Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Oktobra, 2011
Côte d'Ivoire : Rahoviana Ny Fanokafana Indray Ireo Anjerimanontolo?
Nandritra ny disadisa nialoha ny fifidianana tao Côte d'Ivoire, ireo anjerimanontolo telo ao amin'io firenena io (Cocody, Abobo-Adjamé sy Bouaké) dia nakatona ary tsy nasiana olona tany amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra. Raha betsaka tamin'ireo Ivoariana no nadray izany fanapahan-kevitra izany tamin'ny lafiny tsara, amin'izao fotoana kosa dia maro ireo mametra-panontaniana manoloana ny manjavozavo mikasika ny ho fanokafana indray ireny anjerimanontolo ireny. Mandroso vaha-olana fiandry ny mpampiasa aterineto.
Grande Bretagne: Faha-77 taona, Fiainana Mahazendana
Julie Kertesz dia nanomboka nibilaogy sy naka sary teo amin'ny faha-70 taonany. Ankehitriny eo amin'ny faha-77, fakàn-tahaka izy ho an'ny olona avy amin'ny sokajin-taona rehetra izay maniry ny hiaina fiainana feno sy mavitrika amin'ny fianarana sy ny firotsahana an-tsehatra. Mitatitra i Paula Góes.
Madagasikara : Mivantana tamin'ny siokantsera ny fahatongavan'ny Praiministra vaovao Jean-Omer BERIZIKY
Narahin'ireo mpisiokantsera any Madagasikara ary notateriny mivantana ny fanendrena ny Praiministra vaovao. Tamin'ny teny fohy no nanambaran'ny namana Avylavitra fa “Beriziky Omer -n'ny ankolafy Zafy Albert no lany ho Praiministra.”
Frantsa: Famerana Fanomezana Visa Ny Mpianatra Anjerimanontolo Vahiny
Raha mba nitovy amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina ao Etazonia ny any Frantsa araka izay fanapahan-kevitra noraisina farany, dia orinasa Sinoa no mety tompon'ny Yahoo (naorin'i Jerry Yang avy any Taiwan), ary Google no fantatra ankehitriny fa mety orinasa Rosiana miroborobo indrindra (natsangan'i Sergey Brin) ary Apple dia orinasa Syriana – mpianatra...
Tonizia: Vokatra Vonjimaika Manome Tombony Ny Islamista
Ny vokatra vonjimaikan'ny fifidianana tamin'ny 23 Oktobra tao Tonizia dia sahala amin'ny manome tombom-bato betsaka ho an'ny Antoko Islamista Ennahdha. ny fanisàna ny vatom-pifidianana dia mbola mitohy, ary andrasana ho tafavoaka amin'ny Talata tolakandro izy ireny.
Tonizia: Fihetseham-po sy Filaharana Lava dia Lava Tamin'ny Fifidianana
Voasokitra ao amin'ny tsiaron'ny mpifidy Toniziana, izay nameno ny birao fandatsaham-bato hatry ny vao maraimbe, ny andro androany [alahady]. Nifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenan'ny Firenena ny Toniziana. Tsy nahakivy filaharambe rehefa vonona ny hanana izay tiana holazaina amin'ny fomba itondrana ny firenena.
Tonizia: Fihaonana Amin'ny Tantara
Handeha hifidy ny Antenimieran-dalàmpanorenana ny Toniziana androany, solontena misahana ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fanendrena ny governemanta vaovaon'ny tetezamita. Tamim-kafaliana no nandatsahan'ireo Toniziana rehetra maneran-tany vato tao anaty vata tamin'ity andrana demokratika ao amin'ny firenena ity, izay arahin'ireo Arabo manerantany akaiky. Fotoana talohan'ny fifidianana, naneho ny fihetseham-pony ireo mpamaham-bolongana manoloana ity andro mana-tantara ity....
Frantsa: Manokatra Ny “Fikambanan'ny Fanondro Manga” Ny Toniziana Any Am-pielezana
Mifarana izao ny telo andro natao hifidianana ho an'ireo Toniziana monina any ivelany ary nananganany "vondrona fanondro manga" any amin'ny tambajotra sosialy. Mampidera ny fanondrony miloko manga ireo Toniziana mpifidy tany Frantsa - porofo fa anatin'ny fikambanan'ireo mpifidy tany ampiandohan'ireo fifidianana ny "assemblée constituante" Toniziana manan-tantara ry zareo.
Tonizia: Andro fifidianana androany!
Mandia andro manan-tantara ireo Toniziana androany. Andro fifidianana izay handehanan-dry zareo any amin'ny birao fifidianana, hifidy "assemblée constituante" nasionaly, zay hisahana ny fanoratana lalàm-panorenana vaovao, sy ny famoronana governemanta vaovao. Indreto misy santionan-kevitra tamin'ny andro nialoha ny fifidianana.
Kamerona: Domberina Rehefa Nahita ny Valim-Pifidianana Filoham-Pirenena
Hatsikana, hatezerana, filazana ankolaka ny fialan'i Muammar Gaddafi ary fiantsoana fandriampahalemana no nibahana tamin'ny fandrenesana ny valim-pifidianana filoham-pirenena izay nandresen'ny filoha ankehitriny, Paul Biya.