· Febroary, 2013

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Febroary, 2013

Kianin-dry zareo Senegaly Ny Fahafahana Vonjimaika Nomena An'i Béthio Thioune

  25 Febroary 2013

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpampianatra Korany Masina Cheikh Béthio Thioune, voasambotra ny ampitson'ny namonoany anankiroa tamin'ireo mpianany tao Médinatoul Salam, andro vitsy monja taorian'ny nadefasana azy hitsabo tena tany Frantsa.Ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity niteraka fanehoankevitra mivaivay teny anivon'ireo teratany Senegaly izay mihevitra fa niraviravy tànana tamin'ity raharaha ity ny fitsarana.

Nahoana no miely be ny sarin'ilay “Miaramilan'ny Fahafatesana”

  21 Febroary 2013

Nifampizarana sy niparitaka eran'izao tontolo izao ity sary ity hatramin'ny niatombohan'ilay “Bemidina Serval” tao Mali. Miaramila frantsay miaraka amin'ny fehin-tenda mikisary karan-doha – Odieux connard – valam-bahoaka Raha ny marina, dia lasa sariohatra nanamarika ny fiatombohan'ny bemidin'ny miaramila frantsay tao Mali ity sarina miaramila frantsay manao sarondoha miendrika karandoha ity. Fa...

Sambany Mpitondra Jadona Afrikana Teo Aloha Tsaraina ato Amin'ny Kaontinanta ihany

  20 Febroary 2013

Nanokatra ny varavarany ao Dakar, Sénégal, ny fitsarana natsangana hitsara an'i Hissène Habré, filohan'i Tchad teo aloha. Hatramin'ny 1999 ny Human Rights Watch no niara-niasa tamin'ireo lasibatry ny mpitondra jadona tao Tchad teo aloha mialokaloka [any Sénégal], ahafahana mitory azy any amin'ny fitsarana. Ao amin'ny habaka France-Rwanda Tribune isika no mahita ny...

Fidirana Teo Amin'ny Sehatra Politika Somary Nisamboaravoara Ho An'Ilay Mpitondra Tenin'ny Governemanta Tao Senegal

  08 Febroary 2013

Sarotra dia sarotra ny fidiran'i Abdou Latif Coulibaly, Senegaly mpanao gazety mpikaroka fanta-daza, izay lasa minisitry ny Fahaiza-mitantana sady mpitondra teny ny Governemanta Senegaly teo amin'ny sehatra politika . Niteraka fizarazaran'ny fomba fijery maro be teo amin'ireo mpikatroka mafana fo sy ny mpitoraka bilaogy Senegaly ny fivoahana farany nataony vao haingana kely teo, izay manavaka ireo mpanao hetsiky ny M23 amin'ny Y'en a marre

Côte d'Ivoire : Voampanga Ho Nanao Heloka An'Ady i Charles Blé Goudé

  05 Febroary 2013

Taorian'ny fisamborana azy tany Ganà, Charles Blé Goudé, ilay antsoina hoe ny jeneralin'ny làlambe sady havana akaikin'ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, dia voaheloka tamin'ny 21 Janoary noho ny heloka an'ady vitany. Nampikoriana ranomainty ( na "kilo-octets" no marimarina kokoa) tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoarianina io fisamborana azy io satria tao anatin'ny fotoana fanandratana ny fampihavanam-pirenena any Côte d'Ivoire no nisehoany.

Repoblika Centrafrique: Tahaka ny Ahoana ny Tanjak'ilay Dinam-Pandriampahalemana?

  01 Febroary 2013

Nanasonia dinam-pandriampahalemana vaovao tamin'ny 11 Janoary 2013 ny Repoblika Afrika Afovoany (CAR), tarihin'ny filoha François Bozizé sy ny mandatehezan'ny mpioko Séléka. Vita izao fifanarahana izao taorian'ny iray volan'ny  fikorontanana ara-miaramila [mg] sy ara-politika nahitana ny fandrosoan'ny mpioko mizotra mankany an-drenivohitra Bangui ao anatin'ny fikasana hanongana an'i Bozizé nandritra izany fandrosoana ara-tafika izany. Heverina hamoaka...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr