Below are posts about citizen media in Hebrew. Don't miss Global Voices בעברית, where Global Voices posts are translated into Hebrew! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Hebreo

Notsenain'ny Polisy Tao Jerosalema Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana “Rariny Sosialy Israeliana “

Hetsi-panoherana iray nokarakarainà fikambanana telo samy sampana ao amin'ilay hetsika "Israeli social justice (#j14)" - Rariny Sosialy Israeliana - no niseho tao Jerosalema ny alin'ny Sabotsy teo (June 8). Nitaky ny hiverenana amin' ilay fanapahan-kevitra hanondranana Entona natoraly avy ao Israely izay tsy ahazoana afa-tsy 12.5% amin'ny haba ihany no hiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nitsipaka ilay tetibolan'ny governemanta vaovao koa ireo mpanao hetsi-panoherana, tetibola heverina izay mikasa ny hampiakatra bebe kokoa ny hetra alaina amin'ireo sarangan'olona ambany sy salantsalany, ary mifanindran-dàlana amin'izay ny fampihenana ny vola ho an'ny foto-drafitrasa ho an'ny daholobe izay tena iankinan'ny fiainan'ireo sarangan'olona ireo. Ambony dia ambony ny tahan'ny herisetra nitsenan'ireo polisy ilay hetsika, na dia nilamina sy vitsy mpandray anjara (an-jatony kely teo ireo mpanao hetsi-panoherana) aza ilay izy.

Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely

Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra.

Israeliana Maneho Hevitra Amin'ny Fisintahan'i Barak Tsy Hanao Politika Intsony

Fanambaràna nahazendana no nisy nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Israeliana, Ehud Barak, izay nitàna ny toeran'ny Praiminisitra tao Israely teo aloha (1999-2001) sy Filoha mpitarika ny IDF (1991-1995), tamin'ny nilazàny ny faniriany hisintaka ny sehatra politika ka hanokana betsaka amin'ny fotoanany ho an'ny fianakaviany. Naneho hevitra tamin'io fisintahany io ireo Israeliana mpiserasera anaty aterineto.

Manohitra Ny Ady Miaramila Atao Ao Gaza ny Isiraeliana

Nanentana ireo Isiraeliana an-jatony ny vondrona Facebook omaly mba ho tonga hanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Tel Aviv, Habima. Niantso ireo vahoaka ny vondrona mba “Hanohitra ny ady noho ny fifidianana! Handà ny ho faty na hovonoina noho ny antony ara-politika.” Nanomboka tamin'ny 14 Novambra teo ny fifampitifirana teo amin'i Hamas sy...

Isiraely: “Mahatsiaro Toy Ny Anaty Faritra An'ady i Ashdod “

Tamin'ny 10 Novambra, nitifitra balafomanga tsy midaroka fiara mifono vy (anti-tank) tamin'ireo miaramila Isiraeliana mpanao fisafoana i Gaza tao amin'ny faritra Isiraeliana, ao amin'ny sisintanin'i Gaza sy Isiraely, ka naharatràna olona efatra. Novalian'i Isiraely tamin'ny alalan'ny tifitra an'habakabaka izany tao Gaza; ary avy eo novalian'ireo antoko miaramila sy ny Hamas...

Mankalaza ny Faharesen'i Romney Ny Mpiserasera Isiraelianina

  10 Novambra 2012

anaraka akaiky ny fifidianana tany Etazonia ny mpiserasera Isiraelianina, maro tamin'izy ireo no niari-tory mandra-maraina hahitany hoe iza tamin'ny kandidà no nahahoatra ny isan'ny mpifidy lehibe 270 nilaina. Maro an'isa ny Isiraeliana ao amin'ny tambajotra an-tserasera sy ny tontolon'ny bilaogy no manana fironana ankavia ka manantena indray ny hahavoafidy an'i Obama

Israely: Nikambana ny Antoko Ankavanana Mba Hanome Bibirman

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook sy Twiiter ny Israeliana manoloana ny fanambarana fa hanao biletam-pifidianana mitovy ireo antoko roa ankavanana lehibe mavesa-danja amin'ny fifidianana hoavy amin'ny Janoary 2013. Mikasa handrombaka ny governemanta manaraka ao Israely ny antoko, Likud, tarihin'ny Praiminisitra Binyamin (Bibi) Netanyahu, sy ny Antoko Yisrael Beyetenu tarihin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny...

Bus Mpizaha tany Isiraeliana Voatafika Tany Bolgaria

Farafahakeliny fito no maty tamin'ny fanafihana tanora Isiraeliana tao amin'ny bus ho an'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Burgus tao Bolgaria. Milaza ny tatitra fa nataona mpitondra baomba manao vivery ny ainy ny fanafihana, izay na teo akaikin'ny bus na tafiditra tao anaty bus. Araka an'i  nrg, nijoro teo anoloan'ny bus...

Ireo pejinay momba an i Hebreo

he