Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Hindi

Tahiry Sokajinteny · 11 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika ny Hindi

05 Aogositra 2012

Tohin'ny lahatsoratra

Makedonia: Topi-maso Ho An'ny Fankalazàna Iraisam-pirenena Ny Tononkalo Fanao Efa Am-polotaonany

Ilay Portiogey mpamokatra sarimihetsika André Soares dia namoaka lahatsary fanadihadiana fohy momba ny Harivan'ny Tononkalo any Struga, hetsika iraisam-pirenena ho an'ny tononkalo izay tanterahana any Makedonia nanomboka tamin'ny 1962.

12 Avrily 2012

Tohin'ny lahatsoratra

India: Ozinina Tsy Ara-Dalàna Mikirakira Asfalta Miteraka Homamiadana Amin'ny Mponina

Nampahafantatra ny olana atrehin'ny tanàna kely iray ao Rajasthana ny tetikasa Video Volunteers’ India Unheard (Lahatsarin'ny mpilatsaka an-tsitrapo mampiseho an'i India Tsy Fandre), orinasa tsy ara-dalàna maromaro mpamokatra asfalta no mandoto ny tanàna ka niteraka olana ara-pisefoana eo amin'ny 10%-n'ny mponina, ary niteraka fahavoazana teo amin'ny fambolena ihany koa. Sunita Kasera, monina...

05 Avrily 2012

Tohin'ny lahatsoratra

Lahatsary: Fandripaham-behivavy Sy Kilongavavy Any Shina Sy India

Eo amin'i India sy i Shina, 200.000.000 ny isan'ny zazavavy “manjavona” noho ny fanalan-jazarano vavy na noho ny fandaozana sy famonoana kilongavavy. Maro ny lahatsarim-panadihadiana na vaovao mitatitra ity tranga ity, miezaka ny hanazava ny anton'ny fanavakavahana ara-pananahana ity ary mitady ny zavatra azo atao momba azy ity. Amin'ny ”Voambolana telo...

28 Marsa 2012

Tohin'ny lahatsoratra

India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra

Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.

05 Novambra 2011

Tohin'ny lahatsoratra

Azia Atsimo: Mankalaza ny Zazakely Faha-7 Miliara

Tamin'ny 31 Oktobra 2011, nandray ny zazakely vao teraka  antsoina hoe Oishi ny planeta. Nampitondraina hafatra manokana ny Fahaterahany tao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka -” izy no zaza faha-7 miliara eto an-tany.” Editor.net nitatitra ity: Eto Dhaka ny zazakely faha-7 miliara. Mohsin Hossain sy Tonni Hossain no ray aman-dreniny izay nahazo fahasoavana....

17 Oktobra 2011

Tohin'ny lahatsoratra

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Sakafo: Ny Fiainana Anaty Hanoanana

Araka ny Banky Iraisam-pirenena, manakaiky ny 1 lavitrisa ny olona mandry fotsy maneran-tany, ary hampitombo izany isa izany ny fiakaran'ny vidin-tsakafo. Androany, Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Sakafo, hijery manokana ireny fiankaviana matin-kanoanana ireny isika ary hihaino ny tantarany.

26 Avrily 2011

Tohin'ny lahatsoratra

India: Ny Fandrisihana ny Vehivavy sy ny Lahatsary am-Bilaogy

Women Aloud Videoblogging for Empowerment (WAVE) dia sehatra iray sy fandaharanasa handrisihana ireo vehivavy any amin'ny faritra manodidina ny renivohitra any India hanehoan'izy ireo ny heviny anaty lahatsary eo amin'ny aterineto mikasika ireo lohahevitra mahakasika azy.

13 Desambra 2010

India: Andro iray ahafahan'ireo vehivavy milalao sy mandihy

India Unheard dia mampiseho antsika fankalazàna roa samihafa avy amin'ny faritra samihafa manerana ny firenena izay ahafahan'ireo vehivavy manambady avy amina vondrom-piarahamonina ara-poko, mandritra ny iray andro monja, mifaly havanja sy mandihy imasom-bahoaka tsy misy sakantsakana.

17 Febroary 2010

Tohin'ny lahatsoratra

My name is Khan – Politikan-kolontsaina any India

Sarin'afisy hita ao amin'ny Wikipedia Tsy miresaka momba ilay sarimihetsika avoakan'i Bollywood hoe ‘My Name is Khan‘ [Khan no anarako], fa miresaka ny fahazoana azy kosa any India sy any Etazonia sy ny anton'izany. Ny topimaso ao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny bolongana miteny Hindi no ahitana fa misy zavamisy...

19 Febroary 2009

Tohin'ny lahatsoratra

India: Mahatohitra ny atin'akanjo mavokely

Any amin'ny toerana sasan'i India, mety ho ratsy ho an'ny vehivavy sy ny fiandrianan'ny mpivady ny fankalazana ny fetin'ny mpifankatia (St Valentin), araka ny lalana amin'ny fifehezan-tena dia manapaka fa ho enjehina ireo mpivady sy vehivavy izay mifampitantana na eny amin'ny toeram-pisotroana zava-pisotro.

Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny