· Febroary, 2012

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Febroary, 2012

Haiti: Fanehoan-kevitra Tanaty Aterineto Momba Ny Raharaha Duvalier

  28 Febroary 2012

Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2012, ny mpitsara mpanao famotoana mitady vesatra mikasika ny zon'olombelona hanenjehana an'ilay mpanao didy jadona voaongana tany Haiti, Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, dia nanapa-kevitra fa "tapitra ny fe-potoana voafetran'ny lalàna mikasika ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona - tsy izany kosa anefa ny amin'ny fangalàran'i Duvalier ny volam-panjakàna.

Tonizia: Nisafidy Ny Fitantanana Misokatra Amin'ny Alalan'ny Fampielezam-baovao Sosialy Ireo Mpanao Politika sy Solombavambahoaka

Ny fanonganana ny fitondràn'i Ben Ali tamin'ny volana Janoary lasa teo dia nanokatra làlana nampitombo ny fampiasana fampitàm-baovao sosialy any Tonizia. Ankehitriny ireo mpanao politika dia mampiasa ireo fitaovana enjehin'ny fanjakàna ireo, mba hampitàna ny hafany amin'ny vahoaka. Mitatitra amintsika i Ahmed Medien.

Tonizia: Hasosoran'ireo LGBT Tamin'ny Fanehoan-kevitry Ny Minisitra Momba ny Zon'Olombelona

Nilaza ny Minisitry ny Zon'Olombelona Toniziana tao aminà fantsom-pahitalavitra Toniziana tsy miankina iray fa misy fetra ny fahalalahana maneho hevitra nony ireo Toniziana sampontsampona no tonga haneho ny heviny manokana. Nampitahainy ihany koa amin'ny resaka aretin-tsaina sy filan-dratsy ny maha-"homosexeuls". Mamaly izany ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBT.

Tonizia: Nofoanan'ny Fitsarana Ny Didy Hanivana Ny Porno

Notsipahan'ny Fitsarana Tampony tao Tunis omaly ny Didim-pitsarana hanivana ny pôrnô amin'ny aterineto. Namoaka didy tamin'ny Sampandraharaha Toniziana misahana ny Aterineto (ATI) ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny 26 Mey 2011 hanivana ny vohikala voasokajy ho X. Nohamafisin'ny Fitsarana Ambony izany tamin'ny 15 Aogositra 2011. Noarahabain'ny mpiserasera manohana ny fahafahan'ny aterineto tanteraka ny didim-pitsarana nivoaka omaly

Tonizia: Taona Iray Taorian'ny Revolisiona, Mbola Mitohy Ny Teritery Atao Amin'ny Fahalalahana Maneho Hevitra

Taona iray taorian’ny nanonganana ilay filoha teo aloha, mbola tandindonin-doza hatrany ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety ao Tonizia. Tamin'ity herinandro ity, lehilahy telo mpanao gazety avy amin'ny famoahan-gazety Toniziana "Ettounisia" no samy nosamborina noho ny namoahany sary nahabe resaka mikasika toniziana iray mpilalao baolina kitra ao amin’ny Real Madrid, Sami Kedira sy ilay lasibika Lena Gercke miboridana..

Sahel: Manamafy ny Vahohony Any Amin'ny Faritra Ny Boko Haram Sy Ny AQMI

  20 Febroary 2012

Am-bolana maro izao ireo silamo "intégristes" ara-pivavahana (mpifikitra amin'ny fomba nahazatra hatrizay) no nanamafy ny adin'izy ireo amin'ny mponina sy ny repoblika federaly ao Nizeria sady manandrana manitatra ny faritra iasan'izy ireo mankany amin'ireo firenena hafa any Sahel. Miteraka fandalinana ireny fanafihana ireny, sy fijerena akaiky ary fanehoan-kevitra eny anivon'ny tontolon'ny bilaogy hatrany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr