· Jona, 2013

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Jona, 2013

Bénin : Tsy Ny Rehetra no Manaiky ny Bemidina Djakpata

  24 Jona 2013

Hatramin'ny nanokafan'ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny fivavahana ny Bemidina Djakpata no mikendry ny hanenjika ny jiolahy rehetra, izay mandika lalàna mety hanohintohina ny filaminan'ny vahoaka beninoà. Nefa betsaka ny tsy manaiky ity tetikasa ity tao anatin'ny andro vitsivitsy izay.

Hetsika Ho Fahatsiarovana ny Kapiteny Mbaye Diagne, Maherifo Senegaley ao Rwanda

  18 Jona 2013

Mbola mitohy manerana izao tontolo izao ny fotoam-pahatsiarovana ofisialin'ny lasibatry ny fandrimpaham-bahoaka tao Rwanda tamin'ny 1994. Saingy ankavitsiana ny mbola mahatadidy ny Kapiteny Mbaye Diagne. Nefa dia nampiseho herimpo tokoa io tanora manamboninahitry ny tafika senegaley io nandritra ny fotoana be fieboeboana fotsiny ny ambiny manerana izao tontolo izao. Efa an-taonany i Enrico Muratore no nitolona mafy mba tsy ho latsaka any amin'ny fanadinoana ny anaran'io maherifo io.

Resadresaka Tamin'i Anne, Iray Amin'ireo Mpandray Anjara Amin'ny Vaovao An-dahatsary “Manao ahoana any Bamako?”

  14 Jona 2013

Amperin'ady any Mali i Frantsa. Nanapa-kevitra ny handefa amin'ny YouTube vaovao an-dahatsary iray mikasika ireo resadresany tamin'ny Skype i Anne Morin any Parisy sy ilay vehivavy namany Awa Traoré any Bamako. Te hahazo ireo vaovao mikasika ny faritra sy ireo namany i Anne. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Anna Gueye, niresaka betsaka mikasika io gazety io sy ny fifandraisany amin'i Mali izy .

Ireo Mpijirika Any Amin'ny Tanàna Arabo : Aterineto Miadam-pandeha Sy Girl Power Any Alzeria

Navoakan'ny Global Voices ny ampahany amin'ny bilaogin'i Sabline Blanc sy Ophélia Noor : “Les hackers dans la cité arabe” noho ny fahitàna ny ataon'ireo mpanao aterineto any Afovoany Atsinanana sy any Afrika Avaratra. Ankehitriny hitany ny tontolon'ny aterineto any Alzeria niaraka tamin'ny tanora geek roa avy ao amin'ny Fianarana ambony momba ny Informatikan'i Alger.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr