Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Desambra, 2014
Maherin'ny 120.000 Ny Nafindra Toerana Satria Tratry Ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Ampolo Taona i Malezia
Niteraka tondradrano tany amin'ireo fanjkàna any atsinanan'i Malezia ireo oram-batravatra tany. Nampiasain'ireo mpisera ety anaty aterineto ny media sosialy mba hanaraha-maso ny fiantraikan'ilay loza voajanahary sy handrindràna ny asa famonjena sy fanavotana.
Mampitsanga-Bolomaso ao Hong Kong Ny Fivoahan'ny Tranonkalam-Baovao Prô-Demaokrasia Indray Taorian'ny Revolisionan'ny Elo
Nakaton'ny mpanorina azy tamin'ny Jolay lasa teo ny House News, arynilazany fa 'mihorohoro' amin'ny tsindry politika avy amin'ny manampahefana avy ao Hong Kong sy Beijing izy. Nomeny anarana vaovao ho Stand News ankehitriny ilay tranonkalam-baovao.
Efa Mandray Toerana Sahady ny Pejin'Hetsika Facebook Vaovao Rehefa Naroson'i Kremlin Ny Famoahana Didy Hoan'i Navalny
Koa satria moa efa anarivony ireo Rosiana handray anjara amin'ny hetsika 15 Janoary hanoherana ny didim-pitsarana ilay mpitarika ao amin'ny fanoherana Navalny, dia nampandroso tampoka ny famoahana ny didy ho anio 30 desambra ny fitsarana.
Tanora 17 Taona Lasibatry ny Fanolanana Mitaky Rariny Nahazo Vahana ao Nepal
Niteraka resa-be tao amin'ny firenena be tendrombohitra ny taratasy misokatra iray nosoratan'i Puja Bohara, niharam-boinan'ny kapo-dahy tao Nepal, izay firenena anjakan'ny karazan-kerisetra mihatra amin'ny vehivav
Voromby Air Asia Nitondra Mpandeha 162 Niala Tao Indonezia Hoany Singapore Voalaza Fa Nanjavona
Mitodika ao amin'ny nosy Bangka Belitung ao amorontsiraka atsinanan'i Sumatra Atsimo ny manampahefana Indoneziana mba hikaroka ilay voromby nanjavona.
Ho An'ny Olon-tsotra Iray Mpanao Gazety Any Hong Kong, Nahoana No Lasa Loharanon-Tahotra Ny Hoe Lasa Malaza Be Amin'ny Aterineto
Nandefa lahatsoratra tamin'ny tena anarany i Hung Lai Fong, momba ireo hetsi-panoheran'ny mpomba ny demôkrasia ao Hong Kong, ary rehefa lasa be mpamaky io, lasa natahotra ny mety ho valin-kafatra avy any Shina izy.
Hetsi-Panoherana Faobe Tsy Fahita Firy Tao Pakistan Hanoherana ny Radikalisma
Taorian'ilay fanafihana mampihoronkoditra nahafatesan'ny mpianatra mihoatra ny 130 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, dia nisy mpitondra fivavahana iray manahirana ny mieritreritra azy tsy nety nanameloka ny famonoana ka niteraka hetsi-panoherana izany.
Tiorkia : Miha Sarotra Afenina Ny Olan'ny Fitombon'ny Kolikoly
Namoaka ny Tondron'ny Fahitàna ny Kolikoly fanaony isan-taona ny Transparency International. Ny isa dimy nidinan'ny laharan'i Tiorkia no lehibe indrindra ampitahaina amin'ireo firenena hafa rehetra.
Ireo Tantara 14 Nalaza Indrindra tato Tamin'ity Taona 2014 ity?
Tamin'ity taona ity izahay nifantoka tamin'ny maizimaizina tao amin'ireo fandisoam-baovao tamin'ireo tantara nankalazaina hatraiza hatraiza, ary nanohy hampivoaka amin'ny mazava amin'ireo tantara tsy mba misy mpitatitra manerana izao tontolo izao.
Sehatra Matroka fa Nisaona ireo Ankizy Pakistaney Novonoina Tamin'ny Fanafihana tao Peshawar
Notontosaina tany amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao ny fijoroana fandrehetana labozia ho fahatsiarovana ireo novonoin'ny vondrona mitam-piadiana Taliban nisakoroka tany amin'ny sekolin'ny tafika iray tao Peshawar, Pakistan, hatrany Canada ka hatrany Tanzania sy Sri Lanka.