Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Janoary, 2013
Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola
Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.
Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh
Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo ho meloka ao amin'ny fireneny ny fironany ara-pananahana. Ankoatra ny tsy famelana azy ireo hizaka ny zony, miatrika fanavakavahana, ompa, herisetra...
Adin'ny Graffiti Eny Amin'ireo Rindrina Syriana
Afaka raisina ho toy ny tsy fanarahan-dalàlan'ny olom-pirenena syfanehoan-kevitra milamina ny Graffiti. Na manana ny lanja manokana eo amin'ny fanampiana ireo sahirana aza ny Hetsi-panovàna Syriana; fanovàna manana endrika kanto izany. Iray amin'ireo fomba fampiasan'ny olombelona indrindra ny Sary hosodoko hanehoany ny heviny; izany no fomba haingana indrindra hanehoana hevitra na hampifandraisana ny olona amin'io hevitra io. Jereo ny fomba fampiasan'ny Syriana ny fahaizany mamorona eo amin'ireo rindrin'i Syria.
Mizaky Mafy Ny Vokatry Ny Ady Ny Ankizy Syriana
Nandritra ny 10 taona, tombanana ho 10 tapitrisa eo ireo ankizy namoy ny ainy vokatry ny ady, araka ny tatitra avy amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Zon'ny Ankizy “Children's Rights Portal”. Mamatreka ho sokajy manokana tahaka ny ankizy lasibatra tahaka ny anasokajiany ny olo-tsotra lasibatra, miaramila, mpitsoa-ponenana, kamboty, maratra na sembana, zaza nogadraina na nohararaotina...
Sazy An-tranomaizina Mandra-pahafaty No Azon'i Pınar Selek Taorian'ny Fotoam-pitsarana azy Naharitra 15 Taona
Pınar Selek, sosiology sady mpanoratra monina ao Strasbourg, no efa voampanga fa nidaroka baomba tao amin'ny tsenan-tsakay ao Istanbul, voaheloka higadra mandra-pahafaty ao amin'ny fonjan'i Torkia izy. Rehefa noafahana madiodio in-telo nandritra ny fotoam-pitsarana naharitra 15 taona teo izy, nivoaka tamin'ny 24 Janoary 2013 lasa teo ny didim-pitsarana. Hosamborin'ny polisy...
‘Fifidianana Carousel ‘ Areti-mifindran'ireo Fifidianana Kyrgyz
Nifarana hatreo ilay fampielezan-kevitra feno fitsabahana sy nandreraka tao Kyrgyzstana, izay efa ho telo volana izay satria efa voaisa ireo vato ho an'ny fifidianana monisipaly dimy natao ny 25 Novambra. Kanefa taorian'ny valim-pifidianana, lahatsoratra iray avy amin'ny mediam-bahoaka no namela marikivy tao ambavan'ny rehetra.
Diaben'ny Fandriampahalemana: ‘Atsaharo Ny Herisetra any Myanmar Avaratra’
Misy dialavan'ny fandriampahalemana nomanina tao Myanmar hiantsoana ny fampitsaharana ny ady eo amin'ny tafi-panjakana sy ny tafika mpioko Kachin. Niteraka fifindra-toeran'olona mihoatra ny 90.000 ity gindragindra nanomboka indray ity.
“Atsaharo Ny Famotehana Ny Tantaran'i Hong Kong”
Tamin'ny fotoana nahalany sy nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny Ben'ny tanànan'i Hong Kong vaovao CY Leung, antontan-taratasy amina miliara noraketin'ny governemanta no nopotehina. Raha ny marina, raha alahatrao avokoa ireo raki-taratasy nopotehina ireo dia ho 40 avo heny noho ny haavon'ny fanorenana avo indrindra manerantany dia ny Burj Khalifa ao...
Kiorda Tery Anelanelan'ny Islamista Sy Ny PKK
Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, izay ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Azaz, Syria: Tafintohina anaty toe-draharaha mangozohozo ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda (PKK) ao Torkia, sy ny sampany mpanao politika Syriana, ary ny...
Mampisara-Kevitra an'i Japana Ny Fako Navelan'ny Horohoron-tany
Herintaona sy folo volana izay no lasa hatramin'ny nisian'ilay Horohorontany Goavana tao Atsinanan'i Japana tamin'ny 11 Martsa 2011. Eo am-panaovana dingana amin'ny fanorenana ireo faritra voakasiky ny horohoron-tany, izany dia noho ny fanohanana sy fanampiana avy amin'ny Japana rehetra manerantany. Na dia izany aza, mampizara ny firenena ny olana momba ny fandoroana ireo...