· Avrily, 2008

Below are posts about citizen media in Farsi. Don't miss Global Voices به فارسی, where Global Voices posts are translated into Farsi! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Farsi tamin'ny Avrily, 2008

Iran: Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea

  13 Avrily 2008

Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea iray nandritra ny fotoam-pivavahana Asabotsy tao an-tanànan'i Shiraz atsimon'i Iran,Olona valo farafahakeliny no maty tamin'izany ary 66 no naratra. Sayetanha,mpamaham-bolongana avy ao Shiraz, no niteny[Fa] fa maro no maty fa tsy voa kosa ny mpitondra fivavahana.

Iran: Sary tamin'ny fipoahana baomba

  13 Avrily 2008

Namoaka sary vitsivitsy tamin'ny (taoriana) fipoahana baomba tao amina moskea  iray tany atsimon'i Iran izay tao an-tanànan'i Shiraz ka nahafatesana olona 8 farafahakeliny i Erfan avy ao amin'io tanàna io ihany. Nilaza moa ny mpamaham-bolongana fa matahotra izy ny hampiseho ny fakantsariny hany ka tamin'ny findainy avokoa no nakany ny sary.

Afghanistan : Atrikasa voalohany amin'ny fitorahana blaogy tao Kabul

  09 Avrily 2008

Nahatontosa ny atrikasa voalohany teo amin'ny tantaran'izy ireo ny Fikambanan'ny Mpitoraka Blaogy ao Afghanistan [Afghan Association of Blog Writers] (Afghan Penlog) rehefa nisedra tsy fahampian'ny vola sy ny herin'aratra. Tamin'ny 3-4 Aprily no natao tao Kabul io atrikasa io niaraka tamin'i Nasim Fekrat sy Masoumeh Ebrahim [Fa], mpitoraka blaogy mavitrika...

Iran: Miantso fihavaozana i Ahmadinejad

  09 Avrily 2008

Mahmoud Ahmadinejad, Filoha Iraniana, tamin'ny famahanam-bolongana farany nataony, no niteny [Fa] fa mila fanavaozana ny firenena ary tsy tokony afangarontsika ny fahakamoana sy ny fifikirana amim-pahalalàna ny nentim-paharazana.Niangavy ny olona izy tsy hatahotra ny fanavaozana.

Iran : Voasivana ny Vaovaon’ny Shia

  05 Avrily 2008

Lazain’i Bahraini [Fa] fa sivanin’ny mpitondra ny vohikalam-baovaon’ny Shia Iraniana ( foibem-pampahalalam-baovao ho an’ny shiita) nefa tsy misy manazava ny anton’izany. Ampian’ny mpamaham-bolongana moa fa nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny asany ny mpitantana ny vohikala. Indreto misy saripikan’ny fotoampisokafan’ny Vaovaon’ny Shia.

Iran : Sarin’ny mpivarotena

  05 Avrily 2008

Mahatsiahy an’i Kaveh Golestan, ilay mpaka saripika Iraniana malaza indrindra, izay matin’ny vanja milevina tamin’ny 2003 tany Iràka teo amin’ny faha-51 taonany i Sibiltala. Tian’ny mpamaham-bolongana [Fa] ny saripikan’i Kaveh avy amin’ny mpivarotena Iraniana talohan’ny Revolisiona Islamika.

Ireo pejinay momba an i Farsi

fa