Tantara misongadina momba ny Frantsay
Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i Madagasikara
[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009]
Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona iraisam-pirenena ...
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.
2009-11-12
Maraoka: Indro tonga ny Masoandro
Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.
2009-10-16
Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry
Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra ary navoakan'ilay mpanao gazety frantsay Olivier Rogez tao amin'ny Radio France Internationale tamin'ny voalohany Oktobra 2009, roa ...
2009-10-08
Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana
Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary
Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail. Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny ...
2009-09-30
Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasy
Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.
2009-09-17
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io
Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany ...
2009-09-08
2009-08-26
Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky
Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.
2009-08-16
Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”
Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo ...





