· Septambra, 2011

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Septambra, 2011

Fiarovana ny Ala Afrikana: Lova Navelan'i Wangari Maathai

  28 Septambra 2011

Lasa any ankoatra tamin'ny 25 Septambra 2011 lasa teo i Wangari Maathai, Kenyana malaza amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy mpikatroka politika ary nahazo ny loka Nobel tamin'ny 2004. Izy no vehivavy Afrikana voalohany nahazo ny loka sady ekena manerantany ho olo-malaza ao amin'ny tahalan'ny tolona ho amin'ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny tetikasa maharitra eto amin'ny kaontinanta Afrikana.

Kamerona: Dia Ahoana Raha Tsy Mandeha Mifidy Isika Amin'ny 9 Oktobra?

  27 Septambra 2011

Ao Kamerona, toa tsy dia mahataitra loatra ny olona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny 9 Oktobra 2011. Ho an'ny Kamerone maro, tsy dia misy lanjany loatra io fifidianana io ary dia tsy misy antony tokony hifidianana raha ny hevitry ny mpifidy maro, satria ny vokatra dia efa mirona sahady mankany amin'ny Filoha amperin'asa Paul Biya.

Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka

Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro vitsy talohan'ny fisamborana azy, Andriamatoa Feriani, mpiasa-panjakana ambony tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, namoaka lahatsoratra roa tao amin'ny boky Al-Khabeer [Ar] (Ny Matihanina)...

Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.

Tonizia: Bilaogera Nirotsaka Hofidiana

Hifidy ny Antenimieran-dalampanorenana izay hiandraikitra ny famolavolana ny Lalamoanorenana vaovao ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao . Hafa noho ny hatramin'izay ity fifidianana atao amin'ity taona ity izay matetika miafara amin'ny fahazoan'ny antokon'i  Ben Ali vato eo amin'ny 90 isan-jato eo foana. Ho henjana tokoa ny fifidianana amin'ity...

Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo

Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.

Guinea : Ny Adin'i Nadine Bari Ho Fampihenana Ny Fahantrana ao Guinea

  13 Septambra 2011

Nadine Bari dia Frantsay iray nanangana fikambanana iray ho an'ny mpiara-belona isan'ny tranainy indrindra tao Guinea, Guinée-Solidarité na Firaisankinan'i Guinée. Tamin'ny alalan'ny fanampiana avy any Eropa dia nahavita namatsy fitaovana ireo sekoly, hopitaly, sy nanampy ireo tsy manan-kialofana, kamboty ary koa zaza manan-kilema mba hahazo fanabeazana.

Maraoka: Ny Antoko Mpanohitra Twitter

Tamin'ny Alatsinainy, nanantosa fanentanana ny governemanta hampideradera ny “zavabitany” hatramin'ny nahazoany ny fitondrana. Sary goavana sy hafatra an-tsoratra SMS midera ny “vokatra azo” hatramin'ny efa-taona nitantanan'ny governemanta mpandala ny nentin-drazana tarihan'Atoa Abbas El Fassi ny fitondrana. Makassib.ma (Ny dikan'ny Makassib dia Zavabita) no vohikala natokana hanentanana izay natsangana roa volana...

Vehivavy Afrikana Miezaka ho Mpitondra Fanjakana

  08 Septambra 2011

Nisantatra ny lalana i Ellen Johnson-Sirleaf tamin'ny taona 2006, raha voafidy ho Filohan'i Liberia ary nanjary vehivavy Afrikanina voalohany tafakatra amin'ny toerana ambony indrindra. Nanomboka hatreo, dia maro ireo vehivavy Afrikanina nanapa-kevitra hirotsaka hofidiana filoham-pirenena, vao haingana indrindra tao Benin, Kamerona, Ganà, Ginea, Repoblika Demokratika Kongo ary Nizera. Samy nanana ny...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr