The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Grika Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Grika

2009-10-27

Lahatsoratra Grika momba ny Blog Action Day ‘09

Ny tanjon'ny Blog Action Day amin'ity taona ity dia ny hanairana ny fahatsiarovan-tena momba ny fiovaovan'ny toetr'andro. Maherin'ny 150 no mpitoraka blaogy Grika nanoratra anarana handray anjara.

2009-02-26

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)

2009-02-19

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.