Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Oktobra, 2010
Repoblika Dominikana : fepetra hiadiana amin'ny kolera
Maherin'ny 270 no matin'ny kolera tany Haïti ary manodidina ny 3000 no tratry ny aretina. Ny fipariahan'ny valanaretina, izay tao amin'ny tanànan'i Saint Marc no niantomboka, dia niitatra hatrany amin'ny renivohitra haitiana, Port-au-Prince, izay nahitàna tranga iray voamarina omaly. Ireo manampahaizana avy amin'ny OPS [Organisation panaméricaine de la Santé] fa fotoana no isaina dia ho tonga any amin'ny tany dominikana ny kolera. Mihetsika ireo mpitoraka bilaogy.
Ny sainam-pirenena vaovao sy ny anarana vaovaon'i Myanmar
Naseho am-pahibemaso voalohany tamin'ny herinandro lasa teo ny sainam-pirenena vaovaon'i Myanmar. Manana anarana vaovao koa izy: fantatra ankehitriny amin'ny anarana hoe Repoblikan'ny Fiombonan'i Myanmar. Mitsikera ny sarin'ilay saina ireo mpampiasa aterineto any Myanmar. Ny mpitoraka blaogy sasany aza manitrikitrika fa ny tafika ihany no asehon'io saina io fa tsy ny vahoakan'i Myanmar
Myanmar/Birmania: Fanentanana “Ataovy ankivy ny Fifidianana”
Haroso amin'ny 7 Novambra ihany ny fifidianana any Myanmar na tsy handray anjara aza ireo antoko mpanohitra. Adikan'ny Global Voices ny fanambaràna avy amin'ireo vahoaka ao Myanmar izay hanao ankivy ny fifidianana ho avy.
Zimbabwe: Minisitry ny Varotra sy ny Indostria mampiasa twitter mba hamoahana ny adin-tsainy
Ny 22 Oktobra 2010, i Hope, zimbaboeiana mpitoraka bilaogy, dia nahamarika fitorahana twitter nirarak'ompana avy amin'ny Professeur Welshman Ncube, Minisitry ny Varotra sy ny Indostria ao Zimbabwe sady Sekretera Jeneralin'ny antoko MDC.
Ny voina nateraky ny tondra-drano tao Thailand
Olona mihoatra ny 40 no voamarina fa namoy ny ainy nohon'ny fiakaran'ny tondra-drano tany amin'ny faritra avaratra atsinanana sy afovoan'i Thailand. Efa tratran'ny tondra-drano koa izao ny faritra sasany ao Bangkok, renivohitr'io firenena io. Mitatitra vaovao mifanaraka amin'ny toetr'andro mikasika ny vokatra nateraky ny tondra-drano ny mponin'ny aterineto amin'ny alalan'ny blaogy sy twitter
Isiraely: Korian'ny fianianana ho mahatokin'ny Firenena ny demaokrasia
Nolanian'ny filankevitry ny governemanta Isiraeliana tamin'ny 22-8 ny volavolam-panitsiana ny lalàna fizakana ny zo Isiraeliana, izay mitaky amin'ireo rehetra mangataka zom-pirenena ny fanekena an'Isiraely ho "fanjakana Jiosy ny demaokratika." Niteraka adihevitra an-tserasera izany.
Panama: Volavolandalana iadiana amin'ny fanavakavahana noho ny safidy olona iarahana
Nanomboka miady hevitra mikasika ny lalàna vaovao hiaro ny olona amin'ny fanavakavahana mifototra amin'ny safidy amin'izay tian'ny olona iarhaana ny Antenimeram-pirenena Panameana. Nanoratra tao amin'ny vohikala Corresponsales Clave [es] i Dayra García: La Comisión de Gobierno, Justicia y Asuntos Constitucionales de la Asamblea Nacional aprobó en el primer debate (con...
Votsotra tamin'ny Panama ny fandraisana ny lalao Bolivariàna
Voatonon'ny Mpanoman-dalao fanatanjahantena Bolivariana (ODEBO) hampiantrano ny faha-XVII ny Lalao Bolivariana hontontosaina amin'ny 2013, tamin'ny volana mey lasa teo i Panama. Saingy noesorina taminy indray izany tamin'ity herinandro ity
Koety: Herisetran'ny mpitandro filaminana azo horonantsary?
Voarakitra horonantsary ny herisetran'ny mpitandro filaminana manerana ny tany. Indro misy iray avy any Koety izay navoaka tao amin'ny blaogy fanta-daza iray ary nahazo fanehoan-kevitra maro dia maro – ny ankamaroan'izany dia manameloka ilay mpitoraka blaogy noho ny namoahany izany. Mark, avy amin'ny 248am, dia namoaka ity horonantsary manaraka ity: Manoratra...
Filipina: Horonantsarin-dihy malaza
Gadra mandihy. Mpiasa an-trano mandihy. Tompon'andraikitra fiaramanidina mandihy. Dia izao indray mpitaky hetra mandihy. Jereo indray ireo horonantsarin-dihy malaza avy any Filipina.