· Janoary, 2012

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Janoary, 2012

Karaiba: Misaotra anao ry Dr. King

  31 Janoary 2012

Anio faha 16 Janoary 2012 izay andron'i Martin Luther King Jr no ankalazan'i Etazonia ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny lehiben'ny vondrona mpitandro ny zon'olombelona. Nandray anjara tamin'izany ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba any an-tanindrazana sy any am-pielezana...

Singapore: Kolikoly Manafintohina

  30 Janoary 2012

Nandritra ny taombavaovao Sinoa, nipoaka ny vaovao fa ny lehiben'ny Tafi-piarovana Sivily (SCDF) sy ny Foibe misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina (CNB) dia  nanaovan'ny Birao Miady amin'ny Kolikoly (CPIB) fanadihadiana. Niteraka resabe momba ny kolikoly tao amina firenena  voasokajy hatrany ho anisan'ny firenena iray manerantany manana taha ambany indrindra amin'ny resaka kolikoly izany....

Shina: Tsy Mahataitra Ny Fanapahan-kevitry Ny Twitter Hanivan-tena

  30 Janoary 2012

Nanambra ny Twitter tamin'ity herinandro ity fa, ho fitsinjovana ny tombotsoan'ny daholobe, nanapa-kevita ny hanomboka hanivana ireo fampahalalana voarara any amin'ireo fivarotana samihafa izay ananan'ny orinasa mpampiasa azy izy. Any Shina anefa, izay efa voasakana efa mihoatra ny roa taona ny Twitter, mbola maro ireo mpampiasa no mbola mitsidika io vohikala io, milaza ny vondrona mpampiasa Twitter goavana iray fa mety tsy ho olana be loatra io fanapahan-kevitra io.

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

  29 Janoary 2012

Hitsidika firenena irery mandritra ny herintaona ilay mpanao gazety amin'ny alàlan'ny Lahatsary Maggie Padlewska, hitety firenena iray isan-kerinandro ary mitontaly 52 ireo firenena hotsidihany amin'izany. Mandritra ny fitsidihany dia haka ary hamokatra lahatsarin'ny fifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary olona zara raha voaresaky ny mpampita vaovao izy, ary hamoaka izany ao amin'ny aterineto izy.

Brezila: Hetsika Mitaky Zo Hahazo Kianja Tsy andoavam-bola Mandritra ny Fetibe

  28 Janoary 2012

Ny Fetiben'i Salvador [karnavalina], ao Brezila, no iray amin'ny lehibe indrindra manerantany. Leon'ny resaka ara-barotra tafahoatra sy ny fanovana ny kianjam-bahoaka lasa an'olotsotra vonjimaika kosa ny mponina ao an-tanàna. Nidina an-dalambe ry zareo tamin'ny 14 janoary rehefa nifanentana sy nifandamina tamin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mitaky ny hanalana ny fanorenan'ireo orinasa tsy miankina hiala amin'ny arabe.

Jordania: Avia Avia Fanala ô!

Ela ny ela tonga ao Jordania ihany rehefa ela niandrasana ilay vahiny fotsy, rehefa nandalo indroa ny hatsiaka maina dia tonga izy saingy nitsonika vetivety. Mbola tsy niangona akory dia efa nitondra hafaliana sy haravoana ho an'ireo niandry azy. Vantany vao nirotsaka tany amin'ny faritra be tendrombohitr'i Jordania ny ranomandry...

Yemen: Tsy Azo Samborina i Saleh

Nankatoavin'ny antenimiera ihany omaly ny lalàna manome alalana an'i Ali Abdullah Saleh tsy ho azo samborina sy gadraina famelan-tsazy tanteraka ho an'ny filohan'i Yemen teo aloha Ali Abdullah Saleh rehefa nahemotra in-dimy miantoana ny adihevitra mikasika izany.  Tsimatimanota i Saleh araka izany lalàna izany tamin'ireo heloka vitany nandritra ny fitondrany, tafiditra...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en