· Mey, 2013

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Mey, 2013

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

  12 Mey 2013

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"

Senegaly : Ny « Vaovao Vita Rap », Vaovao An-tSary Tsy Manara-Penitra

  10 Mey 2013

Nahita vaovao an-tsary amin'ny endrika vaovao ny mpijery fahitalavitra ao Sénégal, vaovao atolotry ny mpiangaly rap roa malaza ao an-toerana dia i Xuman (39 taona) sy i Keyti (40 taona), iresahana vaovao politika sy sosialy ary iraisampirenena amin'ny teny wolof sy frantsay. Manazavazava amin'i Anna Guèye ireo artista.

Kandidà Tsy Nampoizina Fifidianana Eto Madagasikara

  04 Mey 2013

Fanamarihana : Raha mijery ny lahatsoratra niavian'ity dikan-dahatsoratra ity isika dia tamin'ny 28 avrily no nanoratana ny tamin'ny teny anglisy, nisy ny fanavaozana tamin'ny 29 avrily, nefa tsy nampiova ny zava-misy ny lohateny fa nisy ny kandidà tsy nampoizina na dia efa nampoizina ihany aza tanatin'ity lahatsoratra ity. Tsy maintsy...

Takalon'Aina sy ny Tambiny : Politika Manao Ahoana ny An'i Frantsa ?

  02 Mey 2013

Tokony ho telo volana taorian'ny fanapaha-kevitr'i François Hollande hampitsaharana ny fandoavana tambiny ho an'ireo mpanao takalon'aina, dia  navotsotra ihany ny ankohonana Moulin-Fournier, izay niteraka sento ho an'ny fianakaviana sy ny namana. Hatramin'izao anefa dia tsy misy fampahafantarana tamin'ny fepetran'izany famotsorana izany. Nampafantatra tamin'ny fianakavian'ny mizaka zom-pirenena frantsay rehetra manerana izao...

Mariazy ho an'ny Rehetra : Ahoana ny Eritreritr'ireo Ivoariana ?

  02 Mey 2013

Lany tao Frantsa tamin'ny herinandro lasa teo ny lalàna  “mariazy ho an'ny rehetra” izay manome alalana ny fanambadiana na eo amin'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Ny adi-hevitra mafana vay sy nampitain'ny fampielezam-baovao miteny frantsay naharitra ambolana no nanery ny firenena Afrikana hiresaka momba azy io. Efa maro...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr