The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Anglisy Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Anglisy

2009-11-24

Filipina: Dokambarotra kandidà ho filoham-pirenena amin'ny fahitalavitraVideo post

Hisy fifidianana filoham-pirenena any Filipina amin'ny taona ho avy. Efa nanomboka ny fotoan'ny fifidianana amin'ny famenoana ireo antontan- taratasy filatsahana any amin'ireo biraom-panjakana manerana ny firenena. Ho fanairana sy fampahafantarana ny mpifidy mikasika ny firotsahana ho fidiana manao fandaharana sy mandoa ny vola mifandraika amin'izany ireo mpifaninana ho filoham-pirenena. Sarimihetsika maro ...

Masedoanina: Mihira Skopiana

Ny antoko mpihira kibo saoky ny nahiny “Mihira Skopiana” (Masedoniana: Распеани скопјани amin'ny endritsoratra Sirilika (grika) ary Raspeani skopjani amin'ny endri-tsoratra Latina) dia vondron'ireo olom-pirenena avy ao Skopje izay maneho ny heviny eo amin'ny sehatra sosialy amin'ny alalan'ny hira. Mihaona isan'alahady any amin'ny faritra samhafa manerana ity renivohitry ny Repoblikan'i ...

2009-11-22

Alzeria sy Ejipta: Efa tsy resaka baolina fandaka intsony

Iza no nino fa niteraka fifanenjanana teo amin'ny firenena roa tonta ny fihaonana baolina fandaka (football) iray? Tafakatra any amin'ny dingana tsy novisavisaina ny fifanandrinana teo amin'i Ejipta sy Alzeria ka maro ny mpamaham-bolongana no mihevitra fa tsy misy fifandraisany amin'ny lalao fiadian-toerana handraisana anjara amin'ny fifaninanana ho tompondaka manerantany izao gidragidra eny an-dalambe izao. Mitantara ho antsika i Tarek Amr ary mandika azy ho teny malagasy i Jentilisa.

2009-11-21

Repoblika Dominikana: Mitohy ny olana herinaratra

Vao tsy ampy 3 volana no nandraisany ny asa amin'ny maha filoha lefitry ny CDEEE (Dominican Corporation of State Electric Companies [es]) dia tsy maintsy mitady fanampiana any ivelan'ny fireneny i Celso Marranzini hamahana ny olana herinaratra any an-toerana, izay mihasarotra hatrany. Nisy delegasiona notarihan'i Marranzini nankany Korea Atsimo hitady fanampiana ...

2009-11-19

Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?

2009-11-17

Iran: zavakanto manohitraSary post

Mir Hussein Mousavi, iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso' hatramin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona lasa teo. Nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika maitso nataon'ny Iraniana ny mpanakanto Iraniana sy ...

2009-11-13

Sina: Ranomandry vita sinoa

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao ...

2009-11-12

Maraoka: Indro tonga ny Masoandro

Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.

2009-11-09

Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i MadagasikaraSary post

[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009] Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona iraisam-pirenena ...

Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray

Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne?