· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Frantsay Kiriolona tamin'ny Marsa, 2011

Haiti : Ny mpihira sa ny mpampianatra?

  22 Marsa 2011

Araka ny vaovao ao amin'ny Twitter momba ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana Filoha am-pirenena androany ao Haïti, filaharan-be tao amin'ny birao fifidianana, tsy nahita ny anarany tao amin'ny lisi-pifidianana ireo mpifidy tao amin'ny Lycée Petion sy tao amin'ny Lycée Croix des Bouquets , toe-javatra izay efa nahatonga olàna tamin'ny fihodinana voalohany tamin'ny...

Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary

  20 Marsa 2011

Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka. Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly, ireo Kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.