· Desambra, 2010

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Desambra, 2010

Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa

Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

  27 Desambra 2010

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy mba "hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny". Maneho fihetseham-po mialoha ilay fotoan-dehibe mamaivaiy loatra ny mpitoraka bilaogy:

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

  24 Desambra 2010

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.

Cablegate: Lesona momba ny teknolojian'ny fangaraharana

  08 Desambra 2010

Ny telegrama mahatratra hatramin'ny 250.000 ifandraisan'ny Departemantam-panjakana sy ny Masoivoho Amerikana antsoina hoe "Cablegate" avoakan'ny Wikileaks no raharaha mahoraka indrindra eo amin'ny gazety sy ny fitondrana isan-karazany amin'izao fotoana izao. Renata Avila no mijery hoe tahaka ny ahoana no ampianaran'ny Cablegate antsika ny antsoina hoe teknolojian'ny fangaraharana.

Nodimandry i Elie Rajaonarison, Mpanakanto Malagasy Malaza

  02 Desambra 2010

Elie Rajaonarison, poeta Malagasy iray, dia nodimandry ny 27 Novambra 2010 teo amin'ny faha-59 taonany. Mpanakanto feno, efa Sekreteran'ny Kolontsaina. Namoaka bokin-tononkalo koa izy, ary nandika an'i Jacques Prevert, poeta Frantsay iray ho amin'ny teny Malagasy. Mahatsiaro ny andro niainany sy ny zava-bitany ireo mpitoraka bilaogy.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr