· Marsa, 2013

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Marsa, 2013

Madagasikara : Lahatsary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona

  29 Marsa 2013

Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara: Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary : Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy...

Manako Any Afrika Ny Fametraham-pialàn'ny Papa

  24 Marsa 2013

Niteraka fihetseham-po tamin'ny Firenena Afrikana mampiasa ny teny Frantsay, na tamin'ny haino aman-jery nentim-paharazana na tamin'ny tambajotra sosialy, ny fanambaran'ny Papa Benoà XVI mikasika ny faniriany hiala amin'ny asany nanomboka amin'ny 28 Febroary 2013. Ny fankasitrahana ny Papa miaraka amin'ny hetaheta mba hisian'ny mpitarika Afrikana sasany haka ohatra amin'ny nataony no tena fihetseham-po nibahana tao.

Madagasikara, Tamin'ny Taonjato Farany Teo

  18 Marsa 2013

Manankarena ny tantaran’i Afrika saingy matetika mahantra ara-tahirin-kevitra. Mba hanentsenana io lavaka io ao Madagasikara, nanomboka asa fandraketana niomerika mikasika ireo tranga manan-tantarany ny fiaraha-monina sivily

Mitohy Ireo Fandoroana Tena Any Tonizia

Dimy amby roapolo taona taorian'ny nandoroan'ilay mpivarotra voankazo an-dalambe, Mohamed Bouaziz, ny tenany, mbola mitohy io tranga io any Tonizia. Noho ny fahaverezam-panantenany momba ny sosialy sy tearena, nandoro ny tenany i Adel Khadri, mpivarotra sigara an-dalambe ny 12 Martsa tany amin'ny renivohitr'i Tunis. Maty [13 Martsa] ny tenany.

Misaona ny Mpanoratra Frantsay Stéphane Hessel ny Mafana fo Eran-tany

  15 Marsa 2013

Nodimandry tamin'ny alin'ny 26 Febroary 2013 lasa teo ny mpanoratra, mpisolovavan'ny zon'olombelona, sady mpitolon'ny Fiaretana (“résistance”) Frantsay, Stéphane Hessel, nanome aingam-panahy tamin'ny fahadisoam-panantenan'i  Eoropa sy Etazonia ka nitarika ho amin'ny fikarakarana fanoherana ny bokiny nahalafosana betsaka indrindra sy haingana mikasika ny fanandratana ny fandriampahalemana. 95 taona izy izao. Tonga fanta-daza eran-tany i...

Sénégal: Namoy ny Ainy ao anaty Haintrano Ny Ankizy eny An-dalambe ao Dakar

  14 Marsa 2013

Farafahakeliny sivy no maty nandritra ny hain-trano tamin'ny alahady harivan'ny 4 marsa lasa teo nitranga tao amin'ny fokontanin'i Médina ao Dakar. Farafahakeliny ny sivy amin'ireo dia talibés (mpianatra ao amin'ny sekoly koranika iray). Efa maro ny tompon'andraikitra politika no niseho sehatra tamin'ity voina ity. Avoitran'ity voina ity manko ny fahasarotam-piainana...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr