· Febroary, 2009

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Febroary, 2009

Maraoka: matsiro fotsiny amin'izao!

  26 Febroary 2009

Tahaka ny resaka hanina avokoa no resaka tao amin'ny blogoma (bolongana maraokana) tamin'ity herinandro ity. Iray amin'ny heverina fa sarotra sy matsiro indrindra manerantany ny Moroccan cuisine (nahandro maraokana) izay avy amin'ny nahandro Arabo, Espaniola, Tiorka, Jiosy, ary fomban-drazana Amazigh sady fantatra amin'ny fampiasana anana sy episy (mpampatsiro hanina). Mahalala...

Colombia: Tratra ny fitsikilovana ara-pifandraisana tsy manara-dalana

  26 Febroary 2009

Tamin’ny herinandro lasa teo, nabaribarin’ny Semana news magazine fa ireo mpiasa sasany tao amin’ny birao misahana ny fiarovana (DAS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola), « polisy miafina » an’i Colombia, dia efa nanao fandraisam-peo tsy ara-dalana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpitsara, ireo manampahaizana, ary – tamin’ity indray toraka ity – dia ny mpiandraikitra ao amin’ny governemanta mihintsy izay tena akaiky an’i Filoha Alvaro Uribe, koa anisan’izany koa ny Sekreterany manokana ara-dalana sy ny mpiandraikitra avy ao amin’ny birao misahana ny fiambenana azy manokana. Ny ratsy indrindra, araka ny voalaza ao amin’ny boky mpiseho isan’andro (magasine), dia toa hoe namidin’ireto polisy sasantsasany tamin’ny « mpanera govana », antsoina amin’ny anarana hoe guerrillas, mpiantafika na mpanodikodina rongony, ireo loharanom-baovao azo avy tamin’ny horonam-peo an-telefonina tsy ara-dalana. Taitra ny mpamaham-bolongana manoloana ny fanambarana.

Martinika: momba ny fahaleovantena sy ny “fifehezana” frantsay

  22 Febroary 2009

Raha mbola mitohy moa ny fihetsiketsehan'ny mpiasa any Martinique sy Guadeloupe, dia misy ny mpamaham-bolongana any Martinique mihevitra fa mety te-hahaleo tena itony departemanta ampitan-dranomasina itony. Toy ny nanafintohina an'i le blog de [moi] sy heveriny ho misy fanindriana aloka ihany ny hevitra heverin'ny mpamaky azy fa noho ny mahakely ny nosy no mahatonga azy ireo ho ambany alokaloky ny hafa mandrakariva.

Madagasikara: hisy ve ny fanapahan-kevitra hialana amin'ny olana?

  22 Febroary 2009

Fifampiresahana (sary nalain'i Avylavitra) Nanatratra ny faratampony ny herisetra politika nanomboka hatramin'nyvolana janoary teo tamin'ny 7 Febroary teo raha 30 raha kely indrindra ny Malagasy maty notifirin'ny tafika, tafiditra tao anaty fifanenjanana politika manko i Madagasikara. Maro ny diplaomaty avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nanao asam-panelanelanana hisian'ny fifanarahana eo amin'ny...

Madagasikara: Mampihorohoro an'Antananarivo ny tsaho

  15 Febroary 2009

Simban'ny krizy politika efa mandratra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao Marina sy ny fahafaha-miteny. Mandeha ny fandrahonana ary miely ny tsaho, manampy trotraka ny fampihorohoroana tsy mampilamina sy tsy mampitombina mihitsy izany rehetra izany. Taterin'i Jentilisa, mpamaham-bolongana iray tsy manohana mihitsy ny hetsika fanoheran'i Andry Rajoelina, fa nahazo fandrahonana izy:...

Madagasikara: Miady hevitra ny momba ny Asabotsin-drà ny mpamaham-bolongana

  13 Febroary 2009

Nihamatroka ny toe-draharaha teto Madagasikara hatramin'ny 26 janoary 2009 nisiana fihetsiketsehana sy fandrobana nahafatesana hatramin'ny 50. Mbola nandriaka ny ra ny andron'ny Asabotsy 07 Febroary. Tononin'ny sasany ho “Asabotsy Mena” koa noho ny nitifiran'ny mpiambina ny filoha ny mpanao fihetsiketsehana nifamorivory teo ivelan'ny lapan'Ambohitsorohitra. Nizotra ho eny an-dapa ny mpanao...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr