Tantara mikasika ny Zeorziana

Mitandroka An'i Rosia ‘Lehibe’ i Georgia ‘Kely’ Miaraka Amin'ny Media Vaovao

  03 Aogositra 2012

Mampiasa ny fanoratana bilaogy mba hametrahana ny fahefana malefaka any Rosia i Zeorzia. Na dia mamoaka amin'ny teny Zeorziana aza ny ankamaroan'ireo bilaogy Zeorziana, dia misy ihany koa maromaro amin'ny Rosiana no mahay ny teny Zeorziana ao amin'ny sehatra fitorahana bilaogy malaza LiveJournal (LJ). Mampiasa tetikady voarindra aza ny governemanta Zeorziana amin'ny fanakaikezana ny vahoaka Rosiana amin'ny fampiasàna am-pahendrena ny media vaovao.

Zeorzia: Fifidianana Mpitondrateny Antenimiera Virtoaly

  27 Septambra 2011

Mialoha ny fifidianana Antenimiera hotontosaina any Zeorzia amin'ny Oktobra 2012 dia i David Bakradze, Filohan'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao, no mpikambana ao amin'ny antoko mitondra mavitrika indrindra ao amin'ny Facebook. Amin'ny fotoana anoratana dia manana “mpankasitraka” 27.526 ny pejy ofisialiny, izay ahitana ny sarin'ny fitsidihana, ny fivoriana nataony ary ny fiankaviany. Namoaka...

Zeorzia: Governemanta 2.0

Amin'ny fananana mpisera Facebook 621.640 ao amin'ny firenena, Zeorzia no tafiditra lalina indrindra amin'ity valantserasera ity eo amin'ny faritra. Miezaka ny hahazo ny olona an-tserasera ankehitriny ny sampandraharaham-panjakana sy ny manam-pahefana.

Zeorzia: Mpanao gazety voaroaka fa niteny fankahalana tao @ Facebook

  28 Marsa 2011

Ny 18 Marsa 2011 dia nandroaka ny roa tamin'ny mpanao gazetiny ny Fampielezam-peom-panjakana Zeorziana, dia i Giorgi Tukhareli sy i Giorgi Gabrichidze, noho ny teny fankahalana olona mitia mitovy fananahana aminy sy ny fankahalana an'i Vatikana sy ny Fiangonana Katolika, nosoratany tao amin'ny Facebook. Nisy fanamarihana nosoratan'ireo mpanao gazety ireo...

Ireo pejinay momba an i Zeorziana

ka