· Jona, 2011

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Jona, 2011

Ségou Villages Connection: Tonga Ao Ambanivohitr'i Mali

Rising Voices  28 Jona 2011

Boukary Konaté, tetikasa ” Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou” tohanan'ny Rising Voices, no nanararaotra nampahafantra izany nandritra ny Lanonana iraisam-pirenena momba ny Hairafitrano izay natao tao Pérouse, ao Italie ny voalohan'ny herinandro volana jona. Ny lohahevitra”Mali : raha mitondra amin'ny fandrosoana ny vonjimaika“, notohanan'ny  Fikambanana Eland (Soisa) izany, izay notanterahina tamin'ny 2 jiona 2011....

Sénégal : Novoizina Mafy Tao Amin'ny Twitter Ity Fihetsiketsehana Ity

  25 Jona 2011

Alakamisy 23 jona 2011, tototr'ireo mpanao fihetsiketsehana i Dakar. Ny tanjon'izy ireo: ny tsy hahatanteraka ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay azo andaniana ny filoha mahazo vato hatrany amin'ny 25% dieny amin'ny fiodinana voalohany sy manome soso-kevitra ny hisian'ny filoha lefitra toy ny an-dry zareo amerikana. Nahomby ry zareo.

Senegaly : Hetsika fanoherana ny volavolan-dalàna

  24 Jona 2011

Nanolotra volavolam-panitsiana Lalampanorenana faha-17 ny filoha Senegaly Abdoulaye Wade hatramin'ny nifidianana azy tamin'ny 2000 ho fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2012, ary nahatezitra Senegaly maro izany. Anisan'ny volavolan-kevitra ny ametrahana lisitra araka ny fomba Amerikana ka ny filoha sy ny filoha lefitra no fidiana.

Mpandika asongadina: Fabienne Der Hagopian

Mpandika an-tsitrapo ho an'ny Global Voices i Fabienne. Avy aminà fianakaviana Armeniana, nandika betsaka ho amin'ny teny Frantsay izy tamin'ireo lahatsoratra momba an'i Kaokazy, nefa koa mahaliana azy ny mikasika izao tontolo izao amin'ny lafiny rehetra. Miverina mijery ny niainany ny maha-mpandika an-tsitrapo azy eto amin'ny Global Voices i Fabienne

Afrika : Manaraka Akaiky An'i Shina I Inda

  12 Jona 2011

Tamin'ny May, tao amin'ny foiben'ny Fiombonambe Afrikana ao Addis-Abeba, Etiopia, no natao ny fihaonana an-tampony faharoa teo amin'i Inda sy Afrika. Ny drafi-piaraha-miasa naroson'i Inda, izay tena samihafa amin'ny an'i Shina dia niteraka fanehoan-kevitra samihafa teo amin'ny tontolon'ny Afrikana miteny frantsay.

Tonizia: Mpiasam-panjakana Ambony Nosamborina fa Nanakiana ny Ministeran'ny Atitany

Samir Feriani, mpiasam-panjakana ambony tao amin'ny Ministeran'ny Atitany, dia nosamborin'ny polisy tsy an-kitsitsy mihitsy no sady nentina tany amin'ny toby miaramila iray tao Tunis renivohitra ny 29 May teo. Andro maro talohan'io, namoaka taratasy roa tao amin'ny gazetiboky “Al-Khabeer” ho an'ny vahoaka Toniziana, ka tao anatin'izany no nanakianany ny politika fandraisana mpiasa ao amin'ny ministera.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr