Tantara mikasika ny Alemàna
Manohana ny Lalàna Mandràra ny Fanalan-jaza Ny Mpanao Lalàna Poloney, Lalàna Lazain'ny Mpitsikera Fa “Afobe Ho An'ny Vehivavy”
Mitohy ny hetsika "Fihetsiketsehana Mainty" ao Polonina, izay manohitra ny volavolan-dalàna mandrara ny fanalan-jaza ary mety hampiditra am-ponja ny vehivavy manala zaza sy ny dokotera manatontosa ny fanalan-jaza.
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria
Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.
Mampahafantatra Ireo Ankizy Alemàna Ny Tantara Marin'ireo Syriana Mpitsoa-ponenana Ny Boky Iray Ho An'Ankizy
Naharay mpitsoa-ponenana maherin'ny 1 tapitrisa i Alemaina, ankizy avy any Syria ny ankamaroan'izy ireo.
Nasehon'ny Karatra Paositaly Fahiny Ny Tsiaron'ny Ady Lehibe Voalohany Tao Makedonia
Natao tanelanelan'ny taona 1914 ka hatramin'ny 1918, tsy ny fampisehoana ny endrika ara-miaramila ny ady ihany no hita amin'ny sary, fa asehony ihany koa ny toerana sy ny olona tafiditra ao anatin'ny ranomodiny.
Misy tokoa ve ny zavatra lazaina ho ‘Soatoavina Eoropeanina'?
"Tsy ho voavahan'ny loharanombola irery ihany ny fanamby ateraky ny fitanjozotran'olona mikaroka fandriampahalemana sy fiadanana any Eoropa."
Ny 9 novambra ao Alemaina : Andro hamakiana ny rindrina hita vatana sy ny rindrin'ny kolontsaina
1918, 1938, 1989 : andro manandanja eo amin'ny tantara alemana ny 9 novambra. Norombahin'ny PEGIDA avy amin'ny ankavanana tamin'ny fomba mampiady hevitra izany tamin'ity taona ity.
Mba Hahatsapàny Tsara Ny Manjo Ireo Mpitsoa-ponenana, Alemàna Mpanao Lalàna Mifanome Tànana Ao Anaty Sambo Fingotra Fanavotana Aina
Nikarakaràn'ny See Watch fotoana iray ireo parelmantera izay mitàna ny fahefana afaka manapaka momba izay ho tohin'ny fiainan'ireo mpitsoa-ponenana mitady fialofana ao Alemaina, hahatsapan'izy ireo hoe toy ny ahoana izany mitaingina sambokely tsy azo antoka izany.
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
Fampianarana Ambony hoan'ny Mpitsoa-ponenana Atsangan'ny Oniversite Antserasera Alemàna Iray
Afaka misoratra anarana tsy mila fanamarinana ny mombamomba na diplaoma ananana ny mpianatra, ary maimaimpoana tanteraka ny saram-pianarana. Tsy maintsy manamarina ny mombamomba azy kosa ireo mpianatra amin'ny fizarana diplaoma
Ny Tetikasa Heimkino (“home cinéma”) : Toerana Fandraisana Mpitsoa-ponenana Sady Fianarana Teny Alemàna
Ny fampiasana ireo lahatsary kely nalaina tamin'ny finday nentina nampianarana ny teny Alemàna tany amin'ireo toby fandraisana mpitsoa-ponenana no nitarika tamin'ny fananganana ny tetikasa Heimkino. Ny fandraisana araka ny tokony ho izy ireny mpitsoa-ponenana ireny no ivon'io tetikasa io.