· Jolay, 2010

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Jolay, 2010

Ginea: Eo am-piandrasana ny fihodinana faharoa amin'ireo fifidianana lazaina ho feno hosoka

  23 Jolay 2010

An-dàlana ny fifidianana ho filoham-pirenena hanan-tantara any Ginea raha efa akaiky hivoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana ofisialin'ny fiodinana voalohany . Nalamina ho amin'ny 1 Aogositra ny fihodinana faharoa [fr] noho ny fandinihana ireo lazaina ho hosoka ka nanisahana ny datin'ny 18 Jolay efa voalamina tany amboalohany. Toa milaza ny isam-bato tsy ofisialy tamin'ny fihodinana voalohany fa nanana vintana tsara hirosoana amin'ny fifidianana faharoa i Cellou Dalein Diallo sy i Alpha Condé . Na dia eo aza ireo fametrahana ahiahy maro mikasika ny fisiana hosoka eny an-tsefantsefany eny , ny fihetseham-po taratra amin'ny ankapobeny dia ny fahamaivanana sy ny fahafaham-po fa vita tsy nisy savorovoro ihany nony farany ny fanisam-bato, sy ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ireo mpifidy marobe Tafiditra mavitrika amin'izany ihany koa ny tontolon'ny blaogy Gineana

Côte d'Ivoire: Nogadraina ny mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety, i Théophile Kouamouo sy ny ekipany nanomboka tamin'ny 13 Jolay

  22 Jolay 2010

Tamin'ny Talata 13 Jolay, nitatitra ny bilaogin'ny Le Nouveau Courrier [Fr], fa nahazo fitsidihin'ny polisy tsy nampoizina izy ireo tao aorian'ny nanehoana, io maraina io, ny fametrahana voalohany ny fanadihadiana lalina izay naharitra ny herinandro manontolo amin'ny honohono mikasika ny kolikoly amin'ny fivarotana cacao sy kafe any Côte d'Ivoire (jereo...

Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

  18 Jolay 2010

Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora

Maraoka: “Mbola mipetraka ao amin'ny tranon'ny raiamandreniko ” hoy ny tovovavy antitra iray efa 40 taona

Iray amin'ireo vehivavy Marõkana telo no tokantena. Maneho ireo fanadihadiana fa misy ifandraisany betsaka amin'ny halafosana ara-toekarena izy ity , ny tsy fahampian'ny fampianarana, ny tsy fisian'ny demokrasia . Mbola mipetraka amin'ny tranon-draiamandreniny i Samira vehivavy tokantena 40 taona. Mizara ireo traikefany iainany isan'andro izy eo amin'ny blaoginy .

Morocco: Lasibatra ny toeram-pivoahana ho an'ny daholobe

Ilay Maraokana mpitoraka blaogy, Big Brother Maroc [Fr] dia mitatitra ny fanelezana (fanolorana) ny  Bitelma [Fr] ( izay adika tsotra amin'ny hoe Toeram-pivoahana), tranonkala iray anasana ny mpitsidika mba handefa ny sarin'izay “toeram-pivoahana ho an'ny daholobe faran'izay maloto eo anivon'ny firenena” ka avondrona araka ny tanàna sy ny adiresy (tobim-piaran-dalamby,...

R. D. Congo: Fahaleovantena “Cha Cha”

  03 Jolay 2010

Nankalaza ny faha – 50 taonan’ny fahaleovantenany niala tamin’ny zioga Belza ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Raha mbola faly mampidera ny halafon’ny fitaovana ara-miaramila vaovao izay ampiasaina amin’ny fisehosehoana amin’ireo manamboninahitra ny fanjakana , dia mitantara ireo filatroana tany Kinshasa sy Lubumbashi kosa ny mpitoraka blaogy Kakaluigi[fr] sy Congo Miliki [fr], eo andanin’izany, mampahatsiahy ny vanim-potoan’ny fahaleovantena sy ny zava-bita tsara indrindra tamin’ireo androm-panantenana ny mpitoraka blaogy Kongole sasany.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr