Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Avrily, 2015
Nanjavona Teny Amin'ny Sisintanin'i Emirà Arabo Mitambatra Ilay Bilaogera Omaney Muawiyah Alrawahi
Araka ny fanambarana navoakan'ny fikambanana ho an'ny fiarovana ny mpanao gazety, notazonina ny bilaogera Omaney iray, Muawiyah Alrawahi, raha nanandrana ny hiditra tao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny fiara avy any Oman.
Valinteny Manoloana ny Fisalasalana amin'ny Roboton'i Kremlin
Rehefa nahasarika ny sain'ny maro tao amin'ny fampahalalam-baovao Rosiana sy ny tambajotra sosialy ny fanadihadiana momba ny tambajotra nataon'i After Alexander momba ireo roboto, miresaka momba ireo fisalasalana sasany momba ny tambajotra roboto sy ny fiavian'izy ireo izy ankehitriny.
Horohorontany Ao Nepal: Miditra Aterineto Ny Olona Manerantany Hahitany Ireo Havana Aman-tsakaizany
Miditra Aterineto Ny Olona Manerantany Mba Hahita Ireo Havana Aman-tsakaizany
Fanapahan-Doha Nataon'ny ISIS, Olan'ny Vahoaka Ethiopiana fa Tsy Olan'ny Governemanta
Hatramin'ny nanapahan'ny ISIS ny lohan'ireo Kristianina Etiopiana tao Libya tamin'ny herinandro lasa, nanohitra ny fahanginan'ny governemanta taorian'ny fahitana ireo niharam-boina roa ny vahoaka Etiopiana.
Nanatontosa Fihaonambe Iraisampirenena Momba Ny Fandringanana Armeniana i Yerevan
Nanatrika valandresaka miompana amin'ny fahazato taonan'ny Fandringanana Armeniana izay notontosaina tao Yerevan tamin'ny 22 avrily ny Global Voices.
Toby Yarmouk : Eo Anelanelan'ny Maritoan'ny Hanoanana Sy Ny Riandrianan'ny Mahery Fihetsika
Taorian'ny efa ho roa taona namelàna azy ireo ho faty, samy mifaninana mamono ireo izay mbola velona amin'ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana ao amin'ny Toby Yarmouk any Damas, Syria ny Assad sy ny tafiky ny ISIS .
Hong Kong: Nolazaina fa Nidaroka Mpitandro Filaminana Ilay Mpanao Fihetsiketsehana Iray. Mandiso Izany Ny Lahatsary Porofo
Niala tamin'ny fomba fanaony ireo mpivady mba hanampiana an'i Ho Pak-Hei, 17 taona, izay nafahana madiodio tamin'ny fitoriana azy. Mitsangana miaraka amin'ny porofo ireo olon-tsotra mahery fo sahala amin'izy ireo, maneho fa nampangaina tsy ara-drariny ireo mpanao fihetsiketsehana miaro ny demokrasia.
Nanjary Andry Iankinan'ny Ain-dehibe Ny Media Sosialy Taorian'ny Horohorontany Tao Nepal
Manangona tahirim-baovao mba hanomezana fanohanana hoan'ny olona ao Nepal ny tambajotra sosialy manerantany ary miantso ny tokony handraisana andraikitra.
LAHATSARY: Milaza Izao Tontolo Izao Hoe #FreeZone9Bloggers (Avotsory Ireo Bilaogera 9)
Manaramarika ny herintaona nisamborana ireo bilaogeran'ny Zone9 ny Global Voices amin'ny alalan'ity lahatsary nifarimbonana ho fanohanana azy ireo ity. Lazao miaraka aminay hoe: #FreeZone9Bloggers!
Nepal : Tendrombohitra Rakotra Ranomandry Sy Renirano Misasasasa Fa Tsy Misy Rano Fisotro Ny Renivohitra
Raha toa ka manomboka any Korea Atsimo amin'ity herinandro ity ny vovonana Maneran-tany faha-7 momba ny Rano, Nepal kosa dia manolotra trangamba hatao fanadihadiana ny momba tsy fahampiana eo anivon'ny fahafenoana tsy mahazatra .