The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

English Sokajy ara-teny

RSS ho an ny English

2008-12-21

Israel ,
Argentina

Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela Almeida sy Jose Kura. “Tamin'ny taona 2007 no nanasana an'i Kura sy Almeida hitsidika ny kibbutz (natsangan'ny mpifindra-monina jiosy avy any Arzantina) hanao hosodoko an-drindrina ny andavanandrom-piainana isan-karazany ao amin'ny kibbutz,” hoy Israeli Mom.

Wall Murals (Sourced from www.israelimom.org)

2008-12-19

Fikiro ilay tontolo miteny-manomeza ho an'i Global Voices!

Mila ny fanampianao ara-bola ny Global Voices hampitoetra azy hahaleo tena, afaka ary hanam-paharetana. Manomeza izao ho an'i Global Voices, ary ambarao (asehoy) ny fandraisana anjaranao amin'ny fanomezana vahana ireo tantara, sary sy lahatsary avy amin'olo-tsotra manerantany mampiasa ny aterineto hifandraisany amin'ny mponin'izao tontolo izao namany (ianao izany!).

2008-12-18

Meksika: Manam-pahaizana manokana momba ny ady amin'ny fakana an-keriny nisy naka an-keriny

Mampatahotra ny maro ny heloka bevava any Meksika. Ny fakana an-keriny manokana moa dia mpitranga manerana ny firenena indrindra fa amin'ny ilany avaratra amin'ny firenena. Tranga mampihomehy amin'ity raharaha he recent abduction of U.S. anti-kidnapping expert Félix Batista is an ironic twist in this ongoing fight against organized crime, leaving some to wonder if experts are not safe, then where does that leave ordinary Mexicans?

2008-12-17

Nepal: Tsaho momba ny zom-pirenen'ilay mpampihorohoro sisa velona tany Bombay (Mumbai)

Mandeha dia mandeha amin'ny aterineto ankehitriny ny tsaho manodidina ny fihavian'ilay mpampihorohoro sisa velona tamin'ny fanafihana an'i Bombay dia i Ajmal Amir Kasab izany. Tamin'ity indray mitoraka ity izany dia miara-dalana amin'ny anaran'i India sy Pakistan ity ny firenen'i Nepal. Tamin'ny 15 Desambra dia nilaza ny mpahay lalàna Pakistaney C M ...

SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovanaVideo post

Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.

Egypt ,
Palestine

Foko Arabo iray any Al Jaleel no milaza fa iray mpiray foko amin'izy ireo ny filoha Obama ary hoporofoiny izany. Sandmonkey no mandahateny fa: “Voamarina tokoa ny tahotry ny Zon'ny Amerikana sy ny hetsika Sionista: Foko Palestiniana iray avy any Al Jaleel no mitabataba fa Taranaky ny iray amin'izy ireo i  Obama ary dia Palestiniana koa mazava azy. Eto aho dia manararaotra mampirisika an'i Obama hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana Palestianiana ho avy ka ho Kandidà fahatelo ankoatra ny Hamas sy ny Fatah, ary avy eo, rehefa mandresy, dia hamelona indray ny fifanarahana amin'ny tenany ihany amin'ny fomba mahomby hamahana ny olana eto Amin'ny tapany atsinanana (azia andrefana). Tokony ho mampiaiky volana izany. Ho nirehareha tamin'izay i Kafka!”

George Bush sy Iràka: Ilay Toraka Kiraro

Ho fotoana iray manandanja amin'ny tantara izy ity? Ho avy ve ny andro na ny taona hitantaranao fa izaho, Montather Al-Zeidi, mpanao gazety Irakiana, dia hitantara amin'ny zafikeliko fa efa notorahiko ny kiraroko ny filohan'i Etazonia? Ho ahy moa dia nandeha nampatory ny zanako aho ny nikiry niantso ahy ny raiko fa tokony hamelona ny fahitalavitra avy hatrany aho. Saiky sahalahala amin'izany avokoa ny soratra voalohany nataon'ny mpamaham-bolongana Irakiana indray, rehefa natoritory am-bolana vitsivitsy izay, mba hilazany ny heviny fotsiny.

Cuba ,
Jamaica

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany koa ny Review of Cuban-American Blogs sy Yohandry's Weblog (ES).

2008-12-13

Malawi: Fifaninanana web & ireo filohany ao amin'ny FacebookVideo post

Nitombo ny lazan'ny fitaovam-piseraserana ara-piaraha-monina voalohany any Malawi, araka ny hita tamin'ny fifaninanana Malawita voalohany momba ny aterineto atao tamin'ity volana ity, ary noho ny Filoha Malawita teo aloha sy amin'izao fotoana izao mampiseho ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ary samy manana ny mpanohana azy ihany koa.

Cambodia

Noraran'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny sarimihetsika any Kambôdza ny mpikarakara hetsika ara-kolontsaina iray tsy hampiseho sary manangona voalavo, ny sarin'ny mpitarika ny mpanohitra  Sam Rainsy ary saripikan'ny olona milahatra ho any Phnom Penh hitaraina amin'ny Praiminisitra.

Mong Palatino