· Desambra, 2009

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Desambra, 2009

Madagasikara tamberina 2009 – fizarana voalohany -

  31 Desambra 2009

Mby amin'ny fahataperany ity ny taona 2009. Taona nanjakana ary mbola anjakan'ny hotakotaka ho an'i Madagasikara. Ity lahatsoratra manaraka ity ny tapany voalohany (mitantara ny volana Janoary ka hatramin'ny Aprily) amin'ny fizarana roa manamarika ny taona 2009, raha tarafina avy amin'ireo olom-pirenena niaina tao anatin'ity savorovoro ity. Janoary: Raha nanomboka...

Guinea: fikasana hamono an'i Dadis Camara, lehiben'ny miaramila

  14 Desambra 2009

Araka ny voalazan'ireo loharanom-baovao maro, ny kapiteny Dadis Camara, lehiben'ny miaramila izay nandray ny fahefana tany Guinea tamin'ny Desambra 2008 avy amin'ny fanonganam-panjakana, dia notifirin'ny mpanampy azy ary naratra omaly tany Conakry. Maro tamin'ireo mpanaraka ny RFI, manondro an'i Camara ho tompon'andraikitra tamin'ny vono moka natao tamin'ny mpanohitra ny andron'ny 28 Septembra, no miantso azy ity ho valifaty.

Adihevitra mikasika ny fiavaham-pirenena frantsay

  12 Desambra 2009

Hatramin'ny fiandohany dia efa nahazo tsikera mivaivay na mandritra ny fotoam-pivoriana na amin'ny aterineto ny dihevitra natsangan'ny fitondrana momba ny “Identité Nationale” na fiavaham-pirenena. Namoaka “topimaso” momba ny vohikala ofisialin'ny fitondrana frantsay debatidentitenationale.fr [Fr] tamin'ny 2 novambra lasa teo ny vohikalan'ny Vaomiera mpanara-maso ny adihevitra debatpublic.net, izay natsangana ihany koa ny...

Ala mitentina $460 000 isan'andro no potika eto Madagasikara

  11 Desambra 2009

Raha manatrika vovonana iraisam-pirenena karakarain'ny Firenena Mikambana momba ny toetr'andro any Copenhagen ny firenen-drehetra dia Madagascar, nahapotika sahady ny 90%n'ny ala voajanahariny i Madagasikara, ary mbola iharan'ny fanondranana hazoala an-tsokosoko hatrany. Vitana ekipa miafina mpanao famotorana iray manko ankehitriny ny dosie iray manontolo momba ny fitrandrahana bolabola (bois de rose)...

Frantsa: Andro tsy misy mpiavy

  07 Desambra 2009

Maro amin'ny mpanara-maso sy mpikatroka ny politika frantsay no miahiahy tetika hafahafa ao ambadiky ny adi-hevitra momba ny “identité nationale na fiavaham-pirenena” izay natsangan'ny filoha Nicolas Sarkozy sy ny Minisitry ny fifindra-monina, fampanazarana, fiavaham-pirenena ary ny fampandrosoana miray hina [Fr], Atoa Eric Besson. Nampiandraiketina tamin'ny prefe solontenan'ny fanjakana eny anivom-bahoaka...

Maraoka:Mitohy ny ady atao amin'ny mpanao gazety

  04 Desambra 2009

Manamafy ny fanenjehana ny mpanao gazety mahaleotena ny fanjakana Marokana. Ao anatin'ny herinandro iray dia tsy maintsy mahita tsy fanarahan-dalàna ny fanjakana, mba hanamelohana ny asa fanaovan-gazety, na ny an-tsoratra izany na amin'ny haino aman-jerin'ny aterineto. Niady hevitra momba izany fizotry ny raharaha izany ireo mpitoraka blaogy.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr