Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Jolay, 2013
Enjehan'ny Mpitsara Ireo Vata-miaramila Voampanga Ho Namono Olona Tao Ginea
Nisy indray ny fifamonoana ara-poko tao Ginea. Manao izay ho afany ireo mpitsara mba tsy hiverenan'izany intsony .
Manivana Ny Marina Amin'ny Foronina Ao Amin'ny Tranonkala Miteny Frantsay
"Minia mamoaka vaovao diso ny olona sasany fantatra amin'ny fikatrohany ara-politika." Ao amin'ity lahatsoratra ity isika no hijery ny tetikasam-panamarinam-baovao amin'ny media miteny frantsay.
Manoloana Ny Tsy Fahombiazan'ny Politikam-Pifehezan-Kibo, Inona ny Vahaolana ho an'i Eoropa ?
Tsy tafavoaka ao anatin'ny krizy mahazo azy i Eoropa na dia mampihatra ny politikam-pifehezan-kibo aza. Mandrisika ny Malagasy rehetra hazoto mamaky lahatsoratra ara-toekarena tahaka itony itarafana ny politika ara-toekarena sahaza antsika.
Mbola Velona Tsy Misy Toy Izany Ny Adin'ilay Poeta Aimé Césaire
Nifanindran-dalana tamin'ilay fivoahan'ny didim-pitsarana an'i Trayvon Martin ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Césaire. Mandinika ny fifandraisan'izany i Amadou Lamine Badji ato amin'ity lahatsorany voalohany ho an'i Global Voices ity.
Fandavana Tsy Hitondra Fanjakana Intsony: Taorian'i Pays-bàs Sy Belzika, Ho i Espaina Ve Ny Manaraka?
Ny fialan'ireo mpanjaka Eropeana roa tanatin'ny volana vitsy monja dia nahatonga ny vahoaka Espaniola haminavina ny mety hialàn'ny mpanjaka Juan Carlos ho an'ny zanany lahy Felipe. Etsy an-daniny, ny vahoaka Belza kosa miomana handray mpanjaka vaovao izay olom-bitsy ihany no matoky azy.
Tonizia: FEMEN Mpitolona nitazona fitaovam-piadina tsy nahazoan-dalana
Nantsoina hiatrika fitsarana noho ny fiampangana tamin'ny fitazonana fitsifitra ranona dipoavatra ilay mpikatroka FEMEN Toniziana, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Amina Tyler, 19 taona, amin'ny 30 mey ho avy izao. Hita amin'ny lohatenin-gazety ao an-toerana sy iraisampirenena i Amina ny Martsa teo rehefa namoaka ny sariny mitanjaka tao amin'ny pejy Facebook...
Fa Maninona i Madagasikara no Tsy Afa-Mametraka Datim-Pifidianana?
Efa-taona izay ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila nidiran'ny firenena tamin'ny krizy politika tamin'ny 2009, tsy mety mahita ny lala-kivoahana i Madagasikara.