2009-08-16
Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”
Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo ...
2009-08-04
Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity
Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong, sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.
2009-05-24
Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray
11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny mozika Mawazine.
Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja Hay Nahda hipooky ny mpijery ...
2009-05-21
Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana

Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no ...
2009-05-20
Masoandro mihiratra ho an'ny kilemaina any RDC
Tsy ialam-pahasarotana ny fiainan'ny olona manan-kilema sy maleny any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Maro ny fahasahiranana atrehin'ny kilemaina noho ny fahabangan'ny fanohanan'ny fanjakana sy ny fahavitsian'ny asa.
Miezaka ny mitatitra matetika ny fiainan'ny kilemaina sy ny malemy ao amin'ny fienena misy azy ny mpanao gazety kôngôley sady miandraikitra ny Congoblog “Ba ...
Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC
Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete.
Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny ...
2009-05-17
Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404
Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety ...
2009-04-14
RDC: Mandroba tranon'olona ireo miaramila tsy mandray karama
Ny herinandro lasa teo dia nolazain'ny fampielezam-peo Radio Okapi fa mpikambana ao amin'ny FRADC, miaramila any Repoblika Demôkratika Kongo, no nandroba trano maro tany Kirumba, 200km any avaratry Goma. Ireo miaramila, izay tsy nandray karama nandritra ny 3 volana izay, no mangalatra vola, telefona sy ireo fitaovana eletronika:
D’autre part, dans ...
2009-03-11
Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”
Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy.
Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny ...
2009-02-26
Maraoka: matsiro fotsiny amin'izao!
Tahaka ny resaka hanina avokoa no resaka tao amin'ny blogoma (bolongana maraokana) tamin'ity herinandro ity. Iray amin'ny heverina fa sarotra sy matsiro indrindra manerantany ny Moroccan cuisine (nahandro maraokana) izay avy amin'ny nahandro Arabo, Espaniola, Tiorka, Jiosy, ary fomban-drazana Amazigh sady fantatra amin'ny fampiasana anana sy episy (mpampatsiro hanina).
Mahalala ...




