· Desambra, 2012

Below are posts about citizen media in Farsi. Don't miss Global Voices به فارسی, where Global Voices posts are translated into Farsi! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Farsi tamin'ny Desambra, 2012

Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina

  26 Desambra 2012

Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse) atao grefy. Nanafaingana ny hetsika ireo Iraniana malaza marobe mba hanampy amin'ny fanaparitahana ny hafatra ho fanavotana azy. Nampiasa ny tambajotra...

Hetsika “Voafonja Ny Latsabatoko” Hanohanana Ireo Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Iran

Naraha-maso akaiky nandritra ny 650 andro ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teo aloha sy lehiben'ny Hetsika Maitso, Mir-Hossein Mousavi, sy Mehdi Karroubi, miaraka amin'ny vadin'i Mousavi, Zahra Rahnavard. Nitodika tany amin'ny media sosialy ny vondronà Iraniana mpampiasa aterineto mba hanairana sy hanosehana ny famoahana an'ireo voafonja noho ny fanehoan-kevitra ireo.

Lasan'i Afganistana Ny Amboaran'ny Firenena Mpanao Kolikoly Indrindra

  15 Desambra 2012

Afghanistan no heverina ho ny firenena faran'izay mpanao kolikoly indrindra eto an-tany tao anatin'ny fanadihadiana isan-taona nataon'ny mpanaramaso ny kolikoly eran-tany. Niteraka andianà famoriam-bahoaka hanoherana ny kolikoly nanerana ity firenena rotiky ny ady ity ny famoahana ilay fanadihadiana. Tao Bamyan, ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny fiarahamonina sivily ao amin'ny faritanin'i Bamyan (aka Bamiyan) dia nanolotra sary famantarana iray maneho ny filoha Afgana Hamid Karzai miaraka amin'ny 'Amboaran'ny Firenena Mpanao Kolikoly Indrindra'.

Ireo pejinay momba an i Farsi

fa