Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Septambra, 2014
Elo Maroloko No Nandravahan'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohana Ny Demaokrasia Ny Tao Afovoan'i Hong Kong
Azo ampiasaina ho fitaovana hitolomana ho amin'ny demaokrasia ve ny elo? Eny indrindra. Ao Hong Kong, mitaky fifidianana madio demaokratika ireo mpanao fihetsiketsehana milamina mampiasa elo mba hiarovan'izy ireo tena amin'ny tifitra sakay sy ny baomba mandatsa-dranomaso; ary mba tsy ho lena rehefa mitifitra tafondron-drano ny polisy.
Ny Maha-Porto Rikàna Hoan'ilay Gadra Politika Oscar López Rivera
Nogadraina tao Etazonia nandritra ny telo-polo taona mahery noho ny foto-keviny ara-politika i Oscar López Rivera
Ambaran'ireo Mpampiasa Twitter Ao Indonezia Ny Fahafatesan'ny Demokrasia Raha Ny Mpanao Lalàna Kosa Manilika Ny Fifidianana
Nalaza tao amin'ny Twitter ny tenifototra #RIPDemokrasi (mandria am-piadanana ry demôkrasia) sy ny #ShameOnYouSBY (henatra ho anao ry SBY) raha naneho ny hasosorany tamin'ny fandaniana lalàna sy ny tsy fankasitrahany ilay filoha teo aloha, SBY, ry zareo Indoneziana.
Fifandonana Henjana Teo Amin'ny Polisin'i Hong Kong Sy Ireo Mpianatra Nanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana
Anjatony ireo mpianatra mpanao hetsi-panoherana no nanangana ny tànany hanehoany fa tsy mitondra fitaovam-piadiana ry zareo ary nanao ampinga olombelona mba hisakanana ireo polisy mpandrava korontana. Saingy nasian'ny polisy tamin'ny tsifotra tsiperifery izy ireo ary ampolony no voasambotra.
Ataon'i Okraina Lasa “Blood Bucket Challenge” ny Ice Bucket Challenge
Ezahan'ny andian-tanora eoropeana sintonina amin'ny alalan'ilay fanamby malaza Ice Bucket Challenge ny sain'ny maro hitodika any amin'ny ady mitranga ao Okraina. Nofenoina rà sarintsariny ireo siny tamin'ity indray mitoraka ity.
Miala Tsiny Ilay Tranombarotra Lehibe Iray Ao Filipina Noho ny Nivarotany Akanjo Milaza Hoe “Safosafo Miharo Herisetra” ny Fanolanana
Tezitra mafy ireo mpampiasa aterineto tamin'ity herinandro ity, taorian'ny fitaritarihana vehivavy maodely iray tamin'ny tady nataonà lehilahy iray nandritra ny filatroana
Naaton'ny Miaramila Thailandey Ilay Famelabelaran-kevitry Ny Oniversite Momba Ny “Fanjakana Tsy Refesi-Mandidy”, Tazoniny Ireo Profesora.
Nolazain'ireo mpampianatry ny Oniversite samihafa ao Thailandy ho toy ny fanafihana ny fahalalahana akademika ireo fanapahan-kevitra noraisin'ny foloalindahy.
Fa Maninona Ireo Maoista Mpikatroka Mafàna Fo No Manafika Ireo Andrim-pifandraisana Finday Ao India
Milaza ireo manampahefana fa nandoro andrim-pifandraisana finday telo tao ambanivohitr'i India ireo Maoista. Ireo no farany tamin'ireo andry lehibe maherin'ny 200 notafihin'ireo Maoista nandritra izay taona maro lasa izay.
Kyrgyzstan: Milasy Eo Anilan'ilay Jiolahy Raindahiny Ao Amin'ny “Lalao Iraisam-pirenen'ny Mpifindramonina”.
Inona no maha samihafa ireo mpanao asa ratsy amin’ireo Parlemantera? Tsy dia misy, raha araka ny adihevitra iray vao haingana tao amin’ny sehatry ny filazam-baovao malaza ao Kyrgyzstan.
Fotoana Fohy Talohan'Ny Nahafatesany, Nizara Ny Fihetsehampony Tao amin'ny Tedx Talk Momba Ny Tolony Handresena Ny Homamiadana i Lara Khatib , Mpianatra Avy Any Libanona
"Tsy nisafidy ny ho Sara Khatib aho, izay mararin'ny homamiadana sy bory tànana, fa ny hijanona ho Sara Khatib, mpianatra ao amin'ny taona fahaefatra ao amin'ny sampana farmasia [...] tratry ny homamiadana fotsiny izao "