· Febroary, 2011

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Febroary, 2011

Frantsa:Fihetsiketsehana tao Parisy Manohitra ny Fitondrana Jadona ao Gabon

  28 Febroary 2011

Manodidina ny 7000 ireo olona nifamory teny an-dalambe tao Parisy renivohitra Frantsay mba haneho hevitra ho fanoherana ireo mpitondra jadona Afrikana sy ny governemanta Frantsay nampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ireo fiondrana jadona Afrikana. ny -Sabotsy 26 Febroary 2011. Nanindahindra sora-baventy teo ivelan'ny tanànan'ny Filohan'i Gabon, izay mitentina 140 tapitrisa Euro ireo mpanao fihetsiketsehana.

Tonizia: Nametra-pialana ny praiministra taorian'ny vono-olona ny Asabotsy

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana mikasika ny  Revolosiona Tonizia taona 2011. Nametram-pialana ny praiminisitra vonjimaika Mohamed Ghannoushi taorian'ny fatiolona ny Asabotsy tao an-drenivohitra Tunis. Ny fifandonana niseho tamin'ny Zoma alina tao amin'ny lalana Habib Bourguiba, nitarika fahafatesan'olona telo nisy teo amin'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana. Narahina  fampisehona...

Hanara-dia an'i Tonizia sy i Egypta va i Alzeria?

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana momba ny  Fihetsiketseham-bahoaka taona 2011. Na dia teo aza ny fionganan'ny Filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali, taorian'ny fikomiana sy ny  fanerena ny Filoha Egyptiana Hosni Mubarak hiala, dia mbola tsy nidina an-dalambe ny mponina Alzeriana . Ireo andrana roa nataon'ny fandrindrana nasionaly ho...

Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper

Nitana ny anjara asany ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Anna Gueye tao anatina fanentanana vao hainagana handresena lahatra ny mpitatitra mora resen-dahatry ny CNN Anderson Cooper mba tena hijery ireo mpanohitra any amin'ireo firenena Afrikanina tahaka an'i Gabon sy Côte d’Ivoire, tahaka ny nataony tamin'ireo fikomiana tany Tonisia, Ejipta sy ny tontolo Arabo hafa.

Tonizia: Ny Fitsimbadihan'ny Hetsika Am-pilaminana Mankany Amin'ny Herisetra Mahery Vaika

Mitohy ireo hetsi-panoherana miantso fanovàna ara-politika tonga dia vavany sy fametraham-pialàn'ny priminisitra Mohammed Ghannoushi any Tonizia. Raha ny fahitàna azy, ny fionganan'ny filoha teo aloha Ben Ali dia tsy ampy ho an'ny ampahany maro amin-dry zareo Toniziana izay mitady ny hanilihana manontolo ireo mpitondra ary hanapahana izay mety ho fifandrohizana amin'ny omaly.

Maraoka: Nanangana ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy ny mpanjaka

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana momba ny Fihatsiketsehana Maraoka 2011. Taorian'ny fitsidihany tao Frantsa. Ny mpanjaka Maraokana Mohammed VI dia niverina tao amin'ny Lapam-panjakana ao Casablanca mba hanambara  fa hatsangana ny Alatsinainy 21 febroary izao ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy. Ireo mpanao fihetsiketsehana  dia nivory am-piombonana niaraka tamin'ireo vahoaka...

Gabon: Ny tolona tsy hita maso loatra

  21 Febroary 2011

Tsy nahombiazana tamin'ny lazany ny fanoherana tany Gabon teo amin'ny sehatry ny vaovao iraisam-pirenena fa mbola variana nitodika tany amin'ny krizin'i Ejipta ny olon-drehetra. Nanontany tena i Mohamed Keita ao amin'ny Komity hoan'ny Fiarovana ny mpanao gazety (CPJ) hoe “tsy maneho an-tsary ny tena sivana ny vaovao tsy marina” any...

Tonizia: Miala any ny Ady ho an'ny Demaokrasia

Iray volana eo izao no nandosiran'ilay filoha Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ka nandeha nialokaloka any Arabia Saodita, tao anatin'ireo fitakiana maro nifanesy nanerana ity firenena ao Avaratr'i Afrika ity nitakiana ny fialàny. Ho an-dry zareo Toniziana, na izany aza, tsy mbola vita akory ny ady ary ny fanendahana ilay mpanao jadona tsy midika velively fa tapitra hatreo ny jadona. Ny marina, matetika ny Toniziana no mamaritra ny fitondrana jadon''i Ben Ali nandritra ny 23 taona ho toy ny orita voatapa-doha, fa tsy ny tanany.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr