Tantara mikasika ny Filipiana tamin'ny Aogositra, 2011
Filipina: Fiankohofana Amin'ny Tany Ho Fanoherana Ny Fanenana Ny Vola Ho An'ny Fampianarana
Mpianatra an'arivony no nidina an-dalam-be tao Filipina ny 19 Jolay 2011, mangataka ny fampiakarana ny teti-bola ho an'ny fampianarana avy amin'ny Filoha Noynoy Aquino andro vitsivitsy monja talohan'ny fanambarany ho an'ny firenena. Nampiasa ny fiankohofana amin'ny tany ireo mpianatra mba hanehoan'izy ireo ny alahelony.