono fahafaha-manatratra tajona tahaka ny fampidirana ny finday ho ao anatin'ny curriculum-n'ny fampianaram-bahoaka.
Nampiany fa tokony tany amin'ny mety ho azo atao no nifantohan'ny mpanao lalàna fa tsy tany amin'ny famerana.
ケータイは、日本においてこれだけ普及し、データ通信部分も含め世界に誇れる技術の固まりなので「制限」から入るのではなく、「何ができるのか」といった可能性に目を向けてほしかったと思います。
Satria manko efa malaza dia malaza eto Japana ny finday ary efa zavakanto mahazo vahana manerantany ny teknolojia, ka tafiditra amin'izany ny fivezivezem-baovao, dia faniriako raha mba any amin'ny hoe I wish they would have focused on a possibility of “inona no azontsika ampiasaina amin'ity,” no ifantohan'izy ireo kokoa fa tsy any amin'ny “famerana an'ity.”
Tsy azon'ity ray manan-janaka mirahalahy antsoina hoe Kimme ity ny antony ilàn'ny kilonga finday mialoha be.
我が家は長男が携帯を持ったのは大学に入ってからだ。次男はプリペイド携帯を持たせているが、インターネットを利用出来るようなプランには一切なっていない。いや、別に長男にしろ次男にしろ、自分でバイトして携帯代金払えるなら使って良いと私は思っている。
でも、小学校や中学校の間ははっきり言えば、必要ないと思っていたりする。こんな条例が出来る前から、我が家じゃ小中学生に携帯持たせる気なんてさらさらない訳だ。
でも、条例が出来ちゃうぐらいなんだから、持ってる子供もそれなりにいるって事なんだろう。
防犯の目的で携帯を持つって意味が個人的にはわからない。いや、確かに迷子になって携帯持ってたら探せたりするかもしれない。不審者に連れ去られたら連絡が出来るのかもしれない。塾の帰りが１０時とかだったりするのかもしれない。
でも、防犯のタメに携帯を持たなくちゃならない社会の方が間違っていると私は思うのだけれど。
それよりも、小中学生に携帯電話を持たせる事で引き受けるリスクの方が、よほど大きいとは思わないのだろうか？
Nahazo ny findainy voalohany ny lahimatoako rehefa hankany amin'ny Lisea izy. Nomenay finday ampidirana fahana mialoha kosa ny zandriny, saingy tsy dia be loatra ny fahafaha-manaon'ilay kazaram-pinday tahaka ny tsy ahafahany miserasera an'aterineto ohatra. Mino aho fa mahavidy izay karazam-pinday tiany ry zareo rehefa manana asa an-tselika sady mahaloa izay laniny rahateo. Fa tsy misy ilàn'ny any amin'ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa ireny mihitsy. Tsy nanana eritreritra ny hanome finday ny kilonga mbola kely loatra ao amin'ny fianakavianay izahay na dia talohan'ny nivoahan'io lalàna io aza.
Azoko eritreretina anefa fa matoa navoaka ny lalàna tahaka izao dia betsaka izany ny kilonga no mikarataka ny hanana finday ho azy.
Tsy azoko ny dikan'ny hoe manana finday entina misoroka izay mety hisian'ny fanaovan-keloka. Eny, mety hanampy ny finday raha very izy ireo. Angamba mety hanampy ny finday raha misy maka an-keriny ny kilonga. Na angamba koa ho tonga any an-trano izy ireo amin'ny folo ora alina aorian'ny “fanaovana cours d'appui”.
Fa heveriko kosa fa diso ny fiaraha-monina raha voatery hitondra finday ny kilonga hisorohana izay fanaovan-dratsy mety hihatra aminy.
Mifamadika amin'izany ary, moa ve tsy voaeritreritrao fa  mampidi-doza kokoa ny fanomezana finday ny kilonga any amin'ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa?
Saeko Robinson
Japan: Fisintahan'ny mpizahatany Japoney an'Italia
Lazaina fa nihena ny isan'ny mpizahatany Japoney nandalo an'i Roma faramparany teo. Tsy noho ny krizy ekonomika ihany fa eo ihany koa ny tolotra ratsy ataon'ny trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny italiana ary ny tahotra ho voaendaka valizy sy finday nahatonga ny Japoney hisafidy toeran-kafa voaary kokoa.
Vao herinandro vitsivitsy izay no nisy ity vaovaon'ny fanambakana nataon'ny trano fisakafoanana malaza iray ao afovoan-tanànan'i Roma tamina olon-droa miaraka Japoney fa 700€ be izao no vidin-tsakafo tsotra. Efa manomboka leon'ny fampiheverana azy ho (ombivavy be ronono) mpizahantany fanambaka ihany koa ny Japoney.
Nanazava izay nitranga sy namoaka lahatsoratra hoe “Tsy andeferako mihitsy izao” (絶対に許せない！！) i Moshimoshi, tale Japoney ao amin'ny B&B ao Rome izay nampiatrano ireto mpivady sendra ny vitan-dratsy ireto.
今日警察に行ってきました。というのも最近B&Bのお客様が被害にあわれて、その再確認に行ってまいりました。
その被害とは、簡単に説明すると二人でランチを食べたら700ユーロ、（約10万円）という法外な値段をぼったくられた、という被害です。
Nankany amin'ny polisy aho androany.
Nisy tratran'ny fanambakana ny mpanjifako sasany ary dia tonga tany aho hanamarina izany.
Raha hazavaina tsotra ny fandehan'ny hosoka, dia niharan'ny fandoavam-bola tafahoatra nahatratra 700 Euro (100.000 Yen) tamina sakafo indray mandeha izy roa.
信じられます？700ユーロですよ！！
許せない！！という事で警察に行き調書をとりました。
しかもそのレストランはガイドブックにのっており、「日本語のメニューがあり、良心的な値段！！」なんて書いてあります。
確かにそのお客様は、メニューも見ずにおまかせで料理を持ってきてもらったそうです。
でもそれにしても700ユーロって・・・・
イタリア人みんなに言われました「どうして払ってしまったんだ？」と。でも想像してください、食べたのに払わずにレストランの外に出たりできますか？私自身は文句を言うにしても、最終的に払わずに外に出たりできないと思います。
Azonao inoana ve izany? 700 Euro!!!
Tsy azoko ileferana izany! Ary dia nankany amin'ny polisy aho nanao tatitra. Ankoatra izany, voasoratra ao amin'ny boky torolalana manazava amin'ny teny japoney fa ny tolotra dia mora!'. Ekena fa tsy nijery ny sakafo anio (menu) no sady tsy nanontany tamin'ny trano fisakafoanana hoe inona no torohevitra ataon-dry zareo saingy ilay 700 euro kosa…
Niteny tamiko ny Italiana hoe “Naninona ry zareo no nandoa?”
Nefa hevero kosa ange, afa-mivoaka ny restaurant tsy mandoa ny vola vidin'ny nohaninao angaha ianao? Na nitaraina ihany koa aza aho, mety tsy hahay handeha tsy mandoa vola izany.
私がそう言うとイタリア人は口をそろえて「だから日本人はぼられるんだ！！」
と言います。でもそんな事が許されていいのでしょうか？
「黙っているから、だましてもいい」なんて国があっていいのでしょうか？私は断じて戦います。そんな事が許されていいと全く思いません。今日私を呼び出し た警察も、「観光客のイタリアの思い出がそんなに醜いものになるのは一イタリア人として許せない！！彼らはイタリアの恥だ！！」とそのレストランを厳しく 罰する事を誓ってくれました。
Ary dia niteny tamiko ry zareo hoe “Ka izay indrindra no mahavoambaka ny Japoney koa!!”
Saingy, azonao leferina ve izany? mety amin'ity vahoaka ity ao an'eritreriny fa “ rehefa tsy mitaraina ry zareo dia azoko ambakaina izay”? Hotoheriko tanteraka izany fomba fisainana izany satria mino aho fa tsy azoko atao ny mandefitra amina toe-javatra sahala amin'izany. Nampanantena moa ilay polisy androany fa havesabesatra ny onitra miandry ilay trano fisakafoanana. “Izaho amin'ny maha-italiana ahy, dia tsy hanaiky velively fa hitondra fahatsiarovana ratsy avy eto Italia izy ireo! Henatr'i Italia ireo olona ireo!!”.
Na izany aza dia nampitandrina ny mpamaham-bolongana Japoney  iray mba tsy hieritreritra fa toy ny any Japana ihany ny hatsaran'ny tolotra any ampitan-dranomasin-dry zareo.
まあ、ありえる話かな、って感じ。
日本は今こんな不景気だから減って不思議でないし、日本人が言う「イタリアのサービスの悪さ」はなにも今に始まったことじゃないから。。。
ただ「サービス悪い」のは何もイタリアだけじゃないと思う。
Tsy gaga aho.
Tsy atao mahagaga amin'izao fitotongan'ny toe-karena izao raha mihena ny Japoney mizaha tany ary tsy zava-baovao na vao haingana ihany koa ny lazain'ny Japoney fa “fikarakarana ratsy ataon'ny Italiana”…
Etsy ankilan'izany, tsy any Italia ihany no misy “ratsy fikarakara”.
それに、、、
海外行って、「日本のようなサービスを受けよう」と思ってるのが、根本的に間違ってると思うよ。
で、サービスの点で、日本と外国の認識の違い、ぜったいあるはず。
日本は「黙っていても何かしてもらえる」と思うのがサービス。
（いわゆる「お客様は神様です」的に・・・）
でも、あちらへ行ったら、、、
「自分で欲することを自分で要求」した上で「相手に仕事をしてもらう」のがサービス（の一つ）。
この他にも相違点たくさんあるのに、あちらのことを知らずに、、[…]
そんな認識で海外行かれちゃうのが、ウチらには恥ずかしいわいっ！
Andaniny… Mihevitra aho fa misy fiheverana diso tanteraka hoe “rehefa miampita ranomasina aho, dia mitovy amin'ny eto Japana ihany ny fikarakarana any.”
Amin'izay fotoana izay, dia hihanjahanja tanteraka fa be ny fifahasamihafana eo amin'i Japana sy ny firenenkafa.
Ny atao hoe fikarakarana eto Japana dia “vita tsy misy fitenenana indraimbava ny zava-drehetra.” (Araka ny fomba fiteny hoe, “Andriamanitra ny mpanjifa”…)
Fa any ielany kosa (misy mieritreritra fa) ny fikarakarana “dia ny fahatontosan'izay noteneniko fa notadiaviko”.
Ary dia maro ny fahasamihafana tahaka izany, raha mivoaka mankany ivelany tsy mahalala…
[…]Ary henatra ho antsika Japoney mivoaka any ivelany raha tsy mahatakatra izany fahalalàna bitika izany!
Indrisy fa tsy zava-baovao ho an'ny Italiana ny fanambakana vahiny any. Indrindra fa amin'ireo tanàna miankna amin'ny fizahantany tahaka an'i Roma.
Tsy tamin'ity indray mandeha ity, fa tsy dia menatra loatra ny Italiana na dia heverina erantany aza fa mpanambaka matevin-koditra ao an-tranon'i Colosseo.
Maneho ny alahelony amin'ity lohahevitra ity ny mpamaham-bolongana Italiana iray ao amin'ny L'isola dei riottosi.
Ci stiamo rovinando con le nostre stesse mani. Come dico spesso, la meschinità sta diventando uno dei capisaldi del nostro popolo. Tanto che il turismo rischia di sentirne. E parecchio. In particolare, il numero di turisti giapponesi che si recano a Roma si è dimezzato rispetto al 1997. Motivi? Le strade dell'Urbe sono sporche, e specialmente c'è un ricchissimo business delle Truffe! […]E giustamente queste cose non passano inosservate, dato che ne parlano pubblicamente all'estero, in questo caso il Giappone, dove adesso Roma viene vista come una bellissima città d'arte ma anche come un “macchina succhia soldi”.
Ny tanantsika ihany no mamotika antsika. Araka ny filazako matetika dia efa zava-mahazatra antsika ny hafetsifetsena. Ka miitatra any amin'ny fizahantany ny fahavoazana aterany. Voa dia voa tokoa.
Raha raisina manokana izao dia maty sasaka noho ny tamin'ny 1997 ny mpizahatany Japoney. Nahoana? Noho ny loton'ny tanàna ary lasa bizina mandeha ny fanambakana![…] Ary tsy takona afenina intsony izany, rehefa resahin-dry zareo any ivelany any. Any Japana ohatra, tsy hoe tanànan'ny zava-kato ihany i Roma fa “milina mpitsentitra vola” ihany koa.
Mpamaham-bolongana Italiana hafa koa, id: dragor, no nampibaribary ny fomba fijerin'ny Romana sasany izany hoe mpizaha tany.
PER GLI ITALIANI gli stranieri sono una massa d’imbecilli che aspettano soltanto di farsi fregare. Si considerano molto furbi e credono che tutti gli altri siano ingenui. La loro fantasia per tirare la botta è incredibile. […] Ma il massimo della fantasia si esercita nella fregatura individuale, che in molti casi si manifesta con il prezzo ad hoc. In un bar di Roma, mia moglie ha ordinato un caffè in francese. Le è stato fatturato 5 euro. Quando ho fatto notare nella lingua di Dante che era un furto, ho ricevuto questa risposta: “Dovevi dirlo subito che sei italiano. Quello è il prezzo per gli stranieri.”
HO AN'NY ITALIANA ny vahiny dia vondrona vendrana miandry ho ambakaina. Mihevitra ny tenany ho tena fetsy ry zareo fa ny hafa kosa dombo. Ts mampino mihitsy ny hevitra ananan'izy ireo hanambakana ny hafa. […] Fa ny hevitra tsara indrindra hitany hanambakana ny tsirairay matetika dia eo amin'ny vidin-javatra.
Tao amin'ny bar iray tany Roma, dia nangataka kafe erany tamin'ny teny frantsay ny vadiko. Napetrany fa 5 euro ny vidiny. Nanamarika tamin'izy ireo, tamin'nyfitenin'i Dante aho, fa hosoka izao ataon-dry zareo izao dia novaliany hoe: “Tokony niteny taminay avy hatrany ianao fa Italiana. vidiny ho an'ny vahiny izany”.
Scilla Alecci
Japana: Fotoan'ny sery indray.
Raha toa moa ny fitiavana irery ihany no mihalohalo eny an-danitra an. Efa miditra tsikelikely ny lohataona, ary ny manomboka miparitaka eny rehetra eny ny vovom-bony avy amin’ny hazo antsoina hoe Sedera. Nanomboka ho ofisialy toa Japan any Kafunsho (ny sery). Noesorina  ny  sokola (chocolat) tsy lany tamin’ny andron’ny mpifankatia mba azahoana mahazo toerana hasiana ireo fitaovana hiatrehana ny Kafunsho toy ny: mosoara, ny aro-tava, ny hanitra mint atete sy ny maro hafa.
Nanao misimisy ny vatsy ara-panafody avy hatrany ireo ela nihetezana (be antitra na olom-pahalalana) raha toa kosa ireo tsy manan-traikefa dia manadihady ny kohaka isan’isany, ka mbola manontany teny hoe ity tokoa ve ny taona “iantombohan’ny kafunsho” eo amin’izy ireo.
“Kely sisa dia fotoanan’ny sery”, nataon’ny kalandrakas
Maro ireo antontan’isa milaza hoe firy ireo mponina mijaly nohon’ny Kafunsho – eo anelanelan’ny 15 – 30%, avo ny isan-jato teo amin’ny toerana Metropolitana. Lazaina fa ratsy dia ratsy tokoa ny fiantraikan’ny kafunsho teo amin’ny toe-karena:  milaza ny  fanambarana miverimberina nataon’ny Toeram-pikarohana momba ny fiainana Dai-ichi fa nampidiana ny fitombon’ny tahan’ny vokatra anaty (P.I.B: Produit interieur Brut) ho 0,6% ny kafunsho ny taona 2005. Nihena ny fanjifan’ny tsirairay satria miezaka mijanona ao an-trano daholo ny olona, raha etsy an-daniny kosa ny fihemoran’ny fivangongoana dia mampihena ny vokatra azo avy amin’ny asa.
Herinandro mialoha ny fanambarana nataon’ny birao misahana ny toetr’andro ny 13 Febroary mikasika ny rivo-mahery tatsimo voalohany “haru-ichiban” tamin’ity taona ity izay nanamarika ny fahatongavan’ny lohataona tamin’ny fomba ofisialy, dia betsaka ireo mpitoraka blaogy no mijery ny amim-pahatahorana ny fiantombohan’ny andron’ny Kafunsho.
Ohatra itovizana ohatra ny bolongna nataon’i eternal_name:
Ity indray ve ny andron’ny taona – ilay vanim-potoana mampalahelo indrindra ho ahy eo amin’ny taona – ny vanim-potoanan'ny kafunsho? Ny maso na ny orona fotsiny no voan’ny aretina ho an’ny olona sasany, fa ny ahy kosa dia izy roa mihintsy no voa daholo ary tena marary tokoa izany. Tsy maintsy mandeha mivoaka mitady ranom-panafody atete amin’ny maso, aro-tava, fanafody, ronono mandry (yaourt) ny tenako.
Mitaraina i Mizuka Yukizawa, mpianatra mikarakara fanadinana hidirana eny amin’ny anjerimanontolo:
Efa manidina eny rehetra eny ny vovom-bony….Raha ho ratsy ity amin’ny andron’ny fanadianan dia hitomany aho, sniff… Manantena aho fa handray fepetra ny anjerimanontolo manoloana ny kafunsho. tsy ny fijaliana avy amin’ny kafunsho  no ho tombotsoa eo amin’izao tontolo izao…
Malahelo I SOW fa manaiky fotsiny ihany araka ny filazany:
Toy ny roa taona lasa izay, rehefa mivoaka any ivelany aho mandritra ity fotoana ity dia lasa manjavona ny masoko. Nitranga indray izay tamin’ity taona ity, nefa vao andro iray monja no nanomboka nanidina ireo vovom-bony. Tsy tao an-tsaiko mihintsy izy ity satria tsy niezaka niheritreritra ny momba izany aho, kanefa androany dia azo lazaina fa kafunsho ity.
Manontany teny ihany I Chiro Mama fa sao dia tratran’ny kafunsho ny alikany. Manazava ny lojika  izay entin’ny finoanoam-poana mahery avy amin’ny yaorta (yaourt) I Yumeyume. Mampahafantatra ny fiasan’ny fanafody  ezahana sy am-panantenaina  I Usabuta.
Japana: Tanora Masina, Jesoa sy Boddha nidina an-tany
Ahoana moa raha midina ety an-tany i Jesoa sy i Boddha mba hitsangatsangana faran'ny herinandro? ary ahoana moa raha miara-mipetraka amina efitrano mora vidy any Tachikawa andrefan'i Tokyo izy ireo? izany no eritreretin'i Hikaru Nakamura (中村光) [jp], tanora Japoney mpanoratra manga, raha miaraka amin'ireo  Oniisan Masina (聖☆おにいさん [jp], dika mivantana ny Tanora Masina) izy, manga (tantara an-tsary japoney)  mivoaka isam-bolana Maraina 2 (モーニング２) tamin'ny 2007 izay lasa be mpividy tokoa olana vitsivitsy lasa izay rehefa natambatra ho boky iray ny fizarana roa voalohany tamin'ny herintaona.
Ny fonon'ny Tanora Masina, vol.1
Maro ny mpamaham-bolongana mankafy ny hatsikana mifandraika amin'ireo singam-pivavahana amin'ireo mpankasitraka ny asa soratra manga an'i Nakamura. Ary maro ihany koa, tahaka an'i miyu (izay mpamaham-bolongana) no nanasongadina fa tena nosainina tokoa ireny kibokibo ireny.
ブッダとイエスが、バカンスに下界へ降りてごく普通に生活するという話。
お金に細かいブッダ。
衝動買いするイエス。[…]
Tantaran'i Bobbha sy Jesoa, nidina teto an-tany, izy ity, mba handany ny faran'ny herinandro eto an-tany ka hiaina anaty fiainana tsotra.
Boddha tena miavaka amin'ny resaka vola.
Jesoa sy ny fandaniam-bolany hividy, hividy hatrany. […]
d
感想は、
『やっぱ読んでよかった～♪♪♪』
[…]、ブッダやイエスがTシャツにジーパンってだけで笑えるもんね。
２巻の表紙のイエスかっこいいし。笑[…]
この漫画描くの大変そうだなぁ。
ネタがいちいちおもしろいから、よく考え付くなぁと感心しながら読んでいます♪
Ny hevitro manokana?
“tena faly tokoa aho namaky azy ity”
[…] Na dia ny mahita an'i Boddha sy Jesoa manao t-shirt sy blue jean aza dia efa mampihomehy e!
Ary tena mahafinaritra tokoa ny mahita an'i Jesoa tamin'ny fonon'ny boky faharoa. […]
Tena sarotra anefa ny mandoko (manoritra) karazana tantara tahaka itony.
mampihomehy avokoa ny hatsikana rehetra, tena nahatalanjona ahy ny namaky [ny manga] sy ny fomba nanaovany ny tantara.
Tahaka izany ihany koa ny tenin'i Chihaya_K_Amou momba ny haavo lentan'ny tantara nanapa-tsinay ny mpamaky:
すごく笑いました！
ギャグとしても笑えるのですが、ネタがわかると何倍も面白い！
キリスト教ネタも仏教ネタもわかるともう最高に面白いです。
こういうマンガは日本人でないと描けないでしょうね。
そして、こういうマンガを心から楽しく読めるのも日本人でないと無理かなーと。
日本人に生まれてよかったよ、自分。
個人的に。
自分の近所にこういうおにいさんたちが住んでいたらぜひお友達になりたいね！（笑）
Tena nitokelaka tokoa aho!
Maharavo tokoa ny hatsikana tsirairay avy, fa raha mahalala ny momba ny fivavahana ianao dia mbola avy folo heny noho izay mampihomehy ny olona ny hehinao! Ary tena hihomehy hatrany ianao raha hainao avokoa ny hatsikana kristiana sy boddhista rehetra.
Ny Japoney ihany moa no afaka manoratra manga tahaka izao? Ary dia mieritreritra aho raha ny Japoneyihany no afaka mankafy ity manga ity.
Faly aho fa teraka Japoney.
Izaho manokana aloha, raha misy olona tahaka an-dry zalahy ireo monina ety amin'ny manodidina ahy aty dia karohiko mihitsy ny fomba ahazoako manao azy ireo ho namany e!
Sehatra iray ay ao amin'ilay manga.
Araka ny voalaza nandritra ny resadresaka nioaka tao amin'ny Jump Square magazine [ja], dia nahaliaina an'i Nakamura hatry ny ela ny sarisary (icone) Kristiana, fa tsy mpino na manam-pahaizana momba ny fivavahana izy na dia izany aza. Hany ka rehefa nitsiry tao aminy ny hevitra dia tsy nanadihady lalina intsony izy fandrao sarotra azon'ny olona loatra ny resaka. Niniana natao mivantambatana sy tsotra ny hatsikana,  mora azo ary mampihomehy ny rehetra. Saingy, indrisy, misy ihany koa ny mpamaky tahaka an'i “fanahy mazava” sy Monamona no tsy mitovy hevitra amin'ireo mpamakafaka (critics) mankasitraka ny Tanora Masina.
聖おにいさん評判が高いので買ってみました。
イエスと仏陀が現代に降臨して共同生活ってのは面白い設定です。
でも筆者にはいくらでも面白くなるこの設定を活かすだけの教養がない。
せめて聖書や日本語訳のお経くらいでも読めばいくらでもネタは転がっているだろうに、それさえしてない感じ。
一番ひどいのは神社と寺の区別がついてない（二巻）あたり。
編集者も気付けよ。
こんなレベルで「このマンガがスゴイ」のトップになってしまうあたり
審査員のレベルの低さも推して知るべし。
ネットの評判だけで楽しみにしてただけにホントがっかりという感想です。
Niezaka nividy ny “Tanora Masina” aho fa tsara, hono, izy izao.
Ary dia mahaliana tokoa aloha ny endrikendrik'ilay izy, Jesoa sy Boddha nidina mankaty amin'ny tontolo ankehitriny sy miara-miaina.
Saingy tsy manana fahalalana ampy ny mpanoratra hahatonga azy ireo ho toy ny miaina.
Na dia mamaky Baiboly sy ny dikantsoratry ny Sutras [mazava izany] fotsiny aza dia efa mety hahitan-javatra azo anaovana hatsikana ao, fa tsy ahitana ireny mihitsy ao amin'ilay manga.
Ary ny tena loza raha nojerena ny boky faharoa dia tsy hainy akory ny manavaka ny  jinja [tempoly shintoista ] sy ny tera [tempoly boddhista].
Ry mpamoaka ny boky ô, saino izany!
Ary ny tena marina dia raisiko ny andraikitra fa ambany dia ambany koa ny haavom-pandalinan'ny mpamakafaka (critics) mametraka ny laharan'ity “manga milay” ity ho any amin'ny faratampon'ny filaharana.
Mba niandry ny fivoahan'ny manga tamin'ny aterineto aho saingy diso fanantenana ny amin'izay aloha.
Faraparany teo dia heverin'i yamada fa vokatry ny fampifangaroam-pivavahana nahazatra an'i Japana hatry ny fahagola no nahatafavoaka an'ity manga maneho olona malaza amin'ny fivavahana roa atao fampihomehezana ity.
肝心の内容の感想はというとおもしろい！！の一言です。ひさしぶりにギャグマンガで大笑いした気がします。
特に個人的にお気に入りはイエスがプールの中でモーゼのようになる！というシーンです。
あそこ以外にもおおむね宗教ギャグ関係は笑えました。
Raha hilaza ny hevitro amin'ny teny iray momba ity manga ity aho dia tokony hoe: mampihomehy! efa izany  hatrany moa rehefa mitokelaka amina hatsikana manga aho.
Ho ahy manokana, ny tantara anankiray izay tena nankafiziko dia ilay Jesoa nidina tao amin'ny dobo filomanosana iny dia lasa tahaka an'i Mosesy avy eo!
ですが、一番気になるのはこの作品は日本独自のものなのだろうなぁということです。
正月にはお寺で除夜の鐘を聞き、その足で初詣に出かけ、クリスマスにはパーティーをするという宗教の雑多ぶりがこのマンガを生み出したんじゃないでしょうか？
とりあえずこれを真剣なキリスト教徒の方などに読んでもらって感想を聞きたいな～などと思った次第であります。
Na izany aza ny tena mahaliana ahy amin'ity tsangan'asa ity dia noho ilay vokatra vita Japoney.
Raha henonao ny fanenon'ny lakolosin'ny tempoly mandritra ny taombaovao, dia mandoa ny sara voalohany any an-tempoly mankalaza Krismasy, moa ve tsy izany fahazarana fangarom-pivavahana [Japoney] izany no niteraka ny manga?
Ny zavatra noeritreretiko voalohany indrindra dia izay mety ho hevitry ny mpino kristiana mafana fo raha mamaky azy ity ry zareo.
Scilla Alecci
Japan: Andro itsapana ny fahaizana teny japoney
Takeshi ao amin'ny Saigon kara kita tsuma [サイゴンから来た妻] no manoratra ny momba ny vadiny Vietnamana izay nitsapa ny fahaizany teny Japoney [en] [日本語能力試験, nihongoo nōryoku shiken] tontosaina androany tahaka ny ataon'ny olona anarivony isan-taona te-hahalala ny haavom-pahaizana teny Japoney. Teo ampahitana ny vadiny teo amin'ny vohikalam-pitsapam-pahaizana no nahatarika an'i  Takeshi-san hihetsi-po mahita ny hamaroan'ny vahiny — avy amin'ny vazantany efatra samy manana ny fiteniny azo eritreretina rehetra — nanapa-kevitra hanoka-tena hianatra ny teny Japoney.
oviana re no mba hisy tahaka izany koa ny an'ny teny Malagasy?
Japana: Fijery momba ny olan'ny Wall street
Niteraka sahoan-dresaka maro dia maro tany amin'ny tontolom-bolongana japoney noho ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny firenena sy ampita atsinanan'ny ranomasina misy azy ny olan'ny fihitsanam-bidy, ny fanentsenana ny fatiantoka ary ny fividianana taratasim-bola mifanaretsaka any amin'ny bankim-pandraharahana ao amin'ny Wall Street, izay mandrahona hiteraka fitotongan'ny toe-karena amerikana mety hipaka manerantany koa.
Michi Kaifu [海部美知] (fantatra any Japana amin'ny bolongany hoe Hairahan'Ineny avy any Silicon Valley) no manoratra ao amin'ny newsvine.com momba ny kirizyefa nitranga nialoha ity ao amin'ny Wall Street ity:
The demise of Lehman Brothers and Merrill Lynch reminded me of my home country Japan 10 years ago. Amid the post-real-estate-bubble mess, in 1997, Yamaichi Secirities, then one of the “Big Four” brokers in Japan, closed its doors. Long Term Credit Bank and Nippon Credit Bank wend under as well.
Mampahatsiahy ahy izay nitranga teto Japana 10 taona lasa izay ity fidabohan'ny Lehman Brothers sy Merrill Lynch ity. Tao anatin'ny fikorontanan-toe-karena, tamin'ny taona 1997, no nanakatom-baravarana ny Yamaichi Securities sy ny iray amin'ireo “mpanera efatra goavana” teto Japana. Nanaraka ny lalan'izay ireo ihany koa ny Long Term Credit Bank sy ny Nippon Credit Bank.
Naka ny lahatsoratra iray tao amin'ny Wall Street Journal izy hanadihadiany io toe-javatra efa nitranga taloha io, nanamarihany fa “tsy mbola tafiditra tao amin'ny fiainam-piaraha-monina Japoney akory ny miovaova asa (toerana iasana)” raha nipoaka ny balaonin'ny toe-karena Japoney 10 taona lasa izay:
In the end, many employees from those failed brokers and banks found jobs in other financial institutions. Some still had to go out and seek the opportunity in the new world. It is not an
official story, but I have my own theory that this “spill over” employment issue caused a chain reaction in the form of “mobile phone boom” and pushed Japan up to one of the most sophisticated mobile countries in the world.
Tamin'ny farany moa dia nahita asa tany amin'ny orinasam-pitantanam-bola hafa ihany ny mpiasa tany amin'ireny banky sy fanerana ara-bola bankirompitra ireny. Nisy ihany koa no niova taranja ka nitady izay azo atao any amin'ny tontolo vaovao. Tsy tantara ofisialy ity, fa misy ny nametraka hevitra fa iny “fihoarana ny molony” iny no niteraka ny “firoborobon'ny finday” ary nanosika an'i japana ho firenena manana ny raitra indrindra amin'ny resaka finday.
Mitovy fijery momba izany ao amin'ny “Leson'i Yamaichi“ ihany koa ny mpahay toe-karena sy mpamaham-bolongana Nobuo Ikeda [池田信夫] ao amin'ny Truth about Japan [marina momba an'i Japana]:
The tragedy of Lehman Brothers and the following jump of interbank rates remind me of a similar event in Japan eleven years ago. Yamaichi Shoken, one of the Big Four security brokers, filed to close business in November, 1997.
Mampahatsiahy ahy ny toe-javatra nitranga teto Japana 11 taona lasa izany ny fidabohan'i Lehman Brothers sy ny fiakarana midangan'ny zanabola tany amin'ny banky. Nametraka ny taratasy fikatonany ny Yamaichi Shoken iray amin'ny mpanera ara-bola goavana efatra, tamin'ny novambra 1997.
Nohazavain'i Ikeda ary fa avy amin'ny nahabankirompitra ny orinasa mpanera iray, Sanyo Shoken, no nampikatona ny Yamaichi Shoken [ja] [山一證券], niteraka tsy fahaloavam-bola nifampindramina teo amin'ny samy banky izany ka nampikoropaka sy nampianjera ny  Hokkaido Takushoku Bank sy ny Yamaichi:
The Ministry of Finance let Yamaichi fail because it was only a broker. However, Fuji Bank, the “main bank” of Yamaichi became the target of short selling, because Yamaichi's bankruptcy signaled the liquidity crisis of Fuji. Then overall credit crunch emerged, which forced the MoF to bailout 21 major banks in 1998. It was similar to that of AIG.
Navelan'ny minisiteran'ny vola hidaboka ny Yamaichi satria mpanera fotsiny io. Na izany aza dia kinendrin'ny fividianana tao anatin'ny fotoana fohy ny Fuji Bank, “Banky renin'i” Yamaichi satria manamarika ny tsy fahampiam-bola kirakiraina ao amin'ny Fuji ny nianjeran'Yamaichi. Nipatitaka amin'izay ny findramam-bola amin'ny ankapobeny ka nahatery ny Minisiteran'ny vola hanentsina ny fatiantoky ny banky lehibe 21 tamin'ny taona 1998. Mitovy amin'izany ihany koa no mitranga ao amin'ny AIG.
Ao amin'ny takelaka antsoina hoe “Ny raha antsoina hoe fitokisana” (信用というもの), no amalian'ny mpamaham-bolongana kitanotakeshi55 ny fanehoan-kevitra [ja] nataon'ny Minisitry ny toe-karena  Kaoru Yosano izay milaza fa toy ny tsindrona renintantely ihany ny fiantraikan'ny olana ara-pitantanam-bola (ハチが刺した程度):
結局、元大蔵省のエリート官僚達は予算を決めるのが自分たちの仕事だと信じているのです。予算を決めて、国債の発行額を決める。キャリアの官僚の仕事はそ こまでだ、というのです。流通がどうなろうと、実際の取引で何がどこでフェールしようと、それはキャリアの官僚の管轄外、という認識です。こういう人 （々）が今や国会議員で首相を目指している訳です。
Tamin'ny farany nino ny mpitana birao ambony avy ao amin'ny Minisiteran'ny fitantanam-bola fa misahana ny momba ny fandaniam-bola ny asany. Manapa-kevitra momba ny fandaniam-bola, manapaka ny amin'izay isan'ny taratasim-bola indraman'ny fanjakana amin'olo-tsotra. Izany no asa sahanin'ny mpitana birao matihanina. Tsy takatry ny sain'ny mpitana birao kosa ny mieritreritra amin'izay mety hitranga mandritra ny fivezivezen'ny vola. karazan'olona tahaka izany ankehitriny no manao fivoriam-pirenena mikendry ny ho Praiminisitra.
(Nomarihin'i kitanotakeshi55 moa eto fa tsy teraka hisahana raharaham-birao izany i Yosano na dia mampanombatombana ho amin'izany aza ny fomba fanoratry Yosano ao amin'ny takelaka, ary tsy izay ihany koa no kendren'ny mpamaham-bolongana avoaka.)
Nanohy nanao fampitahana tamina raharaham-bary lò moa i kitanotakeshi55:
国民の皆さん、特に港区のみなさん、よく覚えておきましょうね。考えてみると検査さえすれば実際の流通の現場がどうなってるかなんて関知しないよ、と言っている事故米と全く同じ構図ですね。こういうものなのですよ、実態は。
Manao aza fady ry olom-pirenena, indrindra ianareo any amin'ny vazantanin'i Minato, ataovy ao an-tsaina indrindra izao. Fa raha mieritreritra momba ity ianareo dia mitovy tanteraka tamin'ny raharaham-bary lò izy ity, izay nieritreretan'ny maro fa nisy hatrany ny fanaraha-maso ka tsy
misy intsony ny tokony hiahiahiana ny entana efa mivezivezy hamidy. Toy izany indrindra ity.
Nanoratra ny nampahasarotra kokoa ny resaka fifampiraharahana ara-bola amin'ny ankapobeny ny mpamaham-bolongana nutrocker:
汚染米ではないが、信用度の低い住宅ローン債権を、見てくれの良い金融商品に変え、金融取引を可能にさせたのが、いわゆる金融工学なる学問が生みだした錬 金術である。伝統的な金融取引の場合、お金（資金）の借り手と貸し手との関係は明確で、個別にリスク管理ができる。金融工学はこのような単純な仕組みを見 えなくしてしまった。数学的、統計的な手法を用いて、新たな金融マーケットを生みだした。実体経済を伴わない金融商品が多数作り出されることになった。そ こに金の亡者どもが群がり、これぞ新しい金融経済だとばかりに、国の財務担当者までが一斉になびいてしまった。
Tsy resaka vary lò izy ity, fa alshimia (raikipohim-pahagagana) nitsangana avy amin'ny fianarana ny antsoina hoe injenioràn'ny fitantanam-bola, fomba famadihana ny findramambolan'ny fanorenan-trano (sub-prime) ho lasa vokatra mitera-bola, manao izay hahazoana vola amin'ny fomba azo atao rehetra. Eo amin'ny sehatry ny fifanarahana ara-bola, mazava tsara ny vola kirakiraina ifandraisan'ny mpampindrana sy ny mpindram-bola, ary azo atao tsara ny mitsinjo ny vola mety tsy ho tafaverina rehefa mijery ny dosie tsirairay. Nataon'ny fahaizana avolentan'ny fitantanam-bola ho tsy azo tanterahina intsony anefa izay fahazarana tsotra dia tsotra izay. Ary dia teraka ny  tsenam-bola vaovao nampitafy ny hairahan'ny matematika sy ny antontanisa. Tsy voaisa intsony ny zanabola isankarazany niforona ivelan'ny asa ara-toe-karena tena izy (manara-enitra). Nivangongo tao amin'izay ny mpivaro-bola sy ireo tompon'andraikitra ara-pitantanam-bola efa niantsoantso fa io no fomba fitantanam-bola vaovao.
Ny mpamaham-bolongana Jei ao amin'ny The Diary After Retirement no manahy amin'ny fironan'ny “borderless investment” (fiharian-karena tsy misy sisintany):
あえて信用度の低いところを狙った金融というのは，理解しがたい。しかし，それを証券化することによって（お金でもないのに紙に書いた数字の羅列で）商売 をすることができるというのが，アメリカ市場主義の恐ろしいところだと思う。結局リーマンブラザーズは「サブプライムローンが焦げ付き」→「他の証券会社 より多くの投資をしていたため巨額の損失」を被ったということだろう。それがリーマンブラザーズ一社の破綻で終わらないところが恐ろしい。いまや世界の経 済は，こうした投資がボーダレスにつながっていて，それこそ全世界の株価にはねあがってくるのだから恐ろしい。
Sarotra dia sarotra ho ahy ny mahazo resaka amin'ny hoe fitantanam-bola mikendry faritra iray tiany ho azo nefa ambany ny sanda itokisany azy. Na izany aza dia endrika mampatahotra amin'ny toe-karena mampiavaka ny tsena amerikana ny raharaham-barotra miankina amin'ny fitantanam-bola tahaka izao (fampiasana ny sorabola ambony taratasy, tsy misy vola kirakiraina anefa). Azo tarafina ihany fa nafenin'ny Lehman Brothers ny anton'ny ifandraisan'ny “fampindramam-bola hananganan-trano lasa trosa tsy misy antoka - ho tsy voaefa - (subprime loans being bad debt)” sy ny vokatry ny “ fahaverezana goavana noho ny fitadiavana handany vola bebe kokoa hihariana harena mihoatra noho ny orinasa azo antoka”. Ny marina dia hampihovitrovitra mihitsy raha tsy ho tapitra miaraka amin'ny nahabankirompitra an'i Lehman Brothers ity raharaha ity. Efa mifandray mihoatra sisintany ankehitriny ny toe-karenan'izao tontolo izao, izay no mampitsambikimbikina ny tsena, ary izay no tena mampangovitra.
Ao amin'ny gatto libero, ny mpamaham-bolongana iray no manoratra fa mihamanjombona sy mampahonena izao tontolo izao tao ho ao:
ただでさえ温暖化、ゲリラ豪雨、食安全問題とかいろいろふあんなところにもってきて
サブプライム問題以降いつ大恐慌が起きてもおかしくない状態、
おまけに福岡や千葉で子供が殺される事件が起きて、
不安だらけで希望があまりもてない世界になってきたなあと思います。
あんまり暗いことばかり考えたくないけどね…
Amin'izao fiahiahiana maro mianjady amintsika ankehitriny izao, miainga amin'ny fiakaran'ny hafanana amin'ny ankapobeny izany, ny orana mpandrava efa, ny adihevitra momba ny fitandremana ara-tsakafo, dia tsy hahagaga loatra taorian'ity fampindramam-bola[tsy voahevitra tsara] hananganan-trano ity raha tratran'ny fitotonganana goavana isika. Fanampin'izany ny tranga momba ireo ankizy roa nisy namono tany Fukuoka sy tany Chiba ary tahaka ny tsapako fa mitady ho lasa toerana mampandry tsirangaranga tsy misy fanantenana ity izao tontolo izao ity.
Tsy hoe te-hieritreritra zavatra mampahonena fotsiny aho saingy…
Ny mpamaham-bolongana kawaii123, kosa indray eto ampamaranana, no manolo-kevitra fa ny kapitalisma mihitsy no efa misaratsaraka:
今の資本主義自体が行き詰っているというこのなのでしょうか？
日本のマスコミは、都合のいいニュースしか放送しませんが、本当に役に立つ情報は
やはり、自分で見つけるしかないのかもしれなせんね。
中南米諸国では、ますます反米、嫌米主義が激しくなってきています。
それは、アメリカという国の力が衰えてきている証拠でしょう。今回のサブプライムで
完全にアメリカのドルの価値は下がり、どの貨幣が力をつけてくるのか注目されます。
ヨーロッパが、ユーロを共通の通貨にしたのは、やはり、先を読んでいた結果です。
日本もアジア圏で、円の力をつけようとしましたが、アメリカの横槍で潰された経緯が
あります。
Moa ve midika izao fa efa miahotrahotra ankehitriny ny kapitalisma?
Mitatitra ny vaovao rehetra tiany taterina ny haino aman-jery Japoney, fa rehefa te-hahalala ny vaovao tena ilainao ianao dia tsy misy tsara noho ny ianao ihany no mandeha mizaha izay tadiavinao. Mihamahazo vahana ny fankahalana an'i Etazonia sy ny fomba fiainany any Amerika afovoany sy atsimo.Manombana aho fa izany no porofon'ny fihenankerin'i Etazonia (solanga mihajoko hery) amin'ny mahafirenena azy. Vokatry ny olana mitranga tamin'ny fampindramam-bola hananganan-trano [tsy voahevitra] (subprime) no nampilatsaka ny dôlara amerikana, ary iadian-kevitra ankehitriny ny vola matanjaka hafa hampivadika ny rasa. Efa mikambana ao amin'ny vola Euro ho vola iraisany i Eoropa satria efa nitsinjo mialoha izy. Efa nisy ihany koa ny fiezahan'i Japan sy ny firenena aziatika hafa hifikitra amin'ny yen, saingy nosembanin'ny fidiran'ny Amerikana an-tsehatra izany.
Raha hijery fomba fijery hafa mahaliana ianao dia andramo jerena ity lahatsoratra ao amin'ny My Image Ltd. nosoratan'ny mpamaham-bolongana Waki[teny japoney], izay nahita ny fifandraisan'ny fahamoran'ny fampiasana ny iPhone sy ny fidabohan'ny banky fiharian-karena ao amin'ny Wall Street.
Japana: Namoaka DVD ilay mpanao politika Yuri Fujikawa
Ny hivoahan'ny [ja] DVD mampivoitra ilay mpanao politika japoney 27 taona Japanese Yuri Fujikawa [藤川 優里], mpikambana ao amin'ny antenimieran'ny tanànan'i Hachinohe [八戸市] ao amin'ny Pirefekitioran'i Aomori [青森県], izao no ambentin-dresaky ny dinika (forum) rehetra [ja]. Raha hitamberina ny nidirany tamin'ny asany voalohany tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nantsoina hoe “mahafatifaty loatra” i Fujikawa [ja], nefa nambarany ombieny ombieny[ja] tamin'izany fotoana izany fa tsy mieritreritra velively no ho tarento izy.[ny tarento any Japana dia olona aseho tele matetika noho ny hatsaratarehiny sy ny bikany mba hisintonana mpijery sy hampiala voly ihany koa]
Japana: ny bika tsy mahasalaman'ny “Oliravina”
Mpamaham-bolongana Japoney Miyakichi ao amin'ny Miyakichi Nikki no mamelabelatra hoe nahoana moa no tsy mahasoa (tsy mifanaraka amin'ny fahasalamana velively) ny bika asehon'ireo mpilatro mahafatifaty manerantany amin'izao fotoana izao ireo [ja], izay mametraka ny safidy ho an'ireo hatsatra tarehy, 40cm ny  (manodidina ny) valahiny ary ny fanaovana kiraro avo voditongotra raha jerena ny tantaran'i Eoropa, Amerika ary Shina ary mampifandray izany amin'ny fomba maoderina any Japana.