The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Farsi Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Farsi

2009-05-21

Iran: ex-mpiambina revolisionera mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mampiasa aterineto kelyVideo post

Anisan'ny efatra tsara vintana nofantenan'ny filan-kevitry ny mpiambina revolisionera any Iran ny mpitarika revolisionera tany Iran teo aloha Mohsen Rezai hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 12 jona ho avy izao. Maivana ny fampielezankevitra an-tseraseran'i Rezai mitaha amin'ny an'ireo telo hafa mifaninana aminy, saingy vitany lisitra ao amin'ny vohikalany fanaovany propagandy ny anaran'ireo mpamaham-bolongana manohana azy.

2009-05-17

Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena

Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi. Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny "fampielezan-kevitra 88" ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i ...

2009-02-26

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)

2008-12-29

Iran : Tamberin'ny taona 2008

Tamin'ny volana Aprily 2008 no namoahan'ny Berkman Center for Internet and Society (ivotoeran'i Berkman misahana ny aterineto sy ny [orinasa na] fiaraha-monina) fanadihadiana mahaliana milaza fa manodidina eo amin'ny 60 000 eo ho eo ny isan'ny bolongana iraniana tsara fahana. Misy isan-karazany ny bolongana any Iran, ary tamin'ny taona ...

2008-12-27

Iran: Mpamaham-bolongana Islamista Iraniana manohana an'i Gaza

Mpamaham-bolongana Islamista maro no manao fanaitairana ho fanoherana ny fahirano atao amin'ny tehezan-tanin'i Gaza ka manentana ny tontolo Miozolomana hamonjy ny Palestiniana. Mampiasa fitaovana maro tahaka ny Google bombs sy ny banners ny mpamaham-bolongana hielezany eo amin'ny tontolom-bolongana sy hampiroboroboana ny hetsika. Fanampin'izany dia misy fikambanana mpamaham-bolongana Islamista antsoina hoe Paygahe ...

2008-12-10

Iran: Fanoheran'ny mpianatra ny jadona sy ny fanavakavahana ny vehivavyVideo post

Sary avy amin'ny yaarinews.com Nikarakara fihaonam-panoherana ny fitondrana iraniana sy ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolon'i Teheran tamin'ny alahady teo ny fikambanana mpianatra iray ho fahatsiarovana ny Andron'ny Mpianatra, nitsingerenan'ny namonoana ny telo tamin'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'iTeheran tamin'ny 6 Desambra 1953. Daftare Tahkim Vahdat (midika hoe Biraon'ny Fanamafisana ny Fampiraisana), fikambanana ...

2008-10-15

Iran: fitokonana noho ny hetram-barotra vaovao

Nitokona ho fanoherana ny hetra momba ny varotra 3% vaovao - na fanampin-tsandan-ketra nandritra ny roa volana ny mpivarotra any amin'ny Bazariben'i Teheran, sy ireo any amin'ny bazarin'ny tanàna lehibe Iraniana tahaka an'i Tabriz, Isfahan ary Mashad. Nahanton'ny fitondrana moa ny fampiharana ilay lalàna, ary manondro ny mpitatitra sasany fa niverina ...

2008-07-31

Iran : Nifarana tany amonja ny diam-panoherana nataona mpitondra fivavahana

Mpitondra fivavahana Iraniana antsoina hoe Ali Reza Jahanshahi no nosamborina tapabolana lasa izay, rehefa nanomboka ny diam-panoherana 960 kilometatra (590 maily) avy any an-tanna atsimon’i Iran Sirjan ho any Teheran. Notoherin’ilay mpitondra fivavahana manko ny kolikolim-pakana tany tao Sirjan ary nitarainany ny fitondrana mahefa ho tsy miraika loatra amin’ity raharaha ity. Nosamborina i Jahnashahi raha vao nahavita 30 kilometatra akaikin’ny tanànan’i Abadeh.

2008-07-23

Iran: Maneho hevitra amin'ny fifanarahan'ny Hezbollah sy Isiraely ny bilaogera Iraniana

Raha faly amin'ny fanafahana ny gadra Libaney any Isiraely ny fitondram-panjakana Iraniana, nanontany ny momba ireo Iraniana nosamborina any Libanona kosa ny mpamaham-bolongana Iraniana, hoy Hamid Tehrani, izay nanangona ireo fanehoan-kevitry ny mpamaham-bolongana Iraniana voangona ato amin'ity lahatsoratra ity.

2008-07-05

Iran : Homelohina ho faty noho ny blaogy ?

Tamin'ny Alarobia teo dia nanaiky ny parlemanta iraniana ny hiadiana hevitra mikasika ny volavolan-dalana izay "hanamafy kokoa ny sazy ho an'izay manohitohina ny filaminan-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina". Araka io volavolan-dalana io moa dia ho atao isan'ireo heloka mety hampiarana ny fanamelohana ho faty ny "fanaovana tranokala na blaogy manindraindra ny ...