Tantara farany mikasika an'i Frantsay Kiriolona
04/11/2012
Saint Lucia: Fetin'ny Jounen Kwéyòl (Andro Kiriolona)
-sTamin'ny alahady (heriny) no nankalazan'ny tao Saint Lucia ny fety fanao isan-taona antsoina hoe Jounen Kwéyòl (Andro Kiriolona). Ny androm-pankalazana no faratampon'ny Iray Volan'ny Vakoka Kiriolona.
16/10/2011
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy
Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.
22/03/2011
Haiti : Ny mpihira sa ny mpampianatra?
Araka ny vaovao ao amin'ny Twitter momba ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana Filoha am-pirenena androany ao Haïti, filaharan-be tao amin'ny birao fifidianana, tsy nahita ny anarany tao amin'ny lisi-pifidianana ireo mpifidy...
20/03/2011
Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary
Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka. Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly, ireo Kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra androany maraina avy amin'ny mpampiasa Twitter any an-toerana any Haiti moa dia nilaza ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana, raha ny maro ampitan-dranomasina kosa dia mifantoka tamin'ny nitifirana akaiky dia akaiky ilay mpihira rap teraka Haisiana Wyclef Jean, mpanohana an'i Martelly. Indreto manaraka ireto ny sary voafantina nivoaka tao amin'ny Twitter tany Haiti tamin'ny ora nisokafan'ny biraom-pifidianana—na ny fikasana hanokatra azy—tamin'ny maraina.
04/08/2010
Haiti: Iharan'ny herisetra ireo vehivavy sy zazavavy nafindra toerana
Vokatr'ilay horohoron-tany nandringana tany Haiti, mbola iharan'ny herisetra ihany ireo vehivavy sy zazavavy, ary ny sasany amin'izy ireo dia tsy hoe voaolana fotsiny ihany, fa mbola mizaka ny tsy fisian'ny rafi-pitsarana sy ny tsy fahampian'ny fitsaboana ihany koa.






























RSS ho an i Frantsay Kiriolona 




Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa