· Mey, 2012

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Mey, 2012

Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray

Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.

Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

  30 Mey 2012

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.

Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla

Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.

Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona

  29 Mey 2012

Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.

Karaiba: Ho Fanohanana Ny Renintsika

  29 Mey 2012

Ho fanomanana ny fetin'ny reny hodiavintsika, andao hojerena ny eritreritra mandalo sy ny resaka ataon'ny any amin'ny faritra Karaiba izay nankalaza izany tamin'ny alahady nialoha ny pentekositra teo. Samy manana ny andro hankalazana ny fetin'ny reny manko...

Ejipta: Tafatsangana Indray I Ahmed Shafiq

Navoakan'ny sombim-bokatra valim-pifidianana filoham-pirenena ejipsiana fiodinana voalohany fa ny kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana Mohamed Morsi sy ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Shafiq no hifanandrina amin'ny fiodinana faharoa hotontosaina amin'ny 16 sy 17 Jona. Niteraka hatairana tamin'ny maro tokoa ny fisongadinan'i Shafiq, iray amin'ny “feloul” na “sisa tavela” tamin'ny fitondrana Mubarak. Tarataratra ihany fa ny ankamaroan'ny...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en