· Desambra, 2008

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Desambra, 2008

RD Kongo: Krismasy nampahonena

  26 Desambra 2008

Cedric Kalonji no manoratra ny noely ("ny noelinay ry zareo" an'Ny Nanahary) mampahonena nianany tao Kinshasa (miaraka amin'ny sary). Amin'izao fotoanan'ny krizy izao dia tahaka ny tsy mieritreritra te-hifety izany ny Kinois (mponina ao Kinshasa).

Mangina ny tanàna any Ginea taorian'ny fanonganana, hoy ny mpamaham-bolongana

  25 Desambra 2008

Nanjaka ny savorovoro tany Conakry taorian'ny nampodimandry an'i Filoha Lansana Conte (misy malagasy faly ery manonona anarana hafa saingy tsy soratako etoana kosa izany) sy ny fahombiazan'ny fanonganam-panjakana notarihin'ny Jeneraly Ginieana Moussa Dadis Camara. Nitondra amim-pangejana mafy an'i Ginea nandritra ny ampahaefatry ny taonjato iray i Conte. Toa tsinjo nihamalemy...

Madagasikara: Televiziona noterena hijanona

  23 Desambra 2008

Noho ny nandefasany ny lahatsarin'ny mpanohitra iray an-tsesintany dia nakaton'ny fanjakana ny VIVA televiziona. Miady hevitra momba ity fanapahan-kevitra politika ity sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahafaham-pitenenana ny mpamaham-bolongana.

Madagasikara, Kenya: Fahendrena ve ny mampanofa tany ny vahiny?

  21 Desambra 2008

Noho ny horakora-pahatezerana nisy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia natsahatra ihany ilay fifanarahana hampanofa amin'ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics ny ampahany betsaka amin'ny betsaka ny tany azo volena eto Madagasikara. Nefa mihamitombo hatrany koa etsy ankilan'izany ny fifanarahana fampanofana tany eo amin'ny firenena manankohariana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary dia manontany tena ny mpamaham-bolongana raha tena ahazoan'ny olo-tsotra tombotsoa tokoa itony karazana fifanarahana itony.

Madagasikara: Namaly izay lazaina fa sivana atao amin'ny piesy “47” Lafrantsa

  21 Desambra 2008

Pierre Maury no mitatitra fa efa novalian'ny fitondram-panjakana frantsay ny fanamelohana fa tratran'ny sivana ilay piesin'ny tantaran'ny tolona ho amin'ny fahaleovantena “47″ nataon'i Jean-Luc Raharimanana sy Thierry Bedard. Victoire Bidegain Di Rosa, mpanolotsaina ao amin'ny minisiteran'ny kolontsaina frantsay no manazava fa tsy voatery hahaliana ny firenenkafa aty amin'ny faritra ilay...

Madagasikara: Nosivanin'ny Fitondrana Frantsay ny piesy teathralin'ny Tolom-panafahana

  15 Desambra 2008

Nofoanan'ny solotenam-panjakana frantsay misahana ny tapany atsimon'i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tsy misy fanazavana ny fitetezantany ilay piesy teathraly mampahatsiahy ny tantaran'ny tolom-panafahana hahaleovan'i Madagasikara tena tamin'ny 29 marsa 1947. Mbola mitohy ihany koa ny adihevitra momba ity resaka ity ato amin'ny aterineto. Misy lahatsary ato.

Goadelopa: Lafo loatra ny lasantsy, mikatso ny nosy

  11 Desambra 2008

Taorian'ilay fikatsoana tanteraka nitranga tany Goyana Frantsay, dia anjaran'i nosy Karaiba Frantsay ao Goadelopa indray no nifoha tamin'ny torimasony. Ilay nosy miendrika lolo ampifanohizan'ny tetezana tahaka ny  “le Pont de la Gabarre” sy ny “le Pont de l'Alliance” no voly tanteraka tamin'ny andaniny roa: Grande-Terre sy Basse-Terre. Gwada ao amin'ny ...

Senegaly: Fikorontanana an-tsekoly

  06 Desambra 2008

Maro ny mpanao gazety sy mpamaham-bolongana Senegaly no mitodika amin'ny fanamby lehibe atrehina amin'ny fitaizana ny ankizy any Senegaly. Ao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny vohikala vaovao PressAfrik [fr], no anoratan'i Awa Diédhiou fa “Tandindonin-doza ny sekoly Senegaly”, satria maro amin'ny sekoly – indrindra ny ao Dakar – no manakaiky loatra ny...

Goyana Frantsay: Fitokonambe tsy misy milaza

  03 Desambra 2008

Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina. Amin'izao fotoana izao dia €1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny fidinan'ny solika izay tafidina ambanin'ny US$ 50,00 ny iray baril herinandro vitsivitsy lasa izay. Manome ny akon'izany fihetsiketseham-bahoaka izany ny tontolom-bolongana Goyaney Frantsay.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr