· Marsa, 2011

Below are posts about citizen media in Japanese. Don't miss Global Voices 日本語, where Global Voices posts are translated into Japanese! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Japoney tamin'ny Marsa, 2011

Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka

  29 Marsa 2011

Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.

Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny

  25 Marsa 2011

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro ny mombamomba azy: 現在、宮城県女川町で見てきた範囲のみの情報をツイートをしています。※ツイート履歴を確認してください。※ 不安なのはとてもわかるのですが、私が見た範囲でしかわかりません。通ってない地区や個人の安否等はわかりません。車で第一保育所まで行き、総合体育館まで瓦礫の中を歩いて家族を迎えに行っただけです。 http://twitpic.com/photos/kombu_s Mandefa tweets momba ny zavatra hitako tany Onagawa aho izao, any amin'ny prefektioran'i Miyagi. Mba...

Japana: Tetikasa ara-kolontsaina ho fiaraha-mientana noho ny horohorontany

  23 Marsa 2011

Tetikasa ara-kolontsaina miisa telo mifandray no nivoitra vokatry ny fahasimbana naterak'ilay horohoron-tany sy ny tsunami (tondra-drano mahery vaika) izay nianjady ny faritry ny morondrano avaratr'i Japana tamin'ny zoma farany teo dia ny 11 Martsa, taona 2011 izany. Nanporisika ny olona izy ireo teo amin'ny asa ara-kolontsaina sy teo amin'ny famoronana sy fizarana sary famantarana entina hanampiana ireo niharam-boina.

Japana: Mihevitra ny Anton'ny Fiainana

  20 Marsa 2011

Navoakan'ny mpaham-bolongana maro izay mihevitra fa izany no tsara atao indrindra amin'izao fotoana izao ny poezia malazan'ilay Poeta Shuntaro Tanikawa "Miaina", izay mandalina ny dikan'ny fiainana.

Japana: Mikisaka any atsimo ny horohorontany? Matahotra i Kansai

  19 Marsa 2011

Anisan'ireo lahatsoratra manokana mikasika ny horohorontany tany Japana 2011 ity lahatsoratra ity. Andro vitsivitsy aty aorian'ny horohorontany goavana namely ny faritra avaratra andrefan'i Japana dia mbola mitohy mihetsika hatrany ny tany any amin'ireo faritra hafa ao amin'ny nosy Honshu. Raha jerena indray mitopi-maso ny Yomiuri Shimbun momba ny vaovaon'ny horohorontany...

Japana: Lahatsary Avy Amin'olon-tsotra Momba ilay Horohorontany

  17 Marsa 2011

Mendri-piderana ny fikirizan'ny olona hilanja fandraketan-tsary sy haka lahatsary na dia be aza ny tsindry mahazo azy ireo eny an-kianja eny noho ny fihetsehan'ny tany itsahana. Lahatsary avy amin'olon-tsotra noraketina tamin'ny Zoma 11 Martsa nandritra ilay horohorontany sy tsunami nadravarava toerana maro tao Japana izao no mameno ny Youtube. Anatin'ireo maro ifampizarana any anaty aterineto, indreto misy vitsivitsy.

Japana: “Izay indray ilay feo”

  17 Marsa 2011

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana  ny Horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity. Ny feo mahazatra amin'ny rafitra fanairana alohan'ny  horohorontany any Japana (緊急地震速報 Kinkyū Jishin Sokuhō) dia lasa miraikitra any an-dohan'ny mponina noho ny fandefasana izany matetika ao amin'ny fahitalavitra sy ireo fanairana any amin'ny finday, satria mbola mitohy ireo horohorontany madinidinika mandritra...

Ireo pejinay momba an i Japoney

jp