· Avrily, 2013

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Avrily, 2013

Mampanahy ny Hoavin'ny Trano Famakiam-Pokonolona Ao Porto Rikô

  30 Avrily 2013

Miavaka ny Trano Famakiam-bokim-pokonolona San Juan, ao Porto Riko. Tsy mba manana kolontsaina momba ny trano famakiam-boky ho an'ny daholobe sy ny vondrom-piarahamonina ity nosy ity, satria natokana ho an'ireo mpikambana amin'ny toerana tahaka ny oniversite ny ankamaroan'ny trano famakiam-boky. Amin'ireo trano famakiam-boky misokatra ho an'ny daholobe, vitsy ireo azon'ny mpamaky boky...

Gresy : Fahadisoam-panantenan'Ireo Tsy Misy Taratasy Ara-Dalàna Migadra

  29 Avrily 2013

Naparitaka tao amin'ny Twitter ny tantaran'ny hadisoam-panantenana, rehefa avy nitsidika ny tobin'ny mpitandro filaminana any Drapetsona any Piraeus , toerana misy ireo mpifindra monina tsy nahazo alàlana maherin'ny 100 miaina amin'ny toerana tsy mendrika sy haizina ireo mpanao politika, mpanao gazety ary ireo mpikatroka mafàna fo mpanohitra ny fanavakavahana. Isan'ireo mpitsidika sy nitatitra izany i Maria Sidiropoulou, mpanoratra ao amin'ny GV.

Fivoriana Manohitra Ny Fankahalàna Hanosehana ny Fanavakavaham-Bolonkoditra Mihamanjaka ao Sri Lanka

  29 Avrily 2013

Miomana ny hivory ao an-drenivohitra Colombo ny andron'ny 28 avrily ny mpikatroka manohitra ny fankahalana. Niaina fanafihana maherisetra misingatsingana sy kabary fankahalàna vondron'olona vitsy an'isa ny firenena tao ho ao. Tonga roa herinandro monja taorian'ny fiaretan-tory amin-dabozia nataon'ireo olona nijoro teo ivelan'ny biraon'ny Bodu Bala Sena (na Herin'ny Tanjaky ny...

Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

  29 Avrily 2013

Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga no hita [es] nalevina ny tapan'ny vatany ary rakotra sokay. Toa nokendaina izy. Roa amin'ireo lasibatra manoloana ny fihanaky ny herisetra arahina...

“Ny Daroka Drôna No Endrika Ahafantarana An'i Etazonia Any Yemen”

Nijoro vavolombelona teo anatrehan'ny Senat Amerikana ny Yemenita iray, 22 taona, Farea Almuslimi, nandritra ny fotoam-pihainoana mikasika ady miafin'ny Amerikana ampiasàny drôna ka nanome fijoroana vavolombelona mahery vaika. Avy any amin'ny tanànan'i Wessab ity mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazety ity, tanàna niharan'ny daroka drôna Amerikana tamin'ny 18 Aprily 2013 teo.

Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis

  27 Avrily 2013

Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry ny fifidianana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 1985 raha natokana tao amin'ny lisitry ny fivavahana vitsy an'isa ny mpifidy Ahmadi. Tamin'ny...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en