· Jolay, 2008

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Jolay, 2008

Varavarana miafina ny AFRICOM

  28 Jolay 2008

Parole de Democrate [Fr] no mieritreritra fa vavahady miafina hidirana sy hampielezana ny Amerikana miafina eto Afirika ny AFRICOM ary lazainy fa efa nanao iraka miafina tao anatin'ny sisintanin'i Alizeria ny vondrotafika Amerikana, araka ny loharanao tsy voatonona iray.

RDC: 1.3 miliara dolara ny vola niodina

  27 Jolay 2008

[Tsikin'ny mpandika teny: Tsy vola maditra tsy akory no lazaina fa vola navilivilin'ny sasany] Tany Congo, Nomelohin'ny fiadidiana ny praiminisitra ny sampan-draharaham-panjakana folo any aminy, ary tafiditra amin'izany fanodikodinam-bola mahatratra 1.3 miliara dôlara izany ny sampan-draharaha mpitaky hetra sy haba isan-karazany, ny JIRAMA kongoley ary ny fiantohana, hoy ny tatitry...

Vakiboky: “La Chinafrique”

  21 Jolay 2008

Théophile Kouamouo [amin'ny teny Frantsay] no mamitimpintina (tsindrio eto) lavalava ao amin'ny bolongany  ny boky mitondra ny lohateny hoe La Chinafrique: Pékin à la conquête du continent noir (na Shinafrika : Beinjing te-hambambo ny kaontinanta Mainty) nosoratan'i Serge Michel sy Michel Beuret, Boky miresaka ny  ataon'ny Shinoa eto Afrika. Hoy...

Madagasikara: Fanambadiana aloha loatra sy fahasimban'ny taova

  18 Jolay 2008

Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra)...

Côte d'Ivoire: Momba ny kolikoly

  18 Jolay 2008

Noresahin'i Théophile Kouamouo [Fr] ny hetsika manokana iadiana amin'ny kolikoly baikon'ny filoha Laurent Gbagbo tany Cote d'Ivoire. Hoy ny sorany: “Hotsaraina ny Oloben'ny orinasan-kafe sy Cacao. Fa tsy hiresaka  betsaka momba ny fahadiovan'ireo mitsara azy isika. Marefo tahaka ny mpanao politika Ivoariana ihany ny  Fitsarana[…] Mila fiovan'ny toe-tsaina marina tokoa...

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny ady tany

  14 Jolay 2008

Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fihokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia...

India : Taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy, iva indrindra hatrizay hatrizay

  09 Jolay 2008

Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no manapariaka ao amin'ny Natifnatal ny tatitra nataon'ny ActionAid, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG, NGO] avy any Angletera, izay mampiharihary fa latsaka amin'izay iva indrindra hatrizay hatrizay ny taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy any India ankehitriny : Dans ce pays où tout le monde...

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr