Tantara misongadina momba ny Italiana
Japan: Fisintahan'ny mpizahatany Japoney an'Italia
Lazaina fa nihena ny isan'ny mpizahatany Japoney nandalo an'i Roma faramparany teo. Tsy noho ny krizy ekonomika ihany fa eo ihany koa ny tolotra ratsy ataon'ny trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny italiana ary ny tahotra ho voaendaka valizy sy finday nahatonga ny Japoney hisafidy toeran-kafa voaary kokoa.
Vao herinandro vitsivitsy izay no ...
Palestina: Atao vaovao izahay aty Gaza nefa tsy mahita tele akory
Omaly (06 janoary) dia nodarofan'ny Isreliana baomba ny sekoly iray an'ny ONU (Firenena Mikambana) izay ampiasaina hipetrahan'ireo mpitsoam-ponenana ao Jabaliya ka nahafatesana olona 40 eo ho eo. Androany dia nampiato ny fanafihany nandritra ny ora 3 teo ho eo ry zareo Israeliana mba hahafahan'ny fanampiana miditra ao Gaza. Afaka jerena ...
2009-01-23
Palestina : “Any Gaza, ny maty ihany no nahita ny fiafaran'ity ady ity”
Nahita ny fahalebiazan'ny fahapotehan'i Gaza ireo mponina taorian'ny 3 herinandro nanafihan'ny Israeliana ny tanàna, ary efa manomboka mamerina ny fiainany andavanandro tsikelikely. Ireo mpitoraka bilaogy sasantsasany no manahy ny amin'ny fahasimbana ara-tsaina sy ara-po. Misy ny manontany hoe : "Inona no valisoa ho an'izay afa-mitsangana ka mandeha indray?"
Sharyn Lock, Aostraliana ...




