Tantara mikasika ny Farsi tamin'ny Avrily, 2014
Taratasy Nosoratana Iraniana Mpitoraka Bilaogy Voafonja Miresaka Momba Ny Fampijaliana Azy
Nanoratra taratasy iray azo vakian'ny olon-drehetra tao anatina efitrano kely iray mifefy vy miaraka amin'ireo mpiray efitra aminy miisa 40 ilay mpitoraka bilaogy fantatra amin'ny anarana hoe Siamak Mehr. Manefa sazy mandritra ny 4-taona izy nohon'ny nanoratany lahatsoratra iray tao anatin'ny bilaoginy.
GV Face: Fa Inona No Nitranga Tamin'ny Blaogeran'i Iran?
Angamba tsy vita hatreo ny famahanam-blaogy, fa niova toerana fotsiny? Nanolotra fanadihadiana lalina momba ny tontolom-blaogy Persiana i Arash Kamangir sy i Laurent Giacobino.
Taorian'ny Iray Maty, Matahotra Ny Mety Hanjò Ireo Nalaina An-keriny Efatra Ambiny Ny Iraniana
Nalain'ireo mpikomy ao akaikin'ny sisitanin'i Iran-Pakistan ireo miaramila dimy tamin'ny volana Febroary ary fantatra fa namoy ny ainy ny iray tamin'izy ireo, Jamshid Danaeifard. #FreeIranianSoldiers (Avotsory ireo Miaramila Iraniana) hoy ny Iraniana tao amin'ny Twitter.