The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

French Sokajy ara-teny

RSS ho an ny French

2008-07-21

Sub-Saharan Africa

Théophile Kouamouo [amin'ny teny Frantsay] no mamitimpintina (tsindrio eto) lavalava ao amin'ny bolongany  ny boky mitondra ny lohateny hoe La Chinafrique: Pékin à la conquête du continent noir (na Shinafrika : Beinjing te-hambambo ny kaontinanta Mainty) nosoratan'i Serge Michel sy Michel Beuret, Boky miresaka ny  ataon'ny Shinoa eto Afrika. Hoy izy: “Tsy anjely nirahin'ny Andriamanitry ny fiaraha-miasa Atsimo-Atsimo ny Shinoa sady mpanavakavaka ihany koa izy ireo, na dia tsy tahaka ny Tandrefana miaiina aty Afrika aza[…] fa tsy devoly ihany koa ry zareo na izany aza”. [naotin'ny mpandika teny malagasy: Mahaliana dia mahaliana tokoa ny mamaky azy io na dia ao amin'ny bolongana aza satria ahitanjavatra sahady toy ny “tsaho” miely ireny Shinoa miasa amin'ny toerana fananganan-javatra ireny dia gadra ampiasaina aty afrika… Toa mandà izany ireo mpanoratra ireo… efa henoko manko ny amin'ity tranga iray ity miaraka amin'ny hoe raha mandositra ka tratra dia tifirina ary “facturer”-na amin'ny fianakaviana ny bala nitifirana azy]

2008-07-18

Madagascar

Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra) sy fanilikihan'ny fiaraha-monina azy. Navelan'ny lalàna hanambady manko ny zazavavy 14 taona mandra-pahatongan'ny taona 2007. Ny fahalafosan'ny sara-pitsaboana sy ny fahabangan'ny fampianarana (tsy mahatody fa tsy hoe tsy mataho-tody!) no antony roa nanasarotra ny raharaha.

Cote d'Ivoire

Noresahin'i Théophile Kouamouo [Fr] ny hetsika manokana iadiana amin'ny kolikoly baikon'ny filoha Laurent Gbagbo tany Cote d'Ivoire. Hoy ny sorany: “Hotsaraina ny Oloben'ny orinasan-kafe sy Cacao. Fa tsy hiresaka  betsaka momba ny fahadiovan'ireo mitsara azy isika. Marefo tahaka ny mpanao politika Ivoariana ihany ny  Fitsarana[…] Mila fiovan'ny toe-tsaina marina tokoa isika, ho familian-dalana ny faikan-tsoatoavintsika”.

2008-07-14

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany

Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fiokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia ...

2008-07-09

India : Taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy, iva indrindra hatrizay hatrizay

Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no manapariaka ao amin'ny Natifnatal ny tatitra nataon'ny ActionAid, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG, NGO] avy any Angletera, izay mampiharihary fa latsaka amin'izay iva indrindra hatrizay hatrizay ny taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy any India ankehitriny : Dans ce pays où tout le monde veut ...

India : Mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy voaroaka nohon'ny lanjan'izy ireo diso tafahoatra

Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no mitatitra ao amin'ny Natifnatal ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo any India izay manome rariny ny fanapahan-kevitry ny orinasam-pitaterana an'habakabaka Air India ny handroaka mpanamory fiaramanidina lahy sy vavy ["hôtesses de l’air" sy "stewards"] nohon'ny hataviny be loatra : la haute cour de ...

2008-07-08

Shina: Sarkozy ve no fototry ny olam-pifandraisan'i Shina sy Frantsa?

'Fahafahana , Fitoviana, Firahalahiana, mba teny mambabo fo loatra lahy izany! Raha izany ary nahoana no mbola misy lonilony eo amin’i Shina sy Frantsa?'

2008-06-25

Vanessa Worou, mpihira vavy Tôgôley vao misondrotra

Kangi Alem no mitatitra mikasika an'i Vanessa Worou, mpihira vavy Tôgôley vao misondrotra : Un petit air de Kidjo, par endroit, mais dans l’ensemble une assurance dans le chant et une orchestration simple, efficace “tsindraindray ohatry ny mampahatsiahy an'i [Angelique] Kidjo izany, kanefa rehefa aravona dia, fahatokisana amin'ny fomba fihirana ravahina rafi-java-maneno ...

2008-06-24

Borkina Fasô : Jiolahy mpanakan-dàlambe

Ny mpiblaogy Borkinabe QuophyBlogeur mitatitra mikasika izay nihatra tamin'ny mpandehan'ny orinasam-pitaterana Ghaniana STC [Intercity State Transportation Corporation] raha nisy jiolahy mpanakan-dàlambe nanambana sy nitifitra ny fiarabe nitatitra azy ireo : Le trajet d'un car de la société ghanéenne STC - de Ouaga-Accra via Kumasi - a failli tourner au drame. Arrivé ...

2008-06-12

Mpiblaogy Malagasy vavolombelona nanatri-maso ireo trozona niantsona ka maty tan-tanetyPhotos post

[SASIN-TENY AVY AMIN'NY MPANDIKATENY : Araky ny fanamarihan'ny namana Jentilisa dia Feso no dikantenin'ny dauphin. Mba hahatsotra ny famakiana ny lahatsoratra anefa dia ny teny Trozona (trondro vaventy be) izay nadika avy tamin'ny lahatsoratra Anglisy hoe Whales no nofidiako hampiasaina] Tsikaritra tamin'ny voaloamboloahan'ity volana Jona 2008 ity fa nisy andian-trozona manao “loham-boatavo” efa mahatratra ...