Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Febroary, 2015
Mety Ho Avotry Ny ‘Big Data’ Ve Ireo Tigra Mpiriorio Sisa Any India ?
Amin'ny fandalinana ireo fandinihana 25.000 nataon'ny tsirairay dia mahita hirika hisamborana ireo mpihaza tigra antsokosoko amin'ny làlany ny mpiaro ireo biby mpiriorio.
Tolo-dalàna Rosiana Handraràna Ny Vehivavy Latsaky Ny 40 Taona Tsy Hifoka Sigara
“Ny vehivavy mifoka sigara,” hoy ny naoty fanazavana miaraka amin'ilay tolodalàna, “dia manimba ny fanànana anaka, hiteraka fahasimbana tsy azo tsaboina amin'ny tahirin-tarazon'ny firenena.”
Karaibiana Mpianatra Lalàna, Mirotsaka Miady Amin'ny Fanondranana Olona
"Ninoanay fa tsy dia nahazo loatra ny fahatakàrana tokony nomen'ny rehetra azy ny fandinihana ny olan'ny fanondranana olona, ary andraikitray ny misarika ny saina hifantoka amin'izy io."
Nodidiana Hisazy 2 Taona An-tranomaizina Noho Ny “Faniratsiràna Mpitondra” Ny Lehiben'ny Mpanohitra ao Koety
Nosazian'i Koety higadra 2 taona an-tranomaizina ny lehiben'ny mpanohitra politika, Mussallam Al Barrak noho ny filazany tamin'ny mpitondra ny firenena fa tsy avelan'ny vahoaka hampihatra ny "fitondrana tsi-refesi-mandidy" [ny mpitondra].
Raràn'i Belarosia ny Tor sy ireo Mpanafim-Panondroana Hafa
Mandrara ireo mpanafim-panondroana an'aterineto i Belarosia, indrindra ireo ampiasaina hiviliana amin'ny sivana apetraky ny fitondrana sy hahatakarana ireo loharanom-baovao an-tserasera voarara ao amin'ny firenena, ka tafiditra amin'izany ireo tranonkalan'ny mpanohitra.
Mahasakana Resa-Pankahalana ao Myanmar Ve ny Peta-Taratasy #Panzagar (Resa-Boninkazo) ao Amin'ny Facebook?
Nanampy "sticker" vaovao antsoina hoe 'Speak Panzagar' ny Facebook ho fanohanana ny hetsika Kabarim-boninkazo hiadiana amin'ny kabarim-pankahalana ao Myanmar.
Noho Ny Fanekena Ny Pelaka Tao Hong Kong, Naka Lokon'ny Avana Ny Valopin'ny Taombaovao
Vondrona iray misy ireo mpikatroka mafàna fo no nanolotra ireo valopy efa mahazatra hatramin'izay, saingy tsy vola no tao anatiny fa ny tantaram-piainana tena izy momba ny fanamby atrehan'ireo pelaka lahy sy vavy mandritry ny fotoana firavoravoana.
Nividy Rindrambaiko Fanaraha-maso Ny Mpitandro Filaminana Sinoa — Ary Navoakany Tamin'Ny Aterineto Ny Taratasy Manaporofo Izany
Hitan'ireo mponina amin'ny aterineto mazava tsara izany izao ny rindrambaiko fitsikilovana ampiasain'ny mpitandro filaminana, ary fantatr'izy ireo hatramin'ny vidin'izany.
Ankizy ao Ejipta Milalao ny Lahatsarim-Pamonoana Ataon'ny ISIS
Tokony hijery ireo heloka bevavan'ny ISIS zaraina amin'ny lahatsary ve ny ankizy? Nipetraka ity fanontaniana ity taorian'ny fandraketana an-dahatsary ireo ankizin'i El Mahalla El Kubra ao Ejypta izay "mamono" ireo ankizy hafa amin'ny fomban'ny ISIS.
Ny Azon'ny 1 Dolara Anananao Ao Kiev
Inona no azo vidiana amin'ny iray dolara ao Kiev? Zavatra vitsivitsy monja, raha ny marina! Nangonin'ny olona iray mavitrika mpampiasa media sosialy ireo hevitra mahaliana kokoa mba ho ao anaty lahatsoratra iray anaty bilaogy .