Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Janoary, 2015
Tandindonin-doza Noho Ny Fisian'ny Solika Mainty Ny Sundarbans Any Bangladesh
Mitaky ny fandraisan'ny governemanta fepetra matanjaka ireo mpanao fihetsiketsehana. Na eo aza izany, rehefa tsy misy fepetra mahomby raisin'ny governemanta dia tsy maintsy mbola hiantehitra amin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ihany i Bangladesh amin'ity olan'ny tontolo iainana ity.
Filipina : An'Aliny Ireo Mitaky Ny Rariny Ho An'ireo Niharam-Boina Tamin'Ilay Rivodoza Haiyan
"Mitomany ry zareo isaky ny mitantara ny tantarany. Tsy noho ny famoizana olo-malala sy fananana kely nandritra ny rivodoza fotsiny"
Kobane Manambara Ny Fandreseny Manoloana ny ISIS
Taorian'ny 133 andro nifanandrinana tao anaty ra mandriaka nifanaovana tamin'ny ISIS, dia nanambara ny fandreseny ihany ny Kiorda Revolisionera ao Kobane.
Maro Lavitra Noho ny Lalao Baolina Kitra Ny Nalaza Tao Brezily Tamin'ny Taona 2014
Misy ihany koa ny oroka pelaka hita amin'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra, ny adihevitra manoloana ny fahavakavahambolonkoditra sy ny fitsaram-bahoaka, hita tao amin'ity firenena lehibe indrindra ao Amerika Latina ity tamin'ny 2014 ihany koa ireo.
Hong Kong : Manakalo Elo Amin'ny Harona Fiantsenàna Ny Hetsiky Ny Mpiaro Ny Demôkrasia
Taorian'ny nampiasan'ny mpitandro filaminana hery tamin'ny fanadiovana ny mpanao hetsi-panoherana teo amin'ny toerana fanaovana hetsika any Mong Kok, nankahery ireo mpanohana azy ireo mpikatroka mafana fo mba handeha hiantsena àny ary mba ho marika fitakiana ilay toerana.
Notsipahan'ny Aterineto ny Vaovao Milaza An'i Birmingham Ho Tsy Azon'ny Tsy Miozolomana Aleha
Taorian'ny fanafihana tao Paris, dia nilaza tao amin'ny fantsom-baovao Britanika i Emerson, "Manampahaizana Manokana Momba ny Fampihorohoroana" ao Amin'ny Fox News , fa "Miozolomana tanteraka" ilay tanàna ao Angletera ka tsy azon'ny tsy Miozolomana aleha.
Fisamborana, Baomba Mandatsa-dranomaso sy Fihetsiketsehana No Nandraisan'i Bahrain Ny Taona Vaovao
Fisamborana ny lehiben'ny mpnohitra malaza, Shaikh Ali Salman no nandraisan'i Bahrain ny taombavao. Mitohy ny fifandonana satria mitaky ny famotsorana azy ny mpanao fihetsiketsehana.
Esorin'i Filipina Mialohan'ny Fitsidihana “Famindram-po sy Fangorahana” Hataon'ny Papa Ireo Mpivarotra Madinika
Notoherin'ireo mpivarotra amoron-dàlana ao Luneta ilay taratasy fandroahana : "Tinay ny Papa. Tsy hanohintohina azy izahay. Tsy mpampihorohoro izahay".
Vonona Handray TEDx ao Damaskosy Ve i Syria Nefa ireo Mpihevitra ao Aminy na any Am-ponja na any an-tsesitany Na maty?
Sarotra hoan'ny hevi-baovao no hisondrotra raha mbola any am-ponja ireo mpitondra hevi-baovao tahaka an'i Bassel Safadi, sy raha novonoina sy nogadraina ary noterena handao ny firenena ny ankamaron'ireo Syriana malalaka fomba fiheverana.
‘Ankizy Maro No Very Amin'ny Toerana Kely Toy Izany': Misaona Ny Lozam-piara Fitateram-bahoaka i St. Vincent
Latsaka tanaty hantsana iray tao avaratr'i St. Vincent ny fiara iray fitaterana, nahafatesana ankizy dimy raha kely indrindra noho izy io nidoboka tamina morondranomasina vatovatoana.