Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Oktobra, 2011
Grande Bretagne: Faha-77 taona, Fiainana Mahazendana
Julie Kertesz dia nanomboka nibilaogy sy naka sary teo amin'ny faha-70 taonany. Ankehitriny eo amin'ny faha-77, fakàn-tahaka izy ho an'ny olona avy amin'ny sokajin-taona rehetra izay maniry ny hiaina fiainana feno sy mavitrika amin'ny fianarana sy ny firotsahana an-tsehatra. Mitatitra i Paula Góes.
Brezila : Ny Niobium, Harem-pirenena Amidy Mora
Isan'ny metaly ampiasaina betsaka manerana ny tany ny niobium, ary Brezila no manana ny tahiry be indrindra amin'io harena ankibon'ny tany io. Na izany aza, ny fitrandrahana azy any Brezila dia mampametraka fanontaniana maro mikasika izay mba vokatra entiny ho an'ireo orinasa tsy miankina na orinasam-panjakana.
Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi
Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.
Global Voices Rosiana Miara-miasa Amin'ny Neweurasia.net
Faly izahay mampilaza ny fiaraha-miasa ny Global Voices Rosiana miaraka amin'ny Neweurasia.net, iray amin'ireo sehatry ny valantserasera lehibe indrindra ao Azia Afovoany, izay manana mpihaino Anglisy sy Rosiana marobe. Miompana manokana amin'ny vaovao sy fanadihadiana nataon'ny tanora avy ao an-toerana ny Neweurasia. Manazava bebe kokoa ny vaovao tsy voatantara tsara ny...
Ejipta: Raharaha Fampijaliana Iray Hafa Indray Taorian'ny Revolisiona
Mitombo ny hatezerana ay Ejipta rehefa maty (voalaza fa teo am-pelatanan'ireo polisy nisambotra azy) i Essam Atta, lehilahy 23 taona nogadraina nandritra ny roa taona taorian'ny fitsarana miaramila. Lilian Wagdy dia mamintina ireo fanehoan-kevitra tamin'ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra momba izany vaovao izany.
Ejipta: Tetikasa-na kilasy Iray Lasa Fikambanana Mpanao Asasoa Anisan'ny Goavana Indrindra Ao Ejipta
Niainga tamin'ny adihevitra natao nandritra ny fampianarana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Kairo ka hatramin'ny fananganana fikambanana mpanao asa soa anisan'ny goavana indrindra ao Ejipta. Ity ny tantaran'ilay mpampianatra eny amin'ny Anjerimanontolo Sherif Abdel-Azim nanangana ny Resala.
Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif
Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud. Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay Printsy mpandova manaraka ao mandrapahatongan'ny vaovao avy amin'ny Lapan'ny Mpanjaka ny sasak'alin'ny 27 Oktobra fotoana nanendrena ny Printsy Naif Bin Abdul...
Global Voices Podcast : Fivoriana Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Andiany faha2
Ho fanampin'ny "podcast" isam-bolana fanaonay, dia manana raki-peo manokana ho anao koa izahay avy amin'ilay vaovao vao nivoaka farany tamin'ilay Fivoriana fahatelon'ireo Bilaogera Arabo tao Tonizia. Ao amin'ity lahatsoratra ity, fanadihadihana miaraka amin'i : Zeynep Tufekci, Alexandra Sandels, Hayder Hamzoz, ary Roger Dingeldine.
Madagasikara : Mivantana tamin'ny siokantsera ny fahatongavan'ny Praiministra vaovao Jean-Omer BERIZIKY
Narahin'ireo mpisiokantsera any Madagasikara ary notateriny mivantana ny fanendrena ny Praiministra vaovao. Tamin'ny teny fohy no nanambaran'ny namana Avylavitra fa “Beriziky Omer -n'ny ankolafy Zafy Albert no lany ho Praiministra.”
Frantsa: Famerana Fanomezana Visa Ny Mpianatra Anjerimanontolo Vahiny
Raha mba nitovy amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina ao Etazonia ny any Frantsa araka izay fanapahan-kevitra noraisina farany, dia orinasa Sinoa no mety tompon'ny Yahoo (naorin'i Jerry Yang avy any Taiwan), ary Google no fantatra ankehitriny fa mety orinasa Rosiana miroborobo indrindra (natsangan'i Sergey Brin) ary Apple dia orinasa Syriana – mpianatra...