· Marsa, 2012

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Marsa, 2012

Mankalaza Ny Fifidianana Vita Am-pilaminana I Sénégal Ka Mampistsiriritra Ireo Mpifanolo-bolodirindrina Aminy

  30 Marsa 2012

Toarian'ny fahareseny nanoloana ny praiministrany teo aloha sady mpifaninana taminy, Macky Sall, tamin'ny 25 martsa 2012, ny Filoha Me Abdoualye Wade dia niantso an-telefaonina ilay efa azo antoka ho mpandresy mba hiarahaba azy.. Mankalaza ny fifidianana natao tanaty filaminana ry zareo Senegaly, izay nahafahana namoaka ny fifandimbiasana politika. Na izany aza dia misy ihany ny mampanahy manoloana ireo herisetra nialoha ny fifidianana.

Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga

  30 Marsa 2012

Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [fr] tamin'ny ho famaizana ny tolona hoamin'ny fahaleovanten'i Madagasikara. I Olivier Herviaux dia manolotra fanampim-panazavana manodidina izany vanim-potoan'ny fandripahana izany [fr]. Tamin'ny alalan'ny sioka...

Espaina: Manohana Ve Sa Tsy Manohana Ny EuroVegas Ianao?

  24 Marsa 2012

Las Vegas ao Eoropa… Tianao ho fantatra ve ny momba izany? Tranobe marolafy tsy mena-mitaha raha oharina amin'ny namany Amerikana izay ahitana trano filokana enina, tokontany filalaovana golf, efitra filalaovana tantara-tsangana sivy, ary hotely roambinifolo, tsy lazaina intsony ireo trano fisakafoanana sy magazay marobe. Izany no tetikasa nampahafantarin'ilay mpanakarambe Sheldon Adelson,...

Taorian'ny Kony 2012, “Inona No Tiako Momba An'i Afrika” Ho Setriny

  18 Marsa 2012

Izay rehetra mpanaraka ny median'olotsotra tamin'ity volana ity dia tsy afa-miala tamin'ilay adihevitra mafana manerantany momba ny fanentanana nalaza vetivety momba ny Invisible Children hisamborana ilay mpamono olona an'ady sady mpitarika ny tafika mpioko ongandey Joseph Kony. Raha nahazo ny fifantohana nokendreny ny Kony 2012, dia maro kosa ny Ongandey sy...

Soisa : Miarahaba Tsara Anareo Ny “Grikan'I Soisa Romande” !

  16 Marsa 2012

Lazaina matetika ho fitaratry ny fahaiza-miara-monina i Soisa, satria mahatazona ny fiavaham-pirenena mampivondrona ny olom-pirenena ao aminy sady ataony rehareha izany na dia tsy vitsy aza ny fifanebahana misy eo amin'ny Soisa alemana (miteny alemana) sy ny Soisa romands (miteny frantsay). Raha tsapa matetika eo amin'ny lafiny politika ary indrindra...

Maraoka: Namono Tena Ilay Zaza Tsy Ampy Taona Noterena Hanambady Ny Lehilahy Nanolana Azy

Amina, vehivavy 16 taona avy any Larache any Avaratr'i Maraoka, noterena hanambady ilay nanolana azy, dia namono tena tamin'ny fisotroana poizim-boalavo tamin'ny Sabotsy lasa teo. Araka ny voalazan'ny al-Masa'a [Ar], Amina dia naolan'ny lehilahy zokony 10 taona, raha vao 15 taona monja izy. Ary mba hitandrovana ilay antsoina hoe "voninahitry ny fianakaviana", nokarakaraina ny fanambadian'i Amina ilay lehilahy. Nanohina fo maro ny tantaran'i Amina, ary nahatezitra ny Maraokana mpampiasa aterineto, izay nampiasa ny tenifototra Twitter #RIPAmina mba hisaonana an'ilay tovovavy.

Ségou Villages : Mitady Fomba Ahafahana Miditra Aterineto

Rising Voices  13 Marsa 2012

Miely manerana ny lemaka maina ahitana Baobaba mitsitokotoko etsy sy ery ny tanàna ambanivohitr'i Ségou. Ity faritra ao Mali ity dia miavaka amin'ny fisian'ireo mponina tambanivohitra mivelona amin'ny karazam-pambolena, sy ny fiompiana ary ny kivarobarotra. Eo ho eo amin'ny adiny efatra miala ny renivohitra Bamako no misy ny faritra Ségou, ary...

Madagasikara : fitoriana ny fahantrana lavareny

  11 Marsa 2012

Rivonala Razafison no nitatitra tamin'ny vohikalam-baovao “Africa Review” fa Scores of Madagascar capital Antananarivo residents Wednesday wore black clothes to denounce poverty in the country. “mponin'Antananarivo maro no nitafy akanjo mainty [ndT: fisaonana] tamin'ny Alarobia [ndT: 29 febroary 2012] ho fitoriana ny fahantrana mianjady amin'ny tanindrazana” Ho fanampin'izany dia nambarany fa...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr