· Mey, 2009

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Mey, 2009

Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray

  24 Mey 2009

11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny  mozika Mawazine. Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja  Hay Nahda hipooky ny...

Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana

  21 Mey 2009

Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no fanombohan'ny fiverenana...

Masoandro mihiratra ho an'ny kilemaina any RDC

  20 Mey 2009

Tsy ialam-pahasarotana ny fiainan'ny olona manan-kilema sy maleny any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Maro ny fahasahiranana atrehin'ny kilemaina noho ny fahabangan'ny fanohanan'ny fanjakana sy ny fahavitsian'ny asa. Miezaka ny mitatitra matetika ny fiainan'ny kilemaina sy ny malemy ao amin'ny fienena misy azy ny mpanao gazety kôngôley sady miandraikitra ny Congoblog...

Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC

  20 Mey 2009

Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete. Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny...

Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404

  17 Mey 2009

Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr